1 Nataon’i Davida.
TOMPO ô, miantso vonjy aminao aho.
Ianao no Vatolampy fialofako
ka aza manentsin-tadîny amiko;
satria raha anginanao tsy valiana aho,
dia ho tahaka an’ireo olona afaka aina
izay efa midina mankany am-pasana.
2Koa henoy àry izany fitalahoako,
rehefa miantso vonjy aminao aho
ka manandra-tanana hivavaka
mitodika amin’ny Toeramasinao.
3Aoka aho tsy hailikao tahaka ny olon-dratsy,
dia ireo olona efa zatra manao heloka;
fihavanana no resahiny amin’ny namany,
kanjo fandozàna no mameno ny fony.
4Valio araka ny asany tokoa ireny
sy araka ny haratsian’izay nataony;
eny, valio araka izay zava-bitany izy
ka ny nataony no atsingereno aminy.
5Tsy nahoany ny asan’ny TOMPO
mbamin’izay zavatra vitany.
Koa horavan’ny Tompo anie ireo
ary tsy havelany hijoro intsony!
6Hisaorana anie ny TOMPO
fa nohenoiny ny fitalahoako!
7Miaro ahy IZY satria ampingako,
ary nitokian’ny foko tokoa;
voavonjy aho ka mientan-karavoana,
ary dia mihira fiderana Azy.
8Ny TOMPO no miaro ny vahoakany;
Izy koa no manda famonjena
ho an’ilay mpanjaka nohosorany.
9Tompo ô, mba vonjeo sy tahio
ity vahoakanao sady lovanao;
ka meteza re Ianao ho mpiandry azy
sy ho mpitandrina azy mandrakizay.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.