1Raha voatendry hitarika ny fanasana ianao,
dia aoka mba tsy hieboebo amin’izany
fa ho tahaka ny anankiray amin’ny mpihinana;
karakarao aloha ny toeran’ireo, vao mipetraka ianao.
2Eny, rehefa vitanao avokoa ny andraikitrao,
dia makà toerana amin’izay ianao
mba hifalianao mahita ny mpihinana afa-po
ary koa hahazoanao satroboninahitra
noho ny fandaharanao tsara ny fanasana.
3Mitenena, ry loholona, satria tandrifinao izany;
mitenena araka ny fahalalana marina anananao,
kanefa aza sakantsakananao ny mozika.
4Rehefa mihaino mozika ny olona,
dia aza manao kabary lava ianao
ary aza manampatra ny fahendrenao
amin’ny fotoana tsy sahaza izany.
5Tahaka ny fitomboka vatosoa mena
napetraka amina firavaka volamena,
toy izany koa ny mozika tsara rindra
miaraka amina fanasana itosahan-divay.
6Tahaka ny tombokase emeralda
napetraka amina tahom-bolamena,
toy izany koa ny feo mozika
miaraka amina divay matsiro.
7Mitenena, ry zatovo, raha tokony hataonao izany,
saingy rehefa niangaviana indroa misesy ianao.
8Fintimpintino ny kabarinao
ka hahalaza be amin’ny teny vitsy;
aoka ho toy ny mpahalala ianao
kanefa koa mahay mahatam-bava!
9Rehefa eo ampovoan’ny lehibe ianao,
dia aza mihevi-tena ho mitovy aminy;
ary amin’ny toerana misy loholona,
dia aza manao be filaza loatra ianao.
10Tselatra no mialoha ny kotrobaratra;
toy izany koa fankateleman’ny hafa
no mialoha ny olona mandanjalanja.
11Rehefa tonga ny fotoana, dia mitsangàna
ary aza milasilasy ho farany eo ianao;
modia faingana any an-tranonao
ary aza mitaredretra eny an-dalana.
12Any ianao no aoka hikorana
sy hanao araka izay irînao,
kanefa aza manota amin’ny teny be rehaka!
13Ary noho izany rehetra izany,
misaora an’Ilay nahary anao
sady mampitobaka zava-tsoa ho anao.
AMBOARAM-PAMPIANARANA FAHEFATRANy fanajana an’Andriamanitra14Izay manaja ny Tompo no handray anatra;
ary izay mitady Azy dieny vao maraina
no hahazo ny fanambinana avy aminy.
15Izay mandinika ny Lalàny no hahazo fahafaham-po,
fa ny mpihatsaravelatsihy ho tafintohina aminy.
16Izay manaja ny Tompo dia hahita ny hitsiny
ary hampamirapiratra ny rariny hoatra fanilo.
17Mandà fananarana ny olona mpanota,
fa mahita fialàn-tsiny hanao ny sitrapony.
18Ny olona izay tsara fanome torohevitra
dia tsy manadino na oviana na oviana ny handinika;
fa ny tsy mpivavaka sy ny mpiavonavona kosa
dia tsy misy tahotra hampiahotra azy akory.
19Aza manao zavatra tsy amim-pandinihana,
dia tsy hanenina ianao rehefa vita izany.
20Aza mandeha amin’ny lalana be vato
misakantsakana ianao,
mba tsy ho tafintohina amin’ny toerana misy azy.
21Aza matokitoky foana ny lalana mitovy tantana;
22ary mitandrema tena ianao ny amin’ny zanakao.
23Amin’izay rehetra ataonao, dia mitandrema tena
satria fitandremana ny didin’Andriamanitra koa izany.
24Izay mitoky amin’ny Lalàna
dia miezaka hitandrina ny didy;
ary izay matoky ny Tompo
dia tsy hiharam-pahavoazana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.