Salamo 33 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Fiderana an’Andriamanitra mpahary sy mpamonjy

1Manaova horakora-pihobiana, ry olo-marina,

noho ny amin’izay nataon’ny TOMPO;

fa tombontsoa ho anareo

ny midera Azy, ry olo-mahitsy.

2Miderà ny TOMPO amin’ny lokanga;

ka salamo arahim-baliha torifolo

no ataovy ho fankalazana Azy.

3Mihirà hira vaovao ho Azy.

Manaova feon-java-maneno kanto

miaraka amin’ny fihobiana.

4Fa mahitsy ny tenin’ny TOMPO

ka azo antoka avokoa izay ataony.

5Ny rariny sy ny hitsiny lalainy;

ny fitiavany manenika ny tany.

6Nandidy ny TOMPO, dia vita ny lanitra;

niteny Izy, dia ary ny planeta sy ny kintana.

7Angoniny sy fefeny ny rano an-dranomasina

ataony am-pitahirizana azy ny rano lalimbe.

8Hatahotra ny TOMPO anie ny tany tontolo;

hangovitra eo anatrehany anie

ny mponina rehetra ao aminy!

9Fa niteny Izy, dia tonga izay voalazany;

nandidy Izy, dia nisy avy hatrany ireny.

10Ny TOMPO maharava ny fikasan’ny firenena

ary mahasakana ny hevitry ny vahoaka;

11fa ny fikasan’ny TOMPO no maharitra mandrakizay,

ny hevitry ny fony manerana ny taranaka mifandimby.

12Sambatra ny firenena

manana ny TOMPO ho Andriamanitra;

sambatra ny vahoaka

nofidiny mba ho Azy manokana.

13Avy eny an-danitra ny TOMPO no mitsinjo

sy mijery ny olombelona rehetra;

14Avy eo an-tsezafiandrianany no andinihany

ny mponina rehetra etỳ ambonin’ny tany.

15Mpamorona ny saina amam-piniavana Izy,

ka mahalala izay rehetra ataon’ny olona.

16Raha handresy amin’ny ady ny mpanjaka,

dia tsy noho ny hamaroan’ny miaramilany;

ary raha afa-doza ny mpiady,

dia tsy noho ny haben’ny heriny.

17Fa ny soavaly tsy azo itokiana

hahazoam-pandresena;

ary na matanjaka be aza izy,

dia tsy mahavonjy ny mpitaingina azy.

18Tsinjovin’ny TOMPO kosa ireo mpanaja Azy,

dia ireo olona miantehitra amin’ny fitiavany,

19mba hanafaka ny ainy amin’ny fahafatesana

sy hamelona azy na dia misy mosary aza.

20Miandry ny TOMPO tokoa isika:

famonjena sy fiarovana ho antsika Izy.

21Eny, Izy Tompo no ifalian’ny fontsika;

masina ny anarany ka itokiantsika.

22TOMPO ô, ho aminay anie ny fitiavanao

araka ny ianteheranay aminao!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help