1«Izao no ho tonga any aoriana any:
Ny tendrombohitra misy ilay tempolin’ny TOMPO
dia haorina mafy ho faratampon’ny tendrombohitra,
sy hanerinerina ambonin’ny havoana;
ka vahoaka no hitanjozotra ho any.
2Maro ny firenena hankany ka hilaza hoe:
Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny TOMPO,
any an-tempolin’ilay Andriamanitr’i Jakôba.
Hampianariny antsika ny lalana soritany,
ka harahintsika izay atorony.
Fa avy any Tsiôna no ivoahan’ny fampianaran’ny TOMPO;
avy any Jerosalema no ipoiran’ny teniny.
3Hitsara eo anivon’ny firenena maro Izy
ary handresy lahatra ny firenena matanjaka,
na ny akaiky na ny lavitra.
Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny
ary ny lefony ho antsy fijinjana.
Tsy hifamely amin’ny sabatra ny asany firenena,
ary tsy hianatra ady intsony.
4Ny olona samy hipetraka eo anivon’ny voalobony
sy aviaviny
ka tsy hisy hampahatahotra azy.»
Ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao,
no mampanantena izany.
5Ny firenen-kafa rehetra
samy mankato ny andriamaniny avy;
fa isika kosa mankatò ny TOMPO Andriamanitsika,
mandrakizay doria.
Ny Tompo no mpanjaka ao Jerosalema6Hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe:
«Amin’izany andro izany
dia hangoniko indray ny saozanina,
hovorîko indray izay niely sy nampahorîko.
7Ny saozanina sisa tavela hataoko mahery,
ireo voasesitany hataoko firenena matanjaka.
Ka Izaho TOMPO no hanjaka aminy
ao an-tendrombohitra Tsiôna,
hatrizao ka ho mandrakizay.
8Ary ianao, ry tendrombohitra Tsiôna
izay mitsinjo ny vahoaka toy ny tilikambo fiambenana,
haverina aminao ny fahefana taloha;
ho renivohi-panjakana indray i Jerosalema.»
Fitsapana sy fanavotana an’i Jerosalema9Nahoana kosa no mitaraina mafy ianareo,
ry mponin’i Jerosalema?
Fa angaha tsy misy mpanjaka ao aminareo?
Sa maty ireo mpanolo-tsainareo
no dia manaintaina
toy ny vehivavy miteraka ianareo?
10–Aoka ianareo hanaintaina sy hitaraindraina
toy ny vehivavy miteraka,
ry mponina ao Tsiôna!
Satria ankehitriny dia hivoaka ny tanàna ianareo
ka hitoby any an-tsaha
ary handeha hatrany Babilôna.
Any no hanafahana anareo;
any no hanavotan’ny TOMPO anareo
avy eo am-pelatanan’ny fahavalonareo.
11Ary ankehitriny efa nangoniko hamely anareo
ny firenena maro izay miteny hoe:
«Aoka ho afa-baràka i Tsiôna
ary aoka isika hijery ny faharavàny!»
12Kanjo tsy fantatr’ireny ny hevitry ny TOMPO,
tsy takany ny fikasany,
dia ny nanangonany azy tahaka ny amboara
ao am-pamoloana hivelezana azy.
13«Mitsangàna ka miveleza, ry mponina ao Tsiôna.
Fa hataoko mahery ianareo,
toy ny omby misy tandroka vy
sy manan-kitro varahina,
ka hanorotoro firenena maro.
Ary ny harena voaangony ankeriny
dia hatokanareo ho Ahy TOMPO,
Izay tompon’ny tany tontolo.»
14Ankehitriny aloha, asio tombokavatsa ny tenanareo
mba ho mariky ny fisaonana,
ry mponin’i Jerosalema
izay manangona ny andia-miaramilanareo;
fa ataon’ny fahavalo fahirano ianareo,
ary dia hokapohiny amin’ny tsorakazo
ny takolan’ilay mpitsaran’i Israely.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.