1 Mpanjaka Sava lalana - Malagasy Bible Interconfessionelle

Sava lalana Tany am-piandohany dia boky tokana ihany ny boky Mpanjaka voalohany sy faharoa, izay tohin’ny tantaran’ny boky Samoela voalohany sy faharoa. Amin’izao fizarany ankehitriny izao, ny 1 Mpanjaka dia mitantara ny fanjakan’i Salômôna zanakalahin’i Davida sy ireo mpandimby azy voalohany.

Rehefa antitra be tsy nahatondra ara-dalàna intsony ny fanjakana i Davida, dia nioko izay handimbiasana azy ny anankiroa tamin’ireo zanany lahy (1.1–2.12). Tamin’ny farany anefa dia i Salômôna ihany no tonga mpanjaka. Ny fanaovana ny Tempoly sy ny lapan’andriamanjaka no tena nanamarika ny fanjakany. Nampalahelo anefa izy fa fivadihana tamin’Andriamanitra sy fanompoan-tsampy (2.13–11.43) no niafaran’ny fiainany. Noho izany dia navelan’Andriamanitra hivaky ny fanjakana, fa ireo foko tao Avaratra dia tsy nety hankatò ny fahefàn’ny zanakalahin’i Salômôna fa nanaraka mpanjaka hafa (12.1–14.20). Nanomboka teo no nisian’ny fanjakana roa nifanila, dia ny fanjakana Joda sy Israely; naharitra taonjato roa teo ho eo izany, ka indraindray niara-dia ireo, indraindray kosa nifandrafy (14.21–22.53).

Ity boky ity dia manindry mafy ny tsy maintsy hankatoavan’ny mpanjaka an’Andriamanitra; izany ihany no loharanom-pahasambarana ho an’ny firenena, fa ny fanompoan-tsampy sy ny tsy fanekena an’Andriamanitra kosa dia tsy maintsy mitera-doza. Mpaminany maro no nijoro tamin’ny fotoana samihafa nampahatsiahy ny mpanjaka izany zavatra takîn’Andriamanitra izany; ny malaza indrindra tamin’ireny dia i Elià (toko 17–19; 21).

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help