1Fitanisana ny razan’i Jesoa Kristy, taranak’i Davida, dia i Davida taranak’i Abrahama.
2I Abrahama no ray niteraka an’i Itsehàka, i Itsehàka, ray niteraka an’i Jakôba; i Jakôba, ray niteraka an’i Joda mirahalahy avy.
3I Joda, ray niteraka an’i Farèsa sy i Zara (ary dia i Tamara no renin’izy roa lahy); i Farèsa, ray niteraka an’i Hesrôna; i Hesrôna, ray niteraka an’i Arama.
4I Arama, ray niteraka an’i Haminadàba; i Haminadàba, ray niteraka an’i Nahasôna; i Nahasôna, ray niteraka an’i Salmôna.
5I Salmôna, ray niteraka an’i Bôhaza (ary dia i Rahaba no reniny); i Bôhaza, ray niteraka an’i Ôbeda (ary i Rota no reniny); i Ôbeda, ray niteraka an’i Jisay;
6i Jisay, ray niteraka an’i Davida mpanjaka.
I Davida kosa no ray niteraka an’i Salômôna (ary dia ny vadin’i Orià no reniny);
7i Salômôna, ray niteraka an’i Rehabohàma; i Rehabohàma, ray niteraka an’i Abià; i Abià, ray niteraka an’i Asà.
8I Asà, ray niteraka an’i Jôsafata; i Jôsafata, ray niteraka an’i Jôrama; i Jôrama, ray niteraka an’i Ozià.
9I Ozià, ray niteraka an’i Jôtama; i Jôtama, ray niteraka an’i Ahaza; i Ahaza, ray niteraka an’i Hezekià.
10I Hezekià, ray niteraka an’i Manase; i Manase, ray niteraka an’i Amôna; i Amôna, ray niteraka an’i Jôsià.
11I Jôsià, ray niteraka an’i Jekônià mirahalahy avy. Tamin’izany no nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna.
12Taorian’ny nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna kosa dia izao: i Jekônià no ray niteraka an’i Sealtièla; i Sealtièla, ray niteraka an’i Zerobabèla.
13I Zerobabèla, ray niteraka an’i Abihoda; i Abihoda, ray niteraka an’i Eliakîma; i Eliakîma, ray niteraka an’i Azôra.
14I Azôra, ray niteraka an’i Sadôka; i Sadôka, ray niteraka an’i Akima; i Akima, ray niteraka an’i Elihoda.
15I Elihoda, ray niteraka an’i Eleazara; i Eleazara, ray niteraka an’i Matàna; i Matàna, ray niteraka an’i Jakôba.
16I Jakôba, ray niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria; ary dia i Maria no reny niteraka an’i Jesoa, ilay atao hoe Mesia.
17Koa 14 izany no isan’ny taranaka rehetra hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida; 14 koa hatramin’i Davida ka hatramin’ny nahababo ny vahoaka israelita tany Babilôna ka hatramin’ny Mesia.
Zanak’i Jôsefa sady Andriamanitra miaraka amintsika i Jesoa(Jereo Lk 2.1-7)18Toy izao no nahaterahan’i Jesoa Kristy. Efa fofombadin’i Jôsefa i Maria renin’i Jesoa tamin’izay; raha mbola tsy niray trano anefa izy roa dia hita fa nitoe-jaza i Maria noho ny asan’ny Fanahy Masina.
19Olo-marina i Jôsefa vadiny, ka tsy te hanala baràka azy, fa nikasa hametraka azy mangingina.
20Raha mbola nieritreritra izany izy, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy ka nilazany hoe:
–Ry Jôsefa taranak’i Davida ô, aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao! Noho ny asan’ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy.
21Ary ho tera-dahy izy ka i Jesoa no anarana hiantsoanao ny zaza: fa io zaza io no hamonjy ny vahoakany ho afaka amin’ny fahotany.
22Izany rehetra izany no tonga dia mba ho tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe:
23«Indro hitoe-jaza ny virijiny ka ho tera-dahy;
ary ny anarana hiantsoana ny zaza dia Himanoela,»
(izany hoe «miaraka amintsika Andriamanitra»).
24Vao nifoha maraina i Jôsefa dia nanatontosa izay nandidian’ilay anjelin’ny Tompo azy, ka nampakatra an’i Maria vadiny.
25Tsy niray tamin’i Maria i Jôsefa mandra-pahatera-dahy an’i Maria; ary i Jesoa no anarana niantsoan’i Jôsefa ny zaza.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.