Jôba 30 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Valinteny farany nataon’i Jôba (tohiny):Fa ankehitriny kosa...

1Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy

ireo tanora kokoa noho izaho,

dia ny zanak’ireo olona nolaviko

tsy ho naman’ny amboa mpiandry ondriko.

2Sady inona moa no azoko andrasana

amin’izay olona efa tra-pahosana?

3Anan’ny hanoanana sy ny fahantrana izy

ka mitady hohanina any an-tany hay

izay faritra mampalahelo sady karankaina.

4Mitsongo anan-dia akaiky kirihitra izy

ary mivelona amin’ny kifakafakan-javatra.

5Voaroakan’ny mpiara-monina

ireo karazan’olona ireo

sady voakora toy ny mpangalatra,

6ka mitady fialofana eny an-tehezan-tevana,

any an-dava-johy na any an-dava-bato.

7Mivangongo anaty ambiaty izy

ka mitrena ao anaty kirihitra.

8Karazan’olona adala sy kentrina izy,

ka noroahina tamin’ny kapoka

mba hiala ny tany nonenany.

9Ary dia ny tenako indray ankehitriny

no ataon’ny taranak’ireo olona ireo an-kira

sady efa tonga ambentin-teniny hatrany.

10Maharikoriko azy aho ka halaviriny;

ary tsy menatra ny mandrora ny tavako izy.

11Fa noketrahin’Andriamanitra aho mba hangaihay,

ka nahintsan’ireo olona ireo

ny lamboridy izay nihazonako azy.

12Faikan’olona no mihahohaho eo ankavanako

ka mitady hamingana handavo ahy,

ary manangana tovon-tany hanatrarany ahy.

13Mandrava ny lalan-kalehako ireo,

ary samy miady fo hamery ahy

ka tsy mila ampiana akory amin’izany.

14Toy ny fiditra amin’ny fefy banga

no fibosesiny anaty korontana hamely ahy.

15Lasibatry ny fampitahorana aho,

ka toy ny rivotra mipaoka ny voninahitro izany;

dia nanjavona tahaka ny rahona

izay mba fanantenàko handresy.

16Ankehitriny miempo ato anatiko ny aiko

ary mangeja ahy ny androm-pahoriana.

17Ny alina mikiky ny taolako ho afaka amiko

ary ny fanaintainako tsy manam-pitsaharana.

18Naka an-keriny ny akanjoko Andriamanitra

ka manakenda ahy toy ny vozon-dobaka tery.

19Nazerany tao amin’ny fotaka aho

ka naetriny toy ny vovoka aman-davenona.

*

20Miantso Anao aho, Andriamanitra ô,

nefa tsy valianao akory;

mitsangana hivavaka eo anoloanao aho,

nefa dia jerenao fotsiny.

21Tonga masiaka amiko Ianao

ka mandrafy ahy amin’ny herinao.

22Avelanao hindaosin’ny rivotra aho

ka atambolimbolin’ny tafiotra mahery.

23Eny, fantatro fa hoentinao

any amin’ny fahafatesana aho,

dia any amin’ilay fonenana

ifamotoanan’ny olombelona rehetra.

24Kanefa nahoana Ianao no hanainga tanana

hamely izay efa mila ho trotraka,

dia ny olona tra-pahoriana

ka miantsoantso vonjy?

25Izaho kosa tsy efa nitomany

ireo niangaran’ny vintana ve aho

ary tsy efa nangoraka ny mahantra?

26Saingy mba niandrandra hasambarana aho,

kanjo sendra ny fahoriana;

ary mba nanantena ny mazava aho,

kanjo sendra ny haizina.

*

27Tsy mitsaha-mandevilevy ny tsinaiko;

androm-pahoriana no mianjady amiko.

28Mandeha amim-pisaonana aho;

tsy misy masoandro mihiratra ho ahy.

Vory vahoaka no hitsanganako

mba hiantsoantsoako vonjy.

29Ka tonga naman’ny amboadia aho

ary tonga zandrin’ny aositritsy

amin’izato feoko mampahonena.

30Mihamainty ny hoditro sady miempaka.

Mahamay sy mainan’ny tazo ireo taolako.

31Dia feo mitoreo no ataon’ny lokangako

ary feo mitomany no avoakan’ny sodiko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help