Jeremià 23 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ireo mpitondra ratsy sy ny mpanjaka mpamonjy

1«Lozanareo mpitarika ny vahoakako, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, fa mpiandry ratsy mamela ny andian’ondry ho reraka sy hihahaka ianareo.»

2Koa izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely ny amin’ireo mpiandry ratsy ireo: «Navelanareo hihahaka sy naparitakareo ny ondriko fa tsy nokarakarainareo. Koa indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely anareo noho ny asa ratsinareo! Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

3«Koa Izaho ihany no hanangona ireo andian’ondry sisa velona avy any amin’ny tany rehetra izay nanapariahako azy. Haveriko ao amin’ny saha firaofany izy ka hitombo sy hihamaro.

4Hanendry mpiandry mahafatra-po ho azy Aho, ka tsy hanan-tahotra na horohoro intsony izy, ary tsy hisy ho banga amin’ny fiantsoana. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»

5«Indro avy ny andro izay hanapoirako

taranaka marina ho an’i Davida.

Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

Mpanjaka hanjaka am-pahendrena izy,

ka dia ny rariny sy ny hitsiny

no hampihariny eo amin’ny tany.

6Amin’ny andro hanjakany

no hamonjena an’i Joda

sy hiainan’i Israely am-pilaminana.

Izao no anarana hiantsoana azy:

‹Ny TOMPO no Fahamarinantsika.›

7«Eny, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, avy ny andro izay tsy hanaovam-pianianana intsony hoe ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny Israelita hiala avy any Ejipta, ka mianiana aho...›,

8fa hatao hoe: ‹Velona ny TOMPO Izay nampakatra ny taranaka israelita avy any amin’ny tany avaratra sy ny faritany rehetra nanapariahany azy mba honina indray eo amin’ny tanindrazany, ka mianiana aho...› »

Mpaminany tsy mendrika

9Ny amin’ireo mpaminany

.

Torotoro ny foko ato anatiko,

mangovitra ny tenako manontolo.

Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho

noho ny TOMPO ary noho ny teny masina

izay voalazany tamiko hoe:

10«Feno olona mijangajanga ny tany.

Mirohotra amin’ny faharatsiana izy

ary feno fahasahiana hanao tsy rariny.

Noho izany, misaona ny tany

ary tonga maina ny kijàna.

11Ny mpaminany ama-mpisorona

dia samy fangoloka avokoa.

Na dia hatrany an-tranoko aza

dia ahitako ny faharatsiany,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

12Noho izany, dia hanjary malama ny lalany.

Hifandona anaty haizina izy ka hianjera,

fa hataoko tonga aminy ny loza

amin’ny taona hirotsahako hamely azy.

Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.»

Ratsy noho ny mpaminanin’i Samaria

13«Tao amin’ny mpaminanin’i Samaria

no nahitako zavatra maharikoriko:

naminany tamin’ny anaran’i Bahala izy

ary nampivaona ny Israelita vahoakako.

14Fa tao amin’ny mpaminanin’i Jerosalema

dia nahitako zavatra mahatsiravina:

sady mijangajanga izy

no mivelona amin’ny lainga.

Mampirisika ny mpanao ratsy izy

hany ka misakana ny tsirairay

hiala amin’ny faharatsiany.

Izy rehetra amiko dia tonga

tahaka ny olon’i Sôdôma;

ary ny mponin’i Jerosalema

dia sahala amin’ny an’i Gômôra.»

15Noho izany, ny TOMPOn’izao rehetra izao

dia milaza ny amin’ireo mpaminany hoe:

«Hofahanako zava-mangidy izy

ary hampisotroiko rano voapoizina,

satria ny mpaminanin’i Jerosalema

no ipoiran’ny faharatsiana rehetra

izay mifindra amin’ny tany manontolo.»

Mpaminany mandainga

16Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

«Aza henoinareo ny teny

izay ampitain’ireo mpaminany ireo;

fa mamitaka anareo fotsiny izy.

Ny fanambaràna izay lazainy aminareo

dia avy amin’ny eritreriny ihany

fa tsy avy amin’ny vavako.

17Ny olona maniratsira ny teniko

dia sahiny ilazana hoe:

‹Hisy fiadanana ho anareo›.

Mikiribiby amin’ny ditram-pony

dia anambaràny hoe:

‹Tsy hahatratra antsika ny loza.›

18Iza moa no efa nanatrika

tao amin’ny filankevitro, hoy Izaho TOMPO?

Iza no nahita sy nandre izay nolazaiko tao?

Ary iza no naharay sy nahatakatra ny teniko?»

(Jeremià)

19Indro tamy ny rambon-danitra,

dia ny fahatezeran’ny TOMPO.

Toy ny rivo-doza mitambolimbolina

no fiantontany eny an-dohan’ny olon-dratsy.

20Tsy hitsahatra mirehitra

ny fahatezeran’ny TOMPO,

raha tsy efa nahatontosa sy nahatanteraka

izay fandaharan-javatra notapahiny.

Amin’ny andro any aoriana any

vao tena ho takatrareo izany.

(Ny Tompo)

21Tsy naniraka ireo mpaminany ireo Aho,

kanefa nidodododo ihany izy, hoy ny Tompo.

Tsy nilaza taminy na inona na inona Aho

kanefa nanao fanambaràna ihany izy.

22Raha nanatrika ny filankevitro izy,

dia ho afa-nampita ny teniko tamin’ny vahoakako

ka ho nitarika azy hiala amin’ny lalan-dratsiny

sy amin’ny zava-mamohehatra fanaony.

Manatrika eran’izao rehetra izao ny Tompo

23Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:

«Moa Andriamanitra tsy mahita

afa-tsy ny akaiky ihany va Aho?

Tsia, fa mahita ny lavitra koa Aho.

24Raha misy olona miery ao anaty fiafenana,

dia tsy ho hitako ve izy?

Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany.

Tsy manerana ny lanitra sy ny tany ve Aho?

Fanontaniana hentitra avy amiko TOMPO izany.

Aza afangaro ny vary sy ny mololo

25Izaho Tompo efa nandre izay nolazain’ireo mpaminany mihambo miteny amin’ny anarako kanefa milaza lainga manao hoe: «Nanonofy aho, eny, nanonofy aho.»

26Mandra-pahoviana no ho toy izany? Fa inona no ao an-tsain’ireny mpaminany ireny, rehefa milaza lainga izy na milaza hevi-dravina ihany?

27Nony mifampitantara nofy izy, dia tsy mikendry afa-tsy ny hanadinoan’ny vahoakako Ahy, tahaka ny nanadinoan’ny razany Ahy ka nanompoany an’i Bahala.

28Raha misy mpaminany manonofy, dia aoka izy hilaza ny nofiny! Fa raha mitondra hafatra avy amiko izy, dia aoka hanambara marina ny teniko!

Aoka tsy hafangaro ny mololo sy ny vary

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.

29ny teniko dia toy ny afo mandoro,

ary toy ny kanonta manorotoro vatolampy,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.

30Noho izany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, dia indro Aho hamely ireo mpaminany izay mifangalatra ny hafatro ireo.

31Eny, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO, indro Aho hamely ny mpaminany izay nampifangaro ny teniny amin’ny teniko.

32Indro Aho hamely ny mpaminany mihambo ho mahita fahitana, hoy ny teny hentitra ambarako. Fa rehefa mitantara izany izy, dia mampivily ny vahoakako amin’ny lainga sy habobo ampitainy. Izaho anefa tsy naniraka azy na nanome baiko azy. Tsy mahasoa ny vahoakako akory izy, hoy ny teny hentitra ambarako.

Moa enta-mavesatra ve ny tenin’ny Tompo?

33Ary hoy ny TOMPO tamin’i Jeremià:

–Raha misy mpaminany na mpisorona na olona hafa manontany anao hoe: «Inona no hafatry ny TOMPO, inona no enta-mavesatra anereny antsika?», dia hovalianao hoe: «Ianareo no enta-mavesatra; noho izany, dia hariako ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.»

34Raha misy mpaminany na mpisorona na olon-kafa miresaka ny hoe «enta-mavesatra aneren’ny TOMPO», dia hirotsaka an-tsehatra hamely izany olona izany sy ny ankohonany Aho.

35Izay tokony hifanontanianareo dia ny hoe: «Inona no navalin’ny TOMPO?» na «Inona no voalazan’ny TOMPO?»

36Ary ny hoe «enta-mavesatra aneren’ny TOMPO» dia tsy tokony hotononinareo intsony. Fa moa enta-mavesatra ho an’ny olona tokoa ve ny tenin’Andriamanitra? Tsia, fa raha izany dia avadikareo ny tenin’Andriamanitra velona, dia ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely.

37Eny, izay tokony hanontanianareo ny mpaminany dia ny hoe: «Inona no navalin’ny TOMPO anao, inona no voalazan’ny TOMPO taminao?»

38Fa raha mbola teneninareo ihany ny hoe «enta-mavesatra aneren’ny TOMPO», na dia efa nandrarako anareo aza,

39dia hataoko toy ny enta-mavesatra eo an-tsoroko ianareo, ka hariako ny tenanareo sy ity tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo ity.

40Hatolotro ho amin’ny henatra sy ny fahafaham-baràka tsy hohadinoina mandrakizay ianareo.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help