1Hidera ny tenany ny Fahendrena
ary hirehareha eo afovoan’i Israely vahoakany.
2Eo amin’ny fiangonan’ilay Avo Indrindra no hitenenany
ary eo anoloan’ny tafiky ny Tompo no hireharehany manao hoe:
3«Izaho dia nipoitra avy amin’ny vavan’ilay Avo Indrindra
ary nanarona ny tany tahaka ny etona matevina.
4Izaho dia nonina tany amin’ny toerana avo any
ary ny sezafiandrianako dia teo ambonin’ny andry rahona.
5Izaho irery no nahatety ny faribolan’ny lanitra
ary nandehandeha tao amin’ny fanambanin’ny hantsana.
6Ny onjan-dranomasina sy ny tany tontolo
ary ny vahoaka amam-pirenena isan-karazany
dia samy nananako fahefana avokoa.
7Tao amin’ireny firenena rehetra ireny
no nitadiavako toeram-pitsaharana:
Ao amin’ny faritr’iza no hitoerako?
8Dia nanome baiko ahy ilay Mpahary ny zava-drehetra
ary nampiorim-ponenana ahy Ilay nanao ahy
ka niteny hoe: «Monena ao amin’ny taranak’i Jakôba;
aoka ho ao amin’i Israely ny zarataninao!»
9Talohan’ny nanombohan’ny fotoana manam-petra
no efa nanao ahy Ilay Mpahary ny zava-drehetra;
ary tsy hitsahatra na oviana na oviana ny hisy aho.
10Nanao fanompoana teo anatrehany aho
tao amin’ny Fonena-masina,
ka dia tao Tsiôna araka izany
no fonenan-draikitra ho ahy.
11Tao amin’ilay tanàna lalainy no nampiorenany ahy
ary ao Jerosalema no iharan’ny fahefàko.
12Tao amina vahoaka manan-daza no nifotorako,
dia tao amin’ny anjaralovan’ny Tompo izany.
13Nisandratra tahaka ny sedera any Libano aho
ary tahaka ny kipresy ao amin’ny tendrombohitra Hermôna.
14Nisandratra tahaka ny antrendry tao Haîna-Gedỳ aho
ary tahaka ny tahom-bonindraozy novolena tao Jerikao;
eny, tahaka ny fototr’ôliva teo amin’ny lemaka
ary tahaka ny hazo platana tokoa no nisandratako.
15Namoaka hanitra tahaka ny kanelina aho,
hanitra tahaka ny balsamo mamerovero
ary koa tahaka ny miora voafantina,
tahaka ny galbanôma sy ôniksa mbamin’ny natafa
ary tahaka ny eton’emboka ao amin’ny Fonena-masina.
16Nisandrahaka tahaka ny hazo terebinta aho,
ka feno fiandrianana sy hatsarana ny rantsako.
17Nandefa tsiry mahafinaritra tahaka ny voaloboka aho,
ka namokatra voa marevaka sy milonjehitra ny voniko.
19Avia atỳ amiko ianareo izay maniry ahy,
ka mivokisa ny vokatra avy amiko ianareo;
20Mamy noho ny tantely ny fahatsiarovana ahy;
ary ny fananana ahy dia mahafinaritra
mihoatra noho ny mahita toho-tantely.
21Izay mihinana ahy mbola te hihinana ahy kokoa;
ary izay misotro ahy mbola hangetaheta ahy.
22Izay mihaino ahy tsy mba ho diso fanantenana
ary izay miombona asa amiko tsy mba hanota.
Ny Fahendrena sy ny Lalàn’Andriamanitra23Ireo zavatra rehetra voalaza teo ireo
dia raketin’ny bokin’ny fanekempihavanana,
izay nataon’Andriamanitra Avo Indrindra,
ilay Lalàna izay nampitain’i Mosesy tamintsika
mba ho lova ao amin’ny sinagôga
izay iangonan’ireo taranak’i Jakôba.
25Io Lalàna io no mampihanaka ny fahendrena
tahaka ny ony Pisôna na ny ony Tigra
amin’ny vaninandro lohataona.
26Io Lalàna io no mahatonga ho tondra-pahalalana
tahaka ny ony Eofrata na ny ony Jôrdàna
amin’ny vaninandro fijinjàm-bokatra.
27Io Lalàna io no mampitosaka ny fananarana
tahaka ny ony Neily na ny ony Gihôna
amin’ny vaninandro fiotazam-boaloboka.
28Ny olona voalohany nianatra ny fahendrena
dia tsy mahatapitra ny fahalalana azy;
toy izany koa ny olona farany nianatra azy
dia tsy mbola nahatakatra ny halaliny.
29Midadasika noho ny ranomasimbe ny heviny
ary lalina noho ny hantsambe ny fisainany.
30Ary izaho dia toy ny tatatra
mampiely rano avy amin’ny ony,
na tahaka ny lakan-drano
mitarika rano hankao anaty saha,
31ka hoy aho hoe: «Hotondrahako ny tanimboliko
ary hovontosako rano ny zaridainako.»
Dia indro aho ilay tatatra fa nanjary ony,
ary ilay ony nanovozako nanjary ranomasina.
32Koa tahaka ny mazavatsinanana.
no hampamirapiratako ny fananarako,
ary hanapariahako ny fahazavàny
ho tafapaka any lavitra any.
33Tahaka ny hafatry ny mpaminany
no mbola hampielezako ny fampianarako
ary hamelako izany ho lova
ho an’ireo taranaka any aoriana.
34Jereo fa tsy ho ahy irery no nikelezako aina,
fa ho an’izay rehetra mitady ny fahendrena.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.