1Ren’i Joda Makabeo ny laza nananan’ny Rômanina fa hoe mahery an’ady ireo, manisy soa an’izay rehetra miandany aminy, ary manao fihavanana amin’izay rehetra manatona azy. Eny, mahery an’ady tokoa ireo
2fa notantarain’olona tamin’i Joda ny ady nataony sy ny herim-po nasehony tany amin’ny Gôloà izay nampanekeny azy sy tongany mpandoa hetra ho azy.
3Teo koa izay rehetra vitan’ny Rômanina tany Espaina mba hahazoany ny toerana fihadiam-bolamena sy volafotsy tao;
4ny fahamalinana amam-paharetany no nampanekeny manontolo io tany io, na dia lavitra an’i Rôma tokoa aza. Nataony toy izany koa ny mpanjaka avy tany am-paravazan-tany tonga nanafika azy; noreseny sy nampitondrainy faisana ireny, ary ny sisa velona kosa nampandoaviny hetra ho azy isan-taona.
5Resiny an’ady sy nampanekeny azy avokoa i Filipo sy i Persea mpanjaka masedônianina mbamin’izay nandray fiadiana hamely azy.
6Resin’ny Rômanina koa i Antiôkôsa Lehibe mpanjakan’i Azia, izay tonga hiady taminy, nitondra elefanta 120, mpitaingin-tsoavaly, kalesy ary tafika goavana tokoa:
7Nataony sambo-belona ilay io, dia notereny handoa hetra be dia be ho azy ny tenany mbamin’ny dimbiny sady hametraka olona ho antoka.
8Farany notereny izy hamoy ny ampahan’ny taniny, dia i India sy i Media ary i Lidia mbamin’ny faritany sasany tsara indrindra; ka rehefa voarain’ny Rômanina avy amin’i Antiôkôsa Lehibe ireo dia natolony ho an’i Eomena mpanjaka.
9Nanapa-kevitra hamely sy handrava ny Rômanina ny Grika; fa nony nandre izany ireo,
10dia naniraka jeneraly iray monja hamely azy, ary niady taminy ka be no matiny; dia nobaboiny ny vady aman-janany, norobainy ny fananany, nampanekeny ny taniny, noravany ny mandany ary nandevoziny mandraka androany ny mponina.
11Ny fanjakana hafa rehetra mbamin’ny nosy, izay nanohitra ny Rômanina, dia noravany sy nampanekeny avokoa; fa izay sakaizany sy izay nametra-pitokiana taminy kosa dia nitandroany fihavanana.
12Nampaneken’ny Rômanina ireo mpanjaka na ny akaiky na ny lavitra azy, ary natahotra azy avokoa izay nandre ny lazany.
13Izay rehetra tiany hampiana sy homem-panjakana, dia manjaka; izay tiany halàm-pahefana kosa dia alany; nahery dia nahery ny Rômanina.
14Na eo aza izany rehetra izany, tsy mba nisy nisatroka satroboninahitra izy na nitafy jaky hanambony tena;
15namorona antenimieran-doholona nisy solotena 320 lahy izy, ka isan’andro ireo loholona ireo no miara-nidinika sy mikarakara tsy tapaka ny raharaham-bahoaka mba ho fanasoavana azy.
16Lehilahy iray no ametrahany ny fahefana isan-taona mba hifehy azy Rômanina sy hanapaka ny fanjakany manontolo; dia samy manaiky izany lehilahy iray izany ny besinimaro, ary tsy mba misy fitsiriritana na fialonana eo aminy.
Nanao fifanekena tamin’ny Rômanina ny Jiosy17I Eopôlema zanakalahin’i Jôhany sady zafin’i Hakôsa ary koa i Jasôna zanakalahin’i Elehazara no voafidin’i Joda Makabeo sy nirahiny ho any Roma mba hamitrana fisakaizana sy fifarimbonana amin’ny Rômanina.
18Ny zava-kendren’i Joda dia ny hanafahana ny Jiosy amin’ny jioga, satria hitan’ny Rômanina ny fanandevozan’ny fanjakana grika an’i Israely.
19Dia lasa nankany Rôma i Eopôlema sy i Jasôna, nandeha lalan-davitra dia lavitra. Nony tafiditra teo anoloan’ny antenimieran-doholona izy roa lahy, dia nandaha-teny toy izao:
20–Naniraka anay ho aty aminareo i Joda Makabeo sy ireo rahalahiny mbamin’ny vahoaka jiosy hamitrana fifarimbonana sy fihavanana aminareo, ka ho voasoratra ho anisan’ny mpifarimbona aminareo sy sakaizanareo.
21Dia nankatoavin’ireo loholona izany fangatahana izany;
22ka ny kopian’ny fifanekena nosoratan’ny Rômanina tamin’ny takelaka halimo sy nalefany ho any Jerosalema, mba hampahatsiarovana amin’ny Jiosy izany famitranam-pihavanana sy fifarimbonana izany, dia toy izao:
23–Hambinina mandrakizay anie ny Rômanina sy ny firenena jiosy, na an-dranomasina na an-tanety! Ho lavitra azy roa tonta anie ny sabatra amam-pahavalo!
24Raha misy ady atao hamelezana ny Rômanina aloha na ny anankiray amin’ireo firenena mpifarimbona aminy, ao anatin’ny fanjakany manontolo,
25dia hazoto fo hifarimbona aminy tokoa ny firenena jiosy, araka izay takîn’ny toe-javatra aminy.
26Ka izay mpamely ny Rômanina dia tsy homen’ny Jiosy na hampindraminy vary na fiadiana na vola na sambo, araka izay tinapak’i Rôma; ary hotanterahin’ny Jiosy ny zavatra nekeny, ka tsy handraisany setriny na inona na inona izany.
27Toraka izany koa, raha misy ady apoaka hamelezana ny firenena jiosy aloha, dia hazoto fanahy hifarimbona aminy tokoa ny Rômanina, araka izay takin’ny toe-javatra aminy.
28Tsy homen’ny Rômanina vary na fiadiana na vola na sambo ireo fahavalon’ny Jiosy, araka izay tinapak’i Rôma; ary hotanterahiny amin-kitsimpo ny zavatra nekeny.
29Araka izany rindran-teny izany no nanaovan’ny Rômanina fifanarahana tamin’ny vahoaka jiosy.
30Any aoriana, raha misy te hanampy na hanala amin’izany izy roa tonta, dia azony atao araka izay tiany izany; ka hanan-kery izay zavatra nanampy na nalana.
31Ny amin’ny fampahoriana nafitsok’i Demetry mpanjaka tamin’ny Jiosy kosa dia nanoratra ho any amin’io izahay nanao hoe: «Nahoana no ampitondrainao fampahoriana mavesatra ny Jiosy sakaizanay sy mpifarimbona aminay.
32Raha mbola torîny aminay indray àry ianao, dia hiaro ny rariny ananany izahay ary hiady aminao na an-dranomasina na an-tanety.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.