Zakarià 4 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fahitana fahadimy: ny fanaovan-jiro sy ny hazo ôliva

1Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko, ka namoha ahy toy ny famoha olona matory

2sady nanontany ahy hoe:

–Inona no hitanao?

Dia hoy aho namaly:

–Fitoeran-jiro volamena misy fitahirizan-diloilo eo an-tampony no hitako. Fanaovan-jiro fito no eo amin’izany fitoeran-jiro izany; ary lahin-jiro fito kosa no eo amin’ny fanaovan-jiro tsirairay avy.

3Misy hazo ôliva roa eo anilan’ilay fitahirizan-diloilo, ka ny anankiray eo an-kavanany, ary ny anankiray eo an-kaviany.

4Tamin’izay ilay anjely niresaka tamiko dia nanontaniako hoe:

–Inona moa no dikan’ireo, Tompoko?

5Ka hoy izy tamiko:

–Tsy fantatrao va ny dikan’ireo?

Fa novaliako hoe:

–Tsia, Tompoko.

6aDia nohazavainy tamiko àry

10bfa ireo jiro fito ireo no mason’ny TOMPO izay mahita ny zavatra rehetra ambonin’ny tany.

11Dia nanontaniako indray izy hoe:

–Inona moa ireo hazo ôliva roa eo an-kavanana sy eo an-kavian’ny fitoeran-jiro ireo?

12Ary mbola nanontaniako fanindroany izy hoe:

–Inona koa ireo sampan’ôliva roa izay mandraraka diloilo volamena ireo amin’ny alalan’ny fantsona volamena anankiroa?

13Ka hoy izy tamiko:

–Tsy fantatrao koa va ny dikan’ireo?

Fa novaliako hoe:

–Tsia, Tompoko.

14Dia nohazavainy tamiko àry fa ireo zavatra ireo dia manambara ny olona roa voahosotra tamin’ny diloilo mba hanompo ilay Tompon’ny tany tontolo.

Toky nomen’Andriamanitra an’i Zerobabela

6bAry niteny tamiko ilay anjely mba hampita izao hafatry ny TOMPO ny amin’i Zerobabela izao:

«Tsy amin’ny herin-tafika

na amin’ny fahatanjahanao

no hahatanterahanao andraikitra

fa kosa amin’ny Fanahiko,

hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.»

7Sady niteny koa ny Tompo hoe:

«Sakana va io tendrombohitra lehibe io?

Holemahin’i Zerobabela izy.

Hoesoriny avy ao ny vato

izay hatao tendron’ny tempoly

ka hantsoantsoin’ny olona hoe:

‹Mahafinaritra, mahafinaritra!› »

8Ary nisy tenin’ny TOMPO tamiko indray nanao hoe:

9«Ny tanan’i Zerobabela no nametraka

ny fanorenan’ity tempoly ity,

ary ny tanany koa no hamita azy.»

Amin’izay dia hiaiky ianareo fa ny TOMPOn’izao rehetra izao no naniraka ahy ho atỳ aminareo.

10aMisy olona manamavo ny andro

anaovana asa madinika fanombohana.

Kanefa aoka hifaly kosa ireo,

raha mahita an’i Zerôbabela

mampiasa pilao eny an-tanany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help