1Ny mitandrina ny Lalàn’Andriamanitra,
dia mitovy amin’ny fanatitra marobe;
2ary ny miraikitra amin’ny didiny
dia toy ny manolotra sorom-pihavanana.
3Ny mankasitraka ny soa azon’ny tena
dia toy ny manao fanatitra lafarininy tsara;
4ary ny manao soa fiantrana
dia toy ny manolotra sorom-piderana.
5Ny zavatra sitraky ny Tompo
dia ny miala amin’ny ratsy;
ary toy ny sorona fanalana ny ota
ny miala amin’ny tsy fahamarinana.
6Aoka ianao tsy ho foan-tanana
no miseho eo anatrehan’ny Tompo,
7satria ireny sorona rehetra ireny
dia noho ny didiny no anaovana azy!
8Ny fanatitra ataon’ny olo-marina
dia fanatitra jabora eo amin’ny alitara,
ary miakatra eo anatrehan’ilay Avo Indrindra
ny hanitra manetona avy aminy.
9Ny sorona ataon’ny olo-marina dia sitraky ny Tompo;
ary ny fampahatsiarovana Azy tsy mba hohadinoiny.
10Manomeza voninahitra ny Tompo
amin’ny fo mahafoy be,
ary aza anesorana mihitsy
ny voaloham-bokatry ny asanao.
11Amin’ny fanatitrao isan-karazany
dia aoka ho mirana endrika ianao;
ary amin-kafaliana no anokany
ny fahafolon-karena hatolotrao.
12Araka izay nomen’ilay Avo Indrindra anao
no aoka hahafoizanao be ho Azy;
eny, araka ny azon’ny tananao
no aoka hahafoizanao be ho Azy,
13satria mpamaly soa ny Tompo
ka hamaly anao impito heny!
Mpitsara ara-drariny ny Tompo14Aza mitady hanangoly ny Tompo
amin’ny fanatitra ataonao ianao,
satria tsy horaisiny akory izany.
15Aza miantehitra amin’ny fisoronana
izay biby azonao tsy ara-drariny
satria ny Tompo no mpitsara,
ary tsy misy fizahàn-tavan’olona eo aminy.
16Tsy mba mizaha tavan’olona
hamelezany ny mahantra Izy
ary mihaino ny vavak’izay ampahorîna.
17Tsy mba hamavoiny na oviana na oviana
ny kamboty izay mitalaho aminy
na ny mpitondratena mamboraka taraina.
18Hitany tokoa ny ranomaso
mitsororoka eo amin’ny takolany;
19ary henony ny fidradradradràny
miampanga an’izay mampitomany azy.
20Izay manompo ny Tompo
dia ho raisiny amim-pitiavana;
ary ny fangatahana ataony
dia ho tafasondrotra any an-danitra
.21Ny fivavahan’ny manetry tena
no maninteraka ny lanitra,
ary tsy hiala sasatra mihitsy izy,
raha tsy mby eo akaikin’ny Tompo izany;
tsy hitsahatra mivavaka izy,
raha tsy efa mitsinjo azy ny Avo Indrindra
22ka nanome rariny ny olo-marina
sy namoaka ny didim-pitsarany.
Tsy hiandry ela hamaly vavaka ny Tompo
sady tsy handefitra amin’ireo mpampahory
mandra-panorotorony ny valahany
satria olona tsy manam-piantrana ireo.
23Hiharan’ny famaizan’ny Tompo ireo hafa firenena
mandra-pandringany ny mpiavonavona marobe
sy hanapotehany ny fanjakan’ireo mpanao tsy an-drariny,
24mandra-pamaliany ny olona araka ny nataony avy
sy hamaliany ny asan’ny olona araka ny nokasainy avy,
25mandra-pandrainy an-tanana ny adin’ilay vahoakany
ary hampifaliany azy amin’ny famindrampony.
26Tsara fiavy ny famindrampon’ny Tompo
amin’ny androm-pahoriana,
tahaka ny fiavin’ny rahona mitondra orana
amin’ny fotoana main-tany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.