1Maro no nanota mba hahazoana tombony;
ary izay maniry hangoron-karena
dia tsy te hahalala zavatra hafa.
2Tahaka ny itsofohan’ny tsimaday
eo anelanelan’ny vato anankiroa
no isisihan’ny fahotana
eo anelanelan’ny mpivarotra sy mpividy.
3Izay olona tsy mifahatra mafy
amin’ny fanajana ny Tompo
dia ho rava faingana ny tranony.
Ny tenin’ny olona no manambara ny ao am-pony4Rehefa misy zavatra tantavanina,
dia tavela ny faikany;
toy izany koa no isehoan’ny kileman’olona,
rehefa misy famelaran-kevitra ataony.
5Ny fatana no isedrana ny tefin’ny mpanao vilany;
ary ny fiadian-kevitra no izahan-toetra ny olona.
6Ny voa vokariny no mampiseho
izay fomba nanolokoloana ny hazo;
toy izany koa ny lahatenin’ny olona
no mampiseho ny hevitry ny fony.
7Aza mba midera olona ianao
alohan’ny famelaran-kevitra ataony,
satria izany no izahan-toetra ny olona.
Ny fahamarinana8Raha zohînao ny fahamarinana,
dia hahatratra azy tokoa ianao
ka hitafy azy toy ny akanjom-boninahitra.
9Ny vorona mitovy karazana no miray akany;
toy izany koa ny toetra mahatoky
no hasetry an’ireo olona mahatoky.
10Manotrika mikendry remby ny liona;
toy izany koa no ikendren’ny fahotana
an’ireo olona mampihatra ny tsy rariny.
11Fahendrena mandrakariva no resaky ny olona tia vavaka;
fa miovaova hoatra ny volana kosa ny olona adala.
12Lanjalanjao ny fotoana mety
raha hankeo anivon’ny tsy manan-tsaina ianao;
fa mijanòna maharitra kosa
raha eo anivon’ny olona mpandinika ianao.
13Maharikoriko ny resaky ny olona adala
ary fanaranam-po amin’ny fahotana ny hehiny.
14Mampitsangam-bolo ny fitenin’izay fatra-mpingoso
ary mampanentsin-tadîny ny fifandirany.
15Fandatsahan-dra no iafaran’ny fifandiran’ny
mpiavonavona;
ary mankararirary ny mihaino ny fifanebatebahany.
Ny tsiambaratelo16Izay manambara ny tsiambaratelo dia tsy azo itokiana
ary tsy mba hahita sakaiza mahafa-po azy intsony.
17Tiavo ny sakaizanao ary anehoy toetra mahatoky;
fa raha manambara ny tsiambaratelony ianao,
dia aza mba midodododo any aminy intsony.
18Tahaka ny olona namoy hava-maty
no namoizanao ny fitiavan’ilay namanao;
19ary tahaka ny nandefasanao
ny vorona efa teo an-tananao
no namelanao ny sakaizanao handeha,
ka tsy hahatratra azy intsony ianao.
20Aza manjohy azy intsony, fa efa lasa lavitra izy
sady mandositra tahaka ny gazela afa-pandrika.
21Azo asiana fehim-pery ny ratra
ary azo ampihavanina ny mpifanaratsy;
fa tsy misy fanafana antenaina intsony
ho an’izay nanambara ny tsiambaratelo.
Ny fihatsarambelatsihy22Izay manakimpikimpy maso dia mamoron-teti-dratsy;
fa izay mahalala azy kosa hanalavitra azy.
23Eo imasonao izy hanao resaka mamy
sady ho talanjona amin’ny teninao;
fa ao ambadika kosa dia hivadi-bolana izy
ka hampiasa ny teninao hamandrihana anao.
24Misy zavatra maro ankahalaiko
fa indrindra io karazan-toetra io;
ary ny Tompo koa dia hankahala azy.
Ny ratsy atao no miverina25Izay manipy vato savoan-danitra
dia hitoraka ny lohany ihany;
toy izany koa ny famelezana am-pitaka
dia handratra ny nanao azy.
26Izay mihady lavaka no hilatsaka ao;
ary izay mamela-pandrika no ho voan’izany.
27Izay manao ratsy no hifoterany
ka tsy ho fantany akory izay fiavian-doza.
28Ny mpiavonavona dia mananihany sy manesoeso;
fa toy ny liona manotrika mikendry remby kosa
no iandrasan’ny famalian-dratsy azy.
29Ho voa ao anatin’ny vela-pandrika
ireo mifaly amin’ny fahavoazan’ny mpivavaka;
ka hokikisan’ny fijaliana izy
alohan’ny hahafatesany.
Lolom-po sy famelana(Jereo Ohab 20.22; 24.29; Mt 5.38-42; Rm 12.17)30Zavatra maharikoriko ihany koa
ny lolom-po amam-pahatezerana,
ka ny mpanota no anjakazakany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.