Salamo 53 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ny mpivavaka sy ilay Andriamaniny, eo anivon’ny fahalovan’izao tontolo izao(Jereo Sal 14)

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hohiraina amin’ny fomba fihira malahelohelo. Tononkalo fananarana nataon’i Davida.

2Adala izay miteny anakampo hoe:

«Tsy misy Andriamanitra!»

Maneho toetra lo sy maharikoriko ireo

sady tsy mba misy manao ny tsara.

3Avy eny an-danitra eny Andriamanitra

no miondrika hijery ny olombelona,

hizaha sao mba misy olon-kendry

izay mitady Azy tokoa.

4Fa Izy rehetra no mania,

ka samy tsy valahara avokoa;

tsy mba misy manao ny tsara,

na dia iray akory aza!

5Hoy kosa Andriamanitra hoe:

«Tena tsy mahalala mihitsy

ny mpanao ratsy rehetra

fa fitsentsefana ny vahoakako

no ataony foto-pivelomana

sady Izaho tsy antsoiny akory!»

6Indreo matahotra dia matahotra ireny

amin’ny tsy tokony hatahorany akory,

satria efa naelin’Andriamanitra

ny taolan’ny tsy mpivavaka.

Ho menatra tokoa izy ireo

satria efa narian’Andriamanitra.

7Hivoaka avy ao Tsiôna anie

ny famonjena an’i Israely,

ka hifaly sy hiravo ny taranak’i Jakôba,

dia ny vahoaka Israely tsivakivolo,

rehefa hambinin’Andriamanitra indray izy!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help