Daniela 11 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Fa izaho tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Dariôsa, ilay Medianina, dia nitsangana teo anilan’i Mikaela ka nampahery sy nanohana azy.

2Ary ankehitriny haharihariko aminao ny marina.

Ny ady hifanaovan’ny mpanjaka atsimo sy avaratra.

Indro mbola hisy mpanjaka telo hifandimby hanjaka amin’i Persia; avy eo dia hisy iray fahefatra hangoron-karena be noho ireo talohany. Ary rehefa matanjaka tokoa izy noho ny hareny, dia hampirohotra ny hery rehetra ananany hamely ny fanjakana grika.

3Nefa hisy mpanjaka maherifo hitsangana ao Gresy ka hanapaka amin-kery lehibe ary hanao araka izay sitrapony.

4Saingy rehefa tafajoro tsara izy, dia hopotehina ny fanjakany ka hozaraina efatra araka ny vazan-tany efatra, fa tsy hodimbiasan’ny taranany; hongotana ka ho lasan’olon-kafa ny fahefà-manjaka, nefa tsy hanan-kery tahaka ny fanapahan’ilay mpanjaka maherifo.

5«Ary hahery ilay mpanjaka ao atsimo; kanefa ny iray amin’ireo filohan-tafiny dia hahery kokoa noho izy ka hanapaka, ary hanana fanapahana mitatra kokoa noho ny azy aza.

6Ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia hanao fifanekena ny roa tonta; ka ny zanakavavin’ny mpanjaka ao atsimo ho tonga vadin’ilay mpanjaka ao avaratra mba hahatsara ny fihavanana; nefa tsy hanana mpanohana ravehivavy, ary samy tsy ho ela velona na ny vadiny na ny zanany, fa hatolotra ho faty avokoa ravehivavy sy ireo nitondra azy sy ny rainy niteraka azy ary ny vadiny tamin’izany fotoana izany.

7Nefa hisy solofo iray avy amin’ny fianakaviany hitsangana handimby ilay mpanjaka ao atsimo; ho avy izy hamely ny tafik’ilay mpanjaka ao avaratra ary hitsofoka amin’ny tanànany mimanda; ary hiady amin’io tafika io izy ka handresy azy.

8Nentiny ho babo tany Ejipta avokoa ny sarivongan’ireo andriamanitr’izany tany izany miaraka amin’ny fanaka sarobidy volafotsy sy volamena; ary hijanona elaela tsy hamely an’ilay mpanjaka ao avaratra izy.

9Aorian’izany kosa io mpanjaka ao avaratra io dia hankany amin’ilay mpanjaka ao atsimo, ary dia hiverina amin’ny taniny ihany.

10«Fa hioman-kanafika kosa ireo zanaky ny mpanjaka ao avaratra ka hanangona miaramila marobe. Dia hiroso ny iray amin’ireo ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky; saingy nony hiverina izy, dia hananika tanànamimanda iray.

11Hisafoaka ny mpanjaka ao atsimo ka hivoaka hiady amin’ny mpanjaka ao avaratra, izay hamory miaramila marobe; nefa io tafika goavana io dia hatolotra ho eo an-tanam-pahavalo.

12Ary resin’ilay mpanjaka ao atsimo ireo vahoaka marobe ireo ka hampiavonavona ny fony; nefa, na dia haharingana miaramila 10 000 maro aza izy, dia tsy handresy.

13Iny indray ny mpanjaka ao avaratra fa hanangona miaramila marobe mihoatra lavitra noho ny teo aloha; ary rehefa afaka taona vitsivitsy, dia ho avy tokoa izy hitondra tafika goavana sy fitaovam-piadiana maro.

14Amin’izany fotoana izany dia marobe ireo olona hitsangan-kanohitra ny mpanjaka ao atsimo; ary, na dia ireo olona mahery setra anisan’ny firenenao aza, dia hikomy amin’io mpanjaka io mba hahatanteraka fahitana iray, kanefa ho resy ireo.

15Ary ho avy ny mpanjaka ao avaratra hanangana tovon-tany hamelezana tanànamimanda iray sy hahazoana azy; ary ny tafiky ny ao atsimo, na dia hisy miaramila voafantina aza, dia tsy hanan-kery hanoheram-panafihana.

16Izay avy hamely azy dia hanao araka izay sitrapony fa tsy hisy hahatohitra akory; ary hamahatra ao amin’ilay tany tsara indrindra izy sady hanao fandripahana eo.

17Hanapa-kevitra ho avy miaraka amin’ny hery rehetra ananan’ny fanjakany izy ka hanao izay hahatsara fihavanana. Dia homeny ho vadin’ny mpanjaka ao atsimo ny iray amin’ny zanakavavin’ny vadiny; ny hahatonga loza amin’ny tanin’io mpanjaka io no kendreny, kanefa tsy hahomby izany tetika izany.

18Avy eo dia hitodika amin’ireo nosy indray izy ka hahalasa maromaro; kanjo hisy filohan-tafika vahiny iray hampitsahatra ny fanalam-baràka ataony, ka hampitsingerina izany aminy.

19Dia hitodika amin’ireo tanànamimanda ao amin’ny taniny izy, kanjo tsy hahomby fa ho faty ka tsy ho hita intsony.

20Ary hisy hitsangana handimby azy ka hampandroba ilay trano be voninahitra indrindra ao amin’ny fanjakana; kanjo rehefa afaka andro vitsivitsy, dia ho potika io mpanjaka io nefa tsy an-karihary na amin’ny ady.

21«Ary hisy olona fanebaka handimby io mpanjaka io nefa tsy hanam-pahamendrehana hanjaka akory; fa hiditra an-tsokosoko izy ka handrombaka an-kafetsena ny fahefà-manjaka.

22Ary ny tafika tonga hamely ny taniny dia tsy hahatohitra azy fa hopotehiny; hovonoiny ho faty mbamin’ny filohan’ilay vahoakan’ny fanekempihavanana

aza.

23Hampiasa ireo fifanarahana natao taminy izy mba hamitapitahana; ka hitombo hatrany ny heriny, na dia olom-bitsy aza no ho mpomba azy.

24An-tsokosoko no hidirany ao amin’ireo toerana mahavokatra indrindra ao amin’ny faritany ka hanaovany zavatra tsy mbola nataon’ny rainy na ny razany: hozarainy amin’ireo mpomba azy ny babo sy ny harena voababony tao. Hanao teti-dratsy koa izy hamelezana tanànamimanda. Kanefa fotoana fohy ihany no haharetan’izany.

25«Ary hasesiky ny heriny sy ny hambompony izy ka hombàn-tafika lehibe no hiroso hamely ny mpanjaka ao atsimo; ary io mpanjaka ao atsimo io dia hioman-kiady miaraka amina tafika goavana sy matanjaka tokoa, kanjo tsy hahatohitra satria hanaovana teti-dratsy hahavoa azy.

26Fa izay olona akaiky azy ihany no hanapotika azy; ka ho resim-pahavalo ny tafiny, ary ho marobe ny faty hiampatrampatra.

27Ary ireo mpanjaka roa ireo dia samy haniry hanao ratsy ao am-pony avy ka hifampiresaka lainga eo amin’ny latabatra iray; nefa tsy hahomby izany satria amin’ny fotoanandro voatendry ihany no hiafaran’ny raharaha.

28Ary hiverina any amin’ny taniny mitondra harembe ilay mpanjaka ao avaratra; ka hanatanteraka izay nokasainy hanoherana ny fanekempihavanana masina izy, vao hody any amin’ny taniny.

29Amin’ny fotoana voatendry, dia hiverina any atsimo indray izy, nefa tsy hizotra tahaka ny tamin’ny voalohany ny fanafihana amin’ity farany ity.

30Fa ho tonga hamely azy ny sambon’i Kitima, ary ho kivy izy ka hiverin-dalàna. Hisafoaka indray izy ka hanao izay hanoherana ny fanekempihavanana masina sady hifanaraka koa amin’ireo mivadika amin’izany fanekempihavanana izany.

31Ary ireo miaramila hirahiny dia haka toerana eo anoloan’ny toeramasina mimanda ka hanazimba azy; hampitsahatra ny sorona fanao isan’andro amin’Andriamanitra izy sady hampiditra ilay fanimbazimbana mahatsiravina.

32Ary izy mpanjaka mihitsy no handroboka ny olona hitsipaka ny fanekempihavanana amin’ny fandokadokafana. Nefa ny olona izay mahalala an’Andriamaniny dia hiorina mafy amin’ny fanaony;

33ary izay hendry ao amin’ireo kosa hampianatra ny maro, saingy mandritra ny andro vitsivitsy dia ho fatin’ny sabatra na hodorana na hatao an-tranomaizina ny sasany amin’ireto mpampianatra rehefa avy norobaina.

34Ary mandritra ireny fanenjehana ireny dia fanampiana kely monja no ho azon’ireto ampahorina, satria maro ny olona hiandany aminy noho ny fihatsarambelatsihy ihany.

35Ary hisy amin’ireo hendry ireo no ho faty mba hanadiovana sy hanatsarana ary hamotsiana ny vahoakan’Andriamanitra mandra-piavin’ny fotoana farany, satria ho tonga izany amin’ny fotoana voatondro.

36«Ary ny mpanjaka hanao araka izay sitrapony; dia hanandra-tena sy hihevi-tena ho ambonin’ny andriamanitra rehetra ka hiteny zava-mampivarahontsana hanohitra an’ilay Andriamanitry ny andriamanitra. Ary hanam-pahombiazana izy ambara-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra, satria ho tanteraka izay efa voatendry.

37Ary tsy horaharahainy akory ireo andriamanitry ny razany na ireo andriamanitra lalain’ny vehivavy; tsy hisy horaharahainy tokoa izay andriamanitra satria heveriny ho ambonin’izy rehetra ny tenany.

38Fa ho solon’izany kosa dia homeny voninahitra ny andriamanitry ny tanànamimanda; andriamanitra tsy fantatry ny razany akory izany kanefa hotoloran’io mpanjaka io volamena sy volafotsy ary vatosoa mbamy zava-tsarobidy hafa.

39Hamely ny tanànamimanda izy ombàn’io andriamanitra vahiny io; ary izay manaiky io andriamanitra io dia hampitomboiny voninahitra ka hampanapahany ny maro, sady hizaràny tany ho valisoany.

40«Ary amin’ny fotoana farany dia hanoto azy indray ny mpanjaka ao atsimo, nefa ny mpanjaka ao avaratra dia hipaoka azy toy tafio-drivotra miaraka amin-kalesy sy mpitaingi-tsoavaly ary sambo marobe; ary hiditra amin’ny tany isan-karazany izy ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky.

41Ary hiditra ao amin’ilay tany tsara indrindra izy ka betsaka ny olona haripany; nefa ho afaka amin’ny tanany kosa ireo Môabita sy Edômita ary ny lohandohan’ny Hamônita.

42Ary hanitatra ny fahefàny ao amin’ny tany hafa izy ka na dia i Ejipta aza dia tsy ho afa-mitsoaka.

43Ho lasany avokoa ny tahirim-bolamena sy volafotsy ary zava-tsoan’i Ejipta; ary ny Libianina sy ny Etiôpianina dia hanaiky azy.

44Kanefa hisy vaovao avy any atsinanana sy avy any avaratra hampitebiteby azy, ka hiainga hanafika amin-katezerana mafy izy mba handrava zavatra sy handringana olona maro.

45Ary hanorina ny tranolain’andriamanjaka eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masin’ilay tany tsara indrindra izy; nefa ho tonga amin’ny hiafarany ihany izy, ka tsy hisy hamonjy azy.»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help