1Dia niainga avy teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy ka niakatra nankany amin’ny tendrombohitra Nebao, eo an-tampon’i Pisgà, izay tandrifin’i Jerikao. Ary nasehon’ny TOMPO azy avokoa ilay tany: dia ny faritr’i Gilehada tafapaka hatrany Dana;
2ny faritr’i Naftalỳ manontolo; ny tanin-dry i Efraîma sy i Manase; ny tanin’i Joda manontolo tafapaka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea;
3ny faritr’i Negeba; ary, ao amin’ny lohasahan’i Jôrdàna, ny faritanin’i Jerikao (tanàna be rofia), faritany izay tafapaka hatrany Tsôhara.
4Dia hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:
–Io tany io no nampanantenaiko ombàm-pianianana tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, fony ireo nilazako hoe: «Homeko ny taranakareo ity tany ity.» Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy ho tafita eny.
5Teo no nahafatesan’i Mosesy, ilay mpanompon’ny TOMPO, dia teo amin’ny tany Môaba araka ny tenin’ny TOMPO.
6Ary nalevin’Andriamanitra teo an-dohasaha, tao amin’ny tany Môaba, tandrifin’i Bety-Pehôra izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
7Efa 120 taona i Mosesy no maty; ary tsy pahina ny masony na nihena ny heriny.
8Nitomanian’ny Israelita teo amin’ny lemak’i Môaba i Mosesy, nandritra ny telopolo andro nanatontosana ny fisaonana azy.
9I Josoa, zanakalahin’i Nona, dia feno fanahy fahendrena, satria efa nametrahan’i Mosesy tanana; ka nihaino azy ny Israelita sady nanatanteraka ny didy nampitain’ny TOMPO tamin’i Mosesy.
10Teo amin’i Israely, dia tsy mba nisy intsony mpaminany tahaka an’i Mosesy, izay fantatry ny TOMPO nifanatrika.
11Tsy manan-tsahala i Mosesy satria izy no nirahin’ny TOMPO tany Ejipta hanao famantarana sy zava-mahagaga isan-karazany teo anatrehan’ny Farao sy ny tandapany ary ny taniny manontolo;
12ary tanana ombàn-kery no nanaovan’i Mosesy an’ireny zavatra goavana sy mampahatahotra isan-karazany ireny, teo imason’ny Israelita rehetra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.