Bena-Siràka 29 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny mampisambotra

1Izay mampisambotra amin’ny namany

dia manao asa fiantrana;

ary izay manohana azy amin’ny fanampiana

dia mitandrina ny didin’Andriamanitra.

2Ampisambory vola ny namanao

amin’ny fotoam-pahasahiranany;

kanefa avereno amin’ny fotoana nifanarahanareo

ny vola nampisamboriny anao.

3Tano ny teninao ary aoka hahatoky azy ianao,

dia ho hitanao mandrakariva izay ilainao.

4Heverin’olona maro ho toy ny zavatra hitany

sy azony tahirizina ho fananany

ny zavatra izay nampisamborina azy;

ka miteraka fahasahiranana izany

ho an’ireo nanampy azy.

5Hanoroka ny tananao ny mpitrosa

ary hanao teny malefaka ny amin’ny fanananao

ambara-pahazony ny volanao;

kanjo amin’ny fotoana famerenany,

dia manao hataka andro izy

ka teny fitarainana hatrany no havaliny

ary ny andro sarotra no homeny tsiny.

6Raha mba manan-kaloa ihany ny mpitrosa,

dia zara raha ny antsasaky ny nosamboriny no azo

ka hataon’ny mpampisambotra ho vintana tsara izany.

Fa raha tsy manan-kaloa ny mpitrosa,

dia very maina ny fananan’ny mpampisambotra

ary tonga fahavalony kosa ity mpitrosa

izay hamaly azy ozona sy ompa

ary fanesoana ho solon-boninahitra.

7Koa maro no mandà tsy hampisambotra

noho izany faharatsian’ny olona izany,

fa matahotra izy sao very maina ny volany.

Ny fiantrana(Jereo 3.30-31; Tbt 12.8-9)

8Kanefa aoka ianao hahari-po amin’ny ory,

ary aza mangataka andro amin’ny fiantrana azy!

9Aoka ny didin’Andriamanitra no hamonjenao ny sahirana,

ary aza ampialanao maina izy noho ny fahantrany!

10Aoka ianao ho vonona ho very vola

hanasoavanao ny mpiray tampo aman-tsakaiza,

toy izay hamela vola ho very foana

hoharafesina ao ambanin’ny vato!

11Ampiasao araka ny didin’ilay Avo Indrindra ny harenao,

dia hahasoa anao bebe kokoa noho ny volamena izany.

12Aoka ianao hanidy ny fiantrana vitanao

ho ao anatin’ny fitahirizan-drakitrao,

fa hanafaka anao amin’ny loza isan-karazany izany;

13mihoatra noho ny ampinga mafy sy ny lefona mahery

no hiadiany hiaro anao eo anoloan’ny fahavalo.

Ny mitolo-tena ho mpiantoka(Jereo 8.13; Ohab 6.1-5)

14Ny olona tsara fo dia ho mpiantoka ny namany,

fa izay efa lany henatra ihany no handao azy.

15Aza manadino ny soa nataon’ny mpiantoka,

fa ny ainy no efa nomeny hisolo anao.

16Ny mpanota no handany foana ny haren’ny mpiantoka azy

17ary ny tsy mpankasitraka no handao izay namonjy azy.

18Ny mitolo-tena ho mpiantoka dia efa nahavery

olona maro izay niadana tsara,

ary efa nampivembena azy ireo

tahaka ny onjan-dranomasina;

nahalao monina olona manampahefana izany

ary nampirenireny azy tany amin’ny firenen-kafa.

19Dodona ny mpanota hilatsaka ho mpiantoka,

saingy fatra-pitady tombom-barotra loatra izy

ka hiharan’ny famelezana any am-pitsarana.

20Vonjeo ny namanao araka izay zakanao,

kanefa tandremo sao mamandri-tena ianao.

Aza miankina amin’ny hafa

21Ny lohalaharana amin’ny tohan’aina

dia ny rano sy ny sakafo ary ny fitafiana

mbamin’ny trano hitandroana ny haja.

22Aleo miaina mahantrahantra ao an-tranon’ny tena

toy izay sakafo mandany be any an-tranon’olon-kafa.

23Aoka hianina ianao, na be na kely anananao,

dia tsy handre ny tenanao esoina ho vahiny!

24Fiainana mampiferinaina ny mitety trano,

sady atao vahiny ianao ka tsy mahazo miloa-bava.

25Hanome hanina amam-pisotro ny tompon-trano ianao,

kanefa tsy hahazoanao fankasitrahana akory izany;

ary fanampin’izany aza ianao handre teny mangidy hoe:

26«Avia, ry vahiny, amboary ny sakafo;

ary raha manan-javatra ianao, omeo ahy hohaniko.»

27Na hoe: «Mandehana any, ry vahiny,

omeo ny mendrika azy kokoa ny toerana;

hiara-mitoetra amiko ny rahalahiko

ka mila ny tranoko aho.»

28Mafy amin’ny olona manan-tsaina ireto zavatra ireto:

dia ny fandatsana ataon’ny mpampiantrano

sy ny fanalàm-baràka ataon’ny mpampisambotra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help