1Mampahia olona ny tsy fahitàn-tory ateraky ny harena;
ary manala torimaso rahateo koa ny fanahiana azy.
2Na dia ny ho rendremana fotsiny aza
dia sakanan’ny ahiahim-piambenana
mova tsy ny aretina mafy
mampandositra torimaso.
3Milofo hampiavosa fananana ny mpanankarena;
ary, rehefa miala sasatra izy, dia mivoky fahafinaretana.
4Milofo hiaina mitsitsy foana ny mahantra;
ary, rehefa miala sasatra izy, dia manjary sahirana.
5Izay tia volamena dia tsy ialam-pahotana;
ary izay fatra-pitady tombony
dia hoentin’izany ho amin’ny lala-mania.
6Betsaka no efa natolotra ho rava
noho ny fankamamiam-bolamena,
ary tonga teo anoloan’ireo ny fahaverezana;
7satria fandrika tokoa ny volamena
ho an’ireo olona fatra-pitady azy
ary ny tsy misaina rehetra dia voaringany.
8Sambatra ny mpanankarena izay hita tsy manan-tsiny
ary tsy mba nidodododo nitady volamena:
9Iza moa izy mba hankalazantsika azy hoe sambatra?
Fa nanao fitondrantena mahagaga izy
teo anivon’ireo olona iray karazana aminy.
10Iza no efa nozahan-toetra ny amin’izany
ka nahatozo hatramin’ny farany?
Ho foto-pireharehana ho azy tokoa izany!
Iza no afa-nandika ny lalànan’Andriamanitra
na koa afa-nanao ratsy, kanefa tsy nanao?
11Dia ho voaorina mafy ny fananany,
ary hotanisaina eo am-pivoriana ny fiantràny.
Ny fanasam-be12Raha tafapetraka anoloan’ny latabatra be zava-tsoa,
dia aza mitanatana vava ny amin’izany ianao
ka ho loa-bolana hoe: «Sakafo be tokoa ireto!»
13Aza hadinoina fa toe-dratsy ny manana maso liana.
Fa inona moa no zava-boaary ratsy kokoa noho ny maso?
Izany no itomaniany amin’ny toe-javatra isan-karazany.
14Aoka ny tananao tsy hatsotranao
amin’izay sakafo efa voatilin’ny mpifanila aminao,
fandrao hifandona ao amin’ny loviabe ny tananareo!
15Aoka ho hainao vinanîna ny fanirian’ny namanao;
ka amim-pisainana no anaovy ny fihetsikao rehetra.
16Hano amim-pahalalam-pomba
ny zavatra aroso eo anoloanao;
ary aza misamontsamona ianao,
fandrao dia hamparikoriko ny olona.
17Aoka hitsahatra voalohany ianao
noho ny maha tsara taiza anao;
ary aza dia miseho ho tsy afa-po,
fandrao mahasosotra olona ianao.
18Raha tafapetraka hisakafo miaraka amin’ny maro ianao,
dia aoka tsy hanatsotra tanana handray alohan’ny hafa!
19Zavatra kely monja dia ampy ho an’ny olona tsara taiza:
izany no tsy mahasempotsempotra azy eo am-pandriany.
20Izay misakafo mahalala onony
dia ombàn’ny torimaso mahasoa;
mifoha maraina izy sady mavitri-tsaina.
fa an’izay tsy mahalala voky kosa
ny fijaliana vokatry ny tsy fahitàn-tory,
ary koa ny fandoavana sy ny areti-mandalo.
21Raha noterena hihinam-be loatra ianao,
dia mitsangàna ka mandehana mandoa,
ary hahazo fahamaivamaivanana ianao.
22Anaka, henoy ange aho ary aza vingavingainao,
dia ho hitanao any amparany any fa marina ny teniko:
mahalalà onony amin’izay rehetra ataonao,
dia tsy hisy aretina hianjady aminao.
23Izay malala-tanana amin’ny fanasana ataony
dia hodokafan’ny vavan’ny olona rehetra,
ka izany no porofo azo antoka fa nahafoy be izy.
24Izay mahihitra amin’ny fanasana ataony
dia himonomononan’ny iray tanàna,
ka izany no porofo mitombina fa mahihitra izy.
Ny divay(Jereo Sal 104.15; Ohab 20.1; Kôh 10.19; Is 5.22)25Aza manao dontolahy amin’ny divay,
satria efa nahavery olona maro izy io.
26Ny lafaoro no isedrana ny hamafin’ny vy haofana;
toy izany koa ny divay no izahan-toetra ny fo,
rehefa mifanditra ny samy mpiavonavona.
27Tahaka ny aina ho an’ny olona ny divay,
raha sotroiny araka ny tokony ho fatrany.
Fiainana inona moa no an’izay tsy manan-divay?
Satria ny hifalian’ny olona no nahariana azy.
28Maharavo ny fo sy mahafaly ny fanahy ny divay,
raha sotroina amin’ny fotoana mety sy amin’ny antonony.
29Toetra masiaka kosa no ateraky ny divay nosotroina tafahoatra,
fa sady mampitabataba olona no mampivembena azy.
30Ny fihetseham-pon’ny olona tsy misaina
dia ampitomboin’ny hamamoana haningotra azy;
sady mampihena ny heriny izany
no mahatonga fandratrana azy.
31Amin’ny fanasana itosahan’ny divay,
dia aza mandevilevy namana ianao
na mamingavinga azy ao anatin’ny fifaliany;
aza anaovanao teny fanalàm-baràka izy
ary aza terenao amin’ny fitakian-trosa.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.