1 Makabeo 15 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Nanoratra taratasy tamin’i Simôna i Antiôkôsa VII

1Avy teo amin’ireo nosy grika no nandefasan’i Antiôkôsa zanakalahin’i Demetry taratasy ho an’i Simôna mpisorombe sy mpifehy ny Jiosy ary koa ho an’ny firenena manontolo.

2Io taratasy io dia mirakitra izao hafatra izao:

–Izaho Antiôkôsa mpanjaka no manoratra aminareo sy miarahaba anareo, ry Simôna mpisorombe sy mpifehy ary koa ry firenena jiosy.

3Noho ny nahazoan’ireo olon-dratsy ny fanjakana’ny razako, dia tiako ny haka azy indray, mba hamerenako azy amin’ny toetrany taloha. Ka efa namory miaramila betsaka aho sy nanomana sambo mpiady maro;

4ary nikendry hiantsona ao amin’izany tany izany aho ka hiakatra hamaly ny ratsy nataon’ireo olona nandringana azy sy nandrava tanàna maro be teo amin’io fanjakako io.

5Hamafisiko aminao indray ankehitriny, ry Simôna, ny fanafoanan-ketra rehetra neken’ireo mpanjaka talohako mbamin’ny tombontsoa hafa rehetra nomeny anao.

6Omeko lalana ianao hanefy vola misy ny sarinao ka hanan-kery amin’ny taninao.

7Aoka hizaka tena i Jerosalema sy ny tempoly; ary aoka hipetraka ho fanananao avokoa ny fiadiana voaangonao sy ny tanànamimanda naorinao sady mbola tazoninao.

8Manomboka izao no mankany koa ianao dia afahana amin’ny zavatra rehetra tsy maintsy aloa na mbola haloa ho an’ny tahirin’ny mpanjaka.

9Rehefa ho azoko indray ny fanjakako, dia homeko voninahitra lehibe ny tenanao sy ny firenenao ary ny tempolin’i Jerosalema, ka hiharihary amin’izao tontolo izao ny voninahitrareo.

Nataon’i Antiôkôsa VII fahirano tao Dôrà i Trifôna

10Tamin’ny taona faha-174 dia niainga ho any an-tanindrazana i Antiôkôsa; ary nirohotra nomba azy avokoa ny miaramila, hany ka olom-bitsy no sisa tafajanona teo amin’i Trifôna

11Nenjehin’i Antiôkôsa àry i Trifôna, ka niezaka nandositra nankany Dôrà, teo amoron-dranomasina;

12tsapan’i Trifôna manko fa zava-dratsy maro no mivangongo aminy, sady ny tafiny rahateo nandao azy.

13Tonga nitoby teo anoloan’i Dorà kosa i Antiôkôsa nitondra mpiantafika nisy andiany 12 ary mpitaingin-tsoavaly nisy andiany valo.

14Notemeriny ny tanàna, sady nanatona avy any an-dranomasina koa ny sambo; ary voateriny an-tanety sy an-dranomasina ny mponin’i Dôrà, ka tsy nisy navelany hiditra na hivoaka ny tanàna.

Fanavaozana ny fanekempihavanana tamin’i Rôma

15Tamin’izany no tafaverina avy any Rôma i Nomeniôsa sy ireo nanaraka azy, nitondra taratasy ho an’ny mpanjaka sy ho an’ny faritany maro, dia taratasy nirakitra izao teny izao:

16–Izaho Losiôsa, mpifehy ny Rômanina, dia manoratra ho anao sy miarahaba anao, ry Ptôlemeo.

17Tonga tatỳ aminay ny masoivoho jiosy, izay sakaizanay sy mpiara-miasa aminay. I Simôna mpisorombe mbamin’ny vahoaka jiosy no naniraka azy hanavao ny fisakaizana sy fiaraha-miasa natao taloha.

18Nitondra ampinga volamena nilanja 44 kilao ireo iraka ireo.

19Noho izany, sitrakay ny manorata taratasy ho an’ny mpanjaka sy ho an’ny faritany maro mba tsy hanahirana ny Jiosy na hiady aminy, na hamely ny tanànany sy ny fireneny, na koa hanampy an’izay miady aminy.

20Nohevirinay fa mety ny handraisanay izany ampinga natolotry ny Jiosy izany.

21Koa raha misy olon-dratsy nitsoa-ponenana niala tao Jodea ka tonga atỳ aminareo, dia atolory an’i Simôna mpisorombe izay hofaiziny araka ny lalànany.

22Izany taratasy izany dia nalefa koa ho an’i Demetry mpanjaka sy ho an’i Atala ary ho an’i Ariarata sy ho an’i Arsaky.

23Nandefasana azy koa ireto faritany rehetra ireto, dia i Sampsame, i Sparta, i Delôsa, i Mindôsa, i Sisiôna, i Karia, i Samo, i Pamfilia, i Lisia, i Halikarnasy, i Rôda, i Faselida, i Kôsy, i Side, i Arado, i Gôrtina, i Knido, i Sipra, ary i Sirena.

24Ny kopian’izany taratasy izany dia nalefa koa tamin’i Simôna mpisorombe.

Nofoanan’i Antiôkôsa VII ny fifanekeny tamin’i Simôna

25Mbola teo amin’ny zana-bohitr’i Dôrà i Antiôkôsa mpanjaka no nitoby nanao fahirano an’io tanàna io; ka narosony hatrany ny miaramilany hamely an’i Dôrà sady namboatra milina fandrobahan-drindrina izy. Voahidin’i Antiôkôsa tao i Trifôna, ka tsy nisy olona afa-niditra na nivoaka ny tanàna.

26Tamin’izay i Simôna no nandefa fanampiana ho any amin’ny mpanjaka, dia miaramila voafantina andiany anankiroa mbamin’ny volafotsy sy volamena ary koa fitaovana be ihany.

27Tsy vitan’ny hoe tsy nety nandray izany i Antiôkôsa, fa nofoanany koa ny fifanekena rehetra nataony taloha tamin’i Simôna sady nihatahany izy.

28I Atenôby, anankiray amin’ireo «sakaizan’ny mpanjaka», no nirahin’i Antiôkôsa mba hampita amin’i Simôna izao teny izao:

–Ianareo efa mitana an’i Jôpa sy i Gezera ary ny toera-mafin’i Jerosalema; samy tanàna anisan’ny fanjakako ireo,

29saingy noravanareo ny faritra manodidina azy. Zavatra betsaka ihany koa no simbanareo teo amin’ny tany ary toerana maro anisan’ny fanjakako no lasanareo.

30Koa ankehitriny, avereno amiko ny tanàna nalainareo ary efao amiko ny hetran’ny toerana lasanareo ivelan’ny faritanin’i Jodea.

31Raha lavinareo ny hanao izany, dia manomeza ianareo volafotsy 1 300 kilao ho solon’ireo tanàna ireo, ary volafotsy toraka izany koa ho setrin’ny fanimbana nataonareo sy ny hetra tandrifin’ireo tanàna ireo. Fa raha tsy izany, dia ho avy hiady aminareo izahay.

32Rehefa tonga tany Jerosalema i Atenôby, «sakaizan’ny mpanjaka», dia gaga tokoa nahita ny firentirentin’i Simôna sy ny lalimoara feno fanaka volamena amam-bolafotsy ary ny fitaovana marevaka nananany. Nampitain’i Atenôby ny tenin’ny mpanjaka,

33fa novalian’i Simôna hoe:

–Tsy naka tanin’olon-kafa izahay na nahalasa zavatr’olona; fa ny lovan-drazanay, izay voatanan’ny fahavalonay nandritra ny fotoana vitsivitsy, no nalainay.

34Nanararaotra fotoana manambina izahay mba hahazoana ny lovan-drazanay.

35Ary raha ny amin’i Jôpa sy i Gezera izay takînao, dia nanisy ratsy be loatra ny firenenay sy ny taninay ireo tanàna roa ireo, kanefa hanome volafotsy 2 600 kilao ihany izahay ho solon’ireo tanàna ireo.

Tsy namaly i Atenôby na indraim-bava aza,

36fa lasa niverina an-katezerana ho any amin’ny mpanjaka. Dia nolazainy tamin’i Antiôkôsa ny valinteny azony sy ny firentirentin’i Simôna mbamin’ny zavatra rehetra hitany; ka nahatezitra mafy ny mpanjaka izany.

Notafihin’ny jeneraly Kendebeo i Jodea

37Niondrana an-tsambo kosa i Trifôna ka nandositra ho any Ortôsià.

38Ka dia i Kendebeo no notendren’ny mpanjaka Antiôkôsa ho komandin-tafika teo amin’ny faritra amoron-dranomasina sady nomeny miaramila an-tongotra sy an-tsoavaly.

39Ary nodidian’i Antiôkôsa izy hiorin-toby tandrifin’i Jodea ary koa hanorina indray ny tanàna Kedrôna sy hanamafy ny vavahadiny mba hahazoana miady amin’ny vahoaka jiosy.

40Dia nankany Jamnià i Kendebeo ka nanomboka nanelingelina ny Jiosy, fa nitsofotsofoka tao Jodea sy nanao sambo-belona na namono nahafaty olona.

41Naoriny indray i Kedrôna, dia nametrahany miaramila an-tongotra sy an-tsoavaly, izay hivoaka hisafo eny an-dalamben’i Jodea araka ny nandidian’ny mpanjaka azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help