Isaià 19 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny hevi-dravin’ny Ejiptianina

1Hafatra momba an’i Ejipta.

Indro tonga any Ejipta ny TOMPO

nitaingina rahona haingam-pandeha.

Mangorohoro ny andriamani-tsiizy eo anatrehany

ka nihaketraka anakampo ny Ejiptianina.

2Hoy ny Tompo hoe: «Hampirisihiko hifandramatra

ny samy Ejiptianina, ka hiady ny mpianakavy.

Samy hiady amin’ny namany avy ny olona;

ny tanàna hiady amin’ny tanàna

ary ny fanjakana hiady amin’ny fanjakana.

3Ho very hevitra ny Ejiptianina

fa hampisavorovoroiko ny pôlitikany;

koa ny fanahin’ny maty sy ny mpimasy

ary ny mpamoha angatra sy ny mpisikidy no hanontaniany.

4Kanefa ny Ejiptianina dia hatolotro

eo an-tanan’ireo tompo maherisetra;

ary mpanjaka masiaka no hanapaka azy.»

Izany no teny hentitry ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.

5Ny rano amin’i Neily dia ho ritra,

ka ho tankina sy ho maina io ony io.

6Ho maimbo ireo lakan-drano;

ary ny sakeli-dranon’i Ejipta

dia hihena sy ho tankina;

ny volotara sy ny zozoro halazo.

7Ny zava-maniry eo amin’ny vinanin’i Neily

mbamin’ny fambolena rehetra eny amoron’io ony io

dia ho maina avokoa sy ho lasan’ny rivotra

ka tsy hisy na inona na inona intsony.

8Misento sy mitomany ny mpanjono,

samy talanjona ireo mpamintana rehetra

sy ireo mpandatsaka harato amin’ny ony Neily.

9Diso fanantenana ireo mpanao lamba rongony;

na ireo vehivavy mpamoly

na ireo lehilahy mpanenona

dia samy hatsatry ny fanahiana.

10Trotraka ireo mpanao zava-pisotro

ary variana ireo mpamboatra labiera.

11Tena adala mihitsy ireo printsy ao Tsôhàna.

Ary tena very saina ireo olon-kendrin’ny Farao.

Ahoana no samy ilazanareo amin’ny Farao hoe:

«Izaho dia zanak’olon-kendry

sady taranak’ireo mpanjaka fahagola?»

12Aiza ireo olon-kendrinao, ry Farao?

Aoka izy hampahalala anao

ary hampahafantatra anao

izay notapahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao

mba hamelezana an’i Ejipta.

13Lasa adala ny printsin’i Tsôhàna

ary tena voafitaka ny ao Memfisa;

ireo filohan’ny faritaniny ireo ihany

no nampivembena an’i Ejipta.

14Fa nandatsahan’ny TOMPO fanahy mampivembena izy,

ka dia nampivembena an’i Ejipta hatrany

eo amin’ny asa rehetra ataon’io firenena io,

izay tahaka ny mamo mivembena sady mandoa.

15Samy tsy mahavita ny asany ny Ejiptianina, na ny any an-tampony na ny any am-potony, na ny sampandrofia na ny zozoro.

Ny hoavin’ny Ejiptianina

16Amin’izany andro izany, dia ho tahaka ny olona vavivavy toetra ny Ejiptianina, ka hangovitra noho ny tahotra raha vao maninji-tanana handrahona azy ny TOMPOn’izao rehetra izao.

17Ho fahatsiarovana mampihoron-koditra azy ireo ny tanin’i Joda. Koa isaky ny misy miresaka izany aminy, dia hangovitra ny Ejiptianina noho izay hotapahin’ny Tompon’izao rehetra izao mba hamelezana azy.

18Amin’izany andro izany, dia hisy tanàna dimy hiteny hebreo any Ejipta sady hianiana hiraiki-po amin’ny TOMPOn’izao rehetra izao. Ka ny anaran’ny tanàna anankiray dia hatao hoe Tanànan’ny masoandro.

19Amin’izany andro izany, dia hisy alitara iray hatokana ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao ao afovoan’ny tany Ejipta ary tsangambato iray ho an’ny TOMPO any amin’ny sisintaniny.

20Izany no famantarana sy vavolombelona ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao fa eo anivon’ny tany Ejipta Izy izao. Koa rehefa miantso vonjy amin’ny TOMPO ny Ejiptianina noho ny mpampahory azy, dia hanirahany mpamonjy izay hiaro sy hanafaka azy.

21Dia hampahafantatra ny tenany amin’ny Ejiptianina ny TOMPO mba hahafantarany AZY amin’izany andro izany sady hanompoany Azy amin’ny alalan’ny sorona sy fanatitra; ary hanao voady amin’ny TOMPO izy ka hanefa izany.

22Rehefa avy namely ny Ejiptianina ny TOMPO, dia hanasitrana azy: ary izy ireo mihitsy no hiverina amin’ny TOMPO ka hoekeny vavaka sady hositraniny.

23Amin’izany andro izany, dia hisy lalambe hampitohy an’i Ejipta sy i Asiria. Ny Asirianina hankany Ejipta, ary ny Ejiptianina hankany Asiria, ka hiara-manompo ny TOMPO izy roa tonta.

24Amin’izany andro izany, dia ho fahatelo, miaraka amin’ny Ejipta sy i Asiria, i Israely amin’ny fitahiana hotononin’Andriamanitra eto an-tany.

25Fa hotahin’ny TOMPOn’izao rehetra izao tokoa izy telo tonta ireo ka hataony hoe: «Hotahîna anie i Ejipta vahoakako sy i Asiria asan’ny tanako ary i Israely anjara fananako!»

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help