1Aza mifanditra amin’olona manam-pahefana,
fandrao ho latsaka eo am-pelatanany ianao.
2Aza mifanjihitra amin’olona mpanankarena,
fandrao hahery lanja kokoa noho ianao izy;
satria efa nahavery olona maro ny volamena,
ary efa navaonany mbamin’ny fon’ireo mpanjaka aza.
3Aza mifanditra amin’olona basivava,
ary aza tohofana kitay ny afony.
4Aza manao vazivazy amin’olona ratsy taiza,
fandrao halainy baràka ny razanao.
5Aza manome tsiny ny olona miala amin’ny ota;
tsarovy fa samy meloka avokoa isika.
6Aza maneso olona noho ny fahanterany,
fa ny sasany amintsika efa miha-antitra koa.
7Aza mifaly raha misy olona maty;
tsarovy fa samy ho faty avokoa isika.
8Aza hamavoina ny tantara ataon’olon-kendry
dinidiniho ny fanoharana arosony;
satria amin’izy ireny no hahazoanao fanabeazana
sy hahaizanao manompo eo anilan’ny lehibe.
9Aza mandao ny tantara ataon’ny anti-panahy
satria izy koa dia mba nahare tamin’ny razany;
sady amin’izy ireny no hahazoanao fahalalana
ary koa fahaiza-mamaly rehefa hilaina izany.
10Aoka tsy handrombo mpanota ianao,
fa toy ny mandrehitra afon’arina izany
ka sao handoro anao ny firedaredany!
11Aza mifanandrina amin’olona be rehaka ianao,
fandrao izy mitady haningotra anao amin’ny teninao.
12Aza mampisambotra vola an’izay mahery noho ianao;
ary raha nisy nampisamborinao, dia ataovy anisan’ny very.
13Aza manao antoka mihoatra noho izay zakanao;
ary raha miantoka ianao, dia manahia ny hanefa bebe kokoa.
14Aza manana ady amin’ny mpitsara,
fa ny hajany no hanomezan-drariny azy.
15Aza miara-dalana amin’olona sahisahy foana,
fandrao hovesarany fahasahiranana ianao;
ny haitraitrany manko no hanaovany zavatra,
ka hiara-maty aminy ianao noho ny hadalàny.
16Aza mifanditra amin’olona mahery setra
ary aza mamaky toera-mangina miaraka aminy;
fa tsinontsinona eo imasony ny mandatsa-dra,
ka eo amin’ny tsy ahazoanao miantso vonjy
no hiantorahany hamotraka anao.
17Aza miara-midinika amin’olona adala,
satria tsy mba mahatam-bava izy.
18Aza manao zavatra an-kiafinafina eo imason’ny vahiny,
satria tsy fantatrao izay fihetsika hasetriny an’izany.
19Aza mamboraka ny fonao amin’izao olona rehetra izao,
sady tsy hankasitrahana anao velively izany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.