1Fahasahiranana goavana no voatendrin’Andriamanitra
hianjady amin’ny olombelona tsy an-kanavaka,
ary zioga mavesatra no manindry ireo taranak’i Adama,
hatreo amin’ny andro nivoahany tao an-kibon-dreniny
ka hatramin’ny andro hiverenany ao an-kibon’ny tany,
dia ilay tany reny iombonan’ny mananaina rehetra.
2Ny eritreretiny sy mampanahy ny fony
dia ny fiheverana ilay zavatra ampoiziny,
izany hoe ny andro fahafatesana.
3Manomboka amin’ny olona mipetraka
eo ambony sezafiandrianana be voninahitra
ka hatramin’ny ory mietry tena
ao anaty vovotany sy lavenona,
4manomboka amin’ny olona miakanjo jaky
sy manao satroboninahitra
ka hatramin’ny mitafy vorokitsay,
5dia samy azon’ny fahatezerana sy ny fialonana
mbamin’ny tebiteby sy ny fikorontanana,
samy azon’ny fatahoram-pahafatesana
mbamin’ny lolom-po sy ny fifandirana;
amin’ny fotoana ialan-tsasatra eo am-pandriana aza,
dia ny mamohafoha ny zavatra mampitebiteby azy
no ataon’ny torimaso mandritra ny alina.
6Vao miala sasatra kely tsy ampy toy inona ny olona,
dia kotranin’ny nofy miaraka amin’izay,
ka sahirana mafy toy ny amin’ny antoandro
sady ampahorîn’ny fahitana atrehin’ny fony
toy ny miaramila mandositra mitsoaka ady.
7Amin’ny fotoam-panafahana azy, dia mifoha izy
ka talanjona satria voan’ny tahotaho-poana.
8Ireto no zavatra manjo ny mananaina rehetra,
manomboka amin’ny olona ka hatramin’ny biby,
ary ny an’ny mpanota aza ho impito henin’izany:
9fahafatesana sy vonoan’olona ary fifandirana sy sabatra,
ady sy mosary ary fandringanana sy loza.
10Ireo antambo rehetra ireo dia voatendrin’Andriamanitra
mba hamaizana ny olona mpandika ny lalànany;
sady hadisoan’ny olona koa no nahatonga ny safodrano.
11Izay rehetra avy amin’ny tany
dia hiverina amin’ny tany;
ary izay avy amin’ny rano
dia hiverina any amin’ny ranomasina.
Hisy fiafarany ny tsy rariny12Ny fanaovana kolikoly sy tsy an-drariny
dia samy ho levona avokoa.
13Ny harena azon’ny olona tamin’ny tsy an-drariny
dia ho tankina tahaka ny ranon-driaka
sy hihelina tahaka ny kotrobaratra
izay manakoako mafy mandritra ny orana.
14Hifaly amin’ny loza hihatra amin’ireo ny ampahorîna;
toy izany no haharingana tanteraka
ny mpandika ny lalànan’Andriamanitra.
15Tsy ho maro fara ny taranaky ny tsy mpivavaka,
fa ho tahaka ny foto-kazo mitsipozipozy
eo ambonin’ny vatolampy mandòndona.
16Ny volotara maniry akaikin-drano eo amoron’ny ony
dia ho voaongotra alohan’ny ahitra hafa rehetra.
17Tahaka ny saha mahavokatra kosa ny soa atao;
ary hotsarovana mandrakizay ny asa fiantrana.
Ny fanajana an’Andriamanitra no harena fanaperana18Ho mamy ny fiainan’ny olona mahavita tena sy afa-miasa;
fa mamy noho ny fiainan’izy roa tonta ireo
ny an’ny olona izay mahita raki-tsoa.
19Ny manan-janaka na manorin-tanàna
no mampahateza ny lazan’ny olona;
fa mihoatra noho ireo zavatra roa tonta ireo
no anombanana ny vehivavy tsy manan-tsiny.
20Mahafaly ny fo ny divay sy ny mozika;
fa mahafaly noho izy roa tonta ireo
ny fitiavana ny fahendrena.
21Manao feo mifanaraka mahafinaritra
ny sodina sy ny lokanga;
fa mihoatra noho izy roa tonta ireo
ny lela mivolana teny mamy.
22Hafinaretana ho an’ny maso
ny bika soa sy ny endrika tsara;
fa mihoatra noho izy roa tonta ireo
ny hakanton’ny zava-maitso eny an-tsaha.
23Tafahaona amin’ny fotoana mety
ny sakaiza sy ny namany;
fa mihoatra noho ny azy roa tonta
ny fihaonan’ny vehivavy sy ny vadiny.
24Ny mpiray tampo sy ny mpanampy
dia manohana amin’ny andro fahoriana;
fa famonjena lehibe noho izy roa tonta
ny fanaovana asa fiantrana.
25Ny manana volamena sy volafotsy
dia mahamatotra ny fandeha;
fa ambony lavitra noho izy roa tonta
no hanombanana ny torohevitra tsara.
26Ny harena sy ny hery dia mampahazo toky;
fa toky mihoatra noho ny azy roa tonta
no omen’ny fanajana ny Tompo.
Tsy misy zavatra mahafaty antoka
ao anatin’ny fanajana ny Tompo;
raha eo izany, dia tsy hisy zavatra mahory
ary tsy ilaina intsony ny hitady fanampiana hafa.
27Ny fanajana ny Tompo
dia tahaka ny saha mahavokatra;
ary miaro tsaratsara kokoa izany
noho ny voninahitra isan-karazany.
Tsy mety ny manao fiaina-mpangataka28Anaka, aoka tsy ho fiaina-mpangataka no hataonao;
aleo ny ho faty toy izay ny ho mpangata-dava.
29Ny fiainan’olona manandrandra ny sakafon’ny hafa
dia tsy mba azo heverina velively ho fiainana;
fa mandoto fanahy amin’ny hanin’ny hafa izy,
kanefa zavatra tokony hofadina mihitsy izany
amin’ny olona manam-pahalalana sy tsara taiza.
30Eo am-bavan’izay tsy manan-kenatra
dia toa mamy ny sakafo nangatahiny;
fa ao an-kibony dia handoro hoatra ny afo izany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.