Salamo 29 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Ambaran’ny kotro-baratra ny herin’ny Tompo

1 Salamo nataon’i Davida.

Ianareo anjely, tolory haja ny TOMPO,

eny, tolory haja IZY fa be voninahitra sy hery;

2Atolory AZY ny voninahitry ny anarany,

ka dia miankohofa eo anatrehan’ny TOMPO

rehefa miseho ny fahamasinany.

3Andriamanitra be voninahitra

no mampikotrokotroka ny orana;

mitrena eny ambony rano ny feon’ny TOMPO:

ny TOMPO no manapaka eny ambony ranobe.

4Midoboka mafy ny feon’ny TOMPO,

satria heni-pahefana sy be fiandrianana IZY.

5Mandripaka hazo sedera ny feon’ny TOMPO:

eny, ripaky ny TOMPO ireo sederan’i Libano.

6Ampitroariny toa zanak’omby

ny tendrombohitr’i Libano;

ampitroariny toa vantotr’ombimanga

ny tendrombohitr’i Hermôna.

7Mampitselaka ny tselatra ny feon’ny TOMPO.

8Mampihovotra ny taniefitra ny feon’ny TOMPO;

eny, ny TOMPO no mampihovotra ny taniefitr’i Kedesa.

9Mampangovitra ny ôaka ny feon’ny TOMPO

ary mampihintsan-dravina ny ala be.

Ny ao an-dapan’ny Tompo samy manao hoe:

«Voninahitra anie ho an’Andriamanitra!»

10Ny TOMPO no mitoetra ho mpifehy

na dia ny rano tsy hita faritra aza;

mitoetra ho mpanjaka mandrakizay IZY.

11Homen’ny TOMPO hery anie ny vahoakany

ka dia hotahîny hombam-piadanana!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help