Jeremià 50 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Faharavàn’i Babilôna sy fanafahana an’i Israely

1Hafatra nataon’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Jeremià mpaminany ho an’i Babilôna sy i Babilônia.

2Ambarao amin’ny firenena ny vaovao,

ampahafantaro amin’ny alalan’ny famantarana,

ampahafantaro fa aza afenina

ary lazao hoe: Azo i Babilôna,

henatra moa izao ho an’ny sampiny

ary haketrahana ho an’ireo andriamani-tsiiziny!

Henatra moa izao ny an’i Bela,

ary haketrahana ho an’i Merôdàky.

3Fa misy firenena iray avy any avaratra

miakatra hamely an’i Babilôna,

ka hanova ny taniny ho lao

tsy hisy mponina intsony;

fa na olona na biby fiompy

dia samy lasa nitsoaka avokoa.

4Amin’izany andro sy fotoana izany,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO,

dia hiara-tonga ny Israelita sy ny Jodeanina,

ka sady mitomany izy no mandeha

hitady Ahy TOMPO Andriamaniny.

5Hanontany ny lalana mankany Tsiôna ireo,

ka himasoany hizorana izany.

Ho avy izy ka fanekempihavanana mandrakizay

izay tsy hohadinoiny na oviana na oviana

no hifamatorany mafy amiko TOMPO.

6Andian’ondry very ny vahoakako

fa ny mpiandriny no nandiso lalana azy,

ka nampirenireny azy teny an-tendrombohitra.

Nifindrafindra tendrombohitra sy havoana izy

ka nanadino ny vala fandriany.

7Izay fahavalo rehetra nahita azy

dia nandripaka azy avokoa sady nanao hoe:

«Tsy misy mahadiso antsika izao,

satria ireo no meloka eo anatrehan’ny TOMPO

izay fonenam-pamonjena sy fanantenan-drazany.»

8Hoy ny Tompo: «Mandosira lavitra an’i Babilôna,

ilaozy i Babilônia ka manaova hitsin-dalana

toy ny osilahy mialoha ny ondry aman’osy.

9Fa firenena lehibe manao andiany

no hotairiko sy halefako hanafika an’i Babilôna.

Ho tonga avy any avaratra ireny

ka hilahatra hiady aminy sy hahazo azy.

Tsy hivena mihitsy ny zana-tsipîkany

fa ho toy ny miaramila zatra ady

ka tsy hiverim-potsiny.

10Horobaina ny tanin’ny Babilônianina

ary ho afa-po ireo rehetra mandroba azy,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.

11Mahazo mifaly sy miravo ianareo izao,

ry mpamotika ny fananako!

Mahazo mifalihavanja ianareo

toy ny vantotr’ombivavy eny amin’ny ahi-maitso

sy afa-mikiaka toy ny soavaly mpihazakazaka.

12Nefa mba jereo ange ity tanindrazanareo:

tafalatsaka lalina anaty henatra,

tototry ny fahafaham-baràka.

Indro izy nanjary farany amin’ny firenena,

lasa taniefitra sy tany hay ary tanety ngazana.»

13Ny fahaviniran’ny TOMPO no nahatonga an’i Babilôna

tsy honenana intsony fa hampahonena tanteraka.

Ho gaga izay rehetra mandalo azy,

ka hivarahontsana noho ny voina rehetra nanjo azy.

14Ianareo rehetra mpitifitra amin’ny tsipîka,

milahara manodidina an’i Babilôna.

Amelezo azy ny zana-tsipîkanareo

ka aza tsitsîna mihitsy

satria meloka eo anatrehan’ny TOMPO izy.

15Manaova akoran’ady manodidina

mba hampikoizana azy.

Indro fa nitolo-batana izy!

Rava ny tilikambom-piarovany

ary nianjera ny mandany.

Izany no famalian’ny TOMPO!

Koa valionareo i Babilôna;

araka ny nataony tamin’ny hafa

no mba ataovinareo aminy koa.

16Foany ao Babilôna ireo mpamafiny

sy ireo mpijinjany amin’ny fararano;

manoloana ny ady mahatsiravina,

dia aoka samy hody any amin’ny fireneny avy izy

ary samy handositra any amin’ny taniny avy!

17I Israely dia toy ny ondry very

izay nenjehin’ny liona.

Ny mpanjakan’i Asiria no voalohany nihinana taminy; avy eo dia tonga i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nanapatapaka ny taolany.

18Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Hirotsaka an-tsehatra hamely ny mpanjakan’i Babilôna sy ny taniny Aho, tahaka izay nirotsahako an-tsehatra namely ny mpanjakan’i Asiria fahiny.

19Fa i Israely kosa haveriko

amin’ny kijana fiandrasana azy,

ka hirao-bilona any Karmela sy any Basàna;

ary eo an-tendrombohitr’i Efraîma sy ao Gilehada

no hahafa-po sy hahavoky azy.

20Izaho TOMPO dia manao teny hentitra hoe:

Amin’izany andro izany, na dia hotadiavina aza

ny fahadisoan’i Israely sy ny helok’i Joda,

dia hanjavona tsy ho hita intsony;

satria havelako heloka

ireo sisa notsimbiniko ho velona.

21Tafiho ny tanin’i Merataîma!

Tafiho izy sy ny mponina ao Pekôda.

Vonoy ho faty ireo ka aringano

hatramin’ny olona farany,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.

Tanteraho izay rehetra voadidiko!

22Tabataban’ady no tao amin’io tany io,

ary fandringanana goavana!

23Andray! Potika sy torotoro i Babilôna,

ilay tantanam-pamontsanana ny tany tontolo.

Andray! Tonga taniefitra mahonena izy

eo anivon’ny firenena maro.

24Namelarako fandrika ianao, ry Babilôna,

ka voan’izany, nefa tsy fantatrao akory.

Tratra sy voasambotra ianao,

satria Izaho TOMPO no niadianao.»

25Novohan’ny TOMPO ny trano fitehirizany,

ka nalainy tao ireo fiadiana

izay anehoany ny fahavinirany.

Ao amin’ny tanin’i Babilôna

dia izany no asan’ny Tompo,

ilay ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.

26Hatrany am-paran’ny tany, avia avokoa

ianareo rehetra hamely azy.

Sokafy ny fitehirizam-bokany

ka avangongoy ho antonta iray ny remby;

fa aringano tanteraka ny tanàna:

aoka tsy hisy tavela intsony!

27Vonoy ho faty ny miaramilany rehetra;

aoka hidina any an-toeram-pamonoana ireo!

Idiran-doza ireo fa tonga ny androny

dia ny fotoana hamalian’ny Tompo azy.

28Injany ireo mpandositra

afa-nitsoaka avy any Babilônia

mitondra ny vaovao ao Tsiôna:

namaly faty an’i Babilôna

ny TOMPO Andriamanitsika,

namaly faty azy noho ny tempoliny masina Izy.

29Antsoy ny mpandefa zana-tsipîka,

dia ireo rehetra mpanenjana tsipîka,

ka vorio hamely an’i Babilôna.

Aoka ireo hitoby manodidina azy

ka tsy hamela ny mponiny ho afa-miala.

Aoka hovaliana araka ny ratsy nataony izy

ka izay rehetra nataony tamin’ny hafa

no mba ampiharo aminy kosa!

Satria izy niavonavona tamin’ny TOMPO,

dia tamin’ilay Masin’i Israely.

30«Noho izany dia ho faty eny an-kianja eny ireo zatovony, ary ho ringana ireo miaramilany rehetra amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

31Indro Aho hifanandrina aminao

ry Babilôna mpiavonavona,

Izaho Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao

no manao izany teny hentitra izany.

Fa tonga ny andronao izao,

dia ny fotoana hamaliako anao.

32Mivembena ary mianjera ilay mpiavonavona,

fa tsy misy manarina azy.

Andrehetako afo amin’ireo tanànany

ka handevona izay rehetra manodidina azy izany.»

33Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao:

«Samy nampahorìna ny Israelita sy ny Jodeanina;

ary izay rehetra namabo azy

dia mitana azy an-keriny,

fa tsy manaiky handefa azy.

34Nefa Izaho mpanavotra azy dia mahery:

TOMPOn’izao rehetra izao no anarako.

Horaisiko an-tanana tokoa ny adiny

mba hampiadana ny taniny

sy hampikorontana kosa ny mponin’i Babilôna.»

Ny tetika hamelezan’ny Tompo an’i Babilôna

35Hoy ny teny hentitry ny TOMPO:

«Hisy ady hamely ny Babilônianina,

mbamin’ny mponina ao an-drenivohitra

sy ny mpitondrany ary ny olon-kendriny!

36Hisy ady hamely ny mpimasiny,

ka ho very saina ireo!

Hisy ady hamely ny maherifony,

ka ho ketraka izy!

37Hisy ady hamely ny soavaliny sy ny kalesiny

mbamin’ny olona rehetra samy hafa firenena ao aminy,

ka halemy toy ny vehivavy izy!

Hisy ady hamely ny haren-tsarobidiny,

ka ho voaroba ireo!

38Hisy ady hamely ny reniranony,

ka ho ritra ireo!

Satria tany be sarivongan-tsampy io,

dia sary mahatsiravina

sady mahatonga izay manompo azy hirediredy.

39Noho izany dia ny kary sy ny amboadia

no honina ao Babilôna;

ary ny vorombe koa no hipetraka ao.

Fa tsy honenana intsony izy mandrakizay

ary tsy hitoerana hatramin’ny taranaka mifandimby.

40Tahaka ny nandravako an’i Sôdôma sy i Gômôra,

mbamin’ireo tanàna teny akaikiny,

no hataoko amin’i Babilôna,

hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO,

ka tsy hisy olona honina

na hivahiny any intsony.

41Indro misy vahoaka tonga avy any avaratra

dia firenen-dehibe iray;

ary mpanjaka mahery no miainga

avy any am-paran’ny tany.

42Mampirangaranga tsipîka sy lefona

ireo miaramilany lozabe sady tsy mamindra fo.

Mirohondrohona toy ny ranomasina ny feony.

Mitaingin-tsoavaly izy,

ary milahatra toy ny andian-tafika hiady

mba hamely anao, ry Babilôna!

43Ren’ny mpanjakan’i Babilôna

izany vaovao izany,

ka miraviravy tanana izy

sady tratry ny fanaintainana

toy ny vehivavy raha miteraka.

44Hoy ny Tompo: «Indro Aho ho toy ny liona

miakatra avy ao an-kirihitralan’i Jôrdàna

sy mirifatra mankany amin’ny fonenany

ka ao anatin’ny indray mipi-maso

no hampandosirako ny Babilônianina.

Ary hapetrako ao Babilôna

ilay nofidiko ho lehibeny.

Koa iza no azo ampitahaina amiko?

Iza no sahy hifandahatra amiko?

Ary iza no mpitondra hahatohitra Ahy?»

45Noho izany, henoy àry ny tetika

novolavolain’ny TOMPO

hamelezana an’i Babilôna

sy ny paika nomaniny

hamelezana ny mponin’i Babilônia.

Ho toy ny fitondra biby fiompy mihitsy

no hitondrana azy any an-kafa

hatramin’ny olona farany indrindra!

Ny fonenany mihitsy aza no manilika azy.

46Mihorohoro ny tany mandre

ny vaovao hoe: «Azo i Babilôna»

Ary horakoraka no manako

any amin’ireo firenena.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help