1Rehefa nanakaiky an’i Kaserîna, izay tanàna nifanila tamin’i Ninive, ireto mpiara-dalana, dia hoy i Rafaela hoe:
2–Fantatrao, ry Tôbià, ny toe-pahasalaman’ny rainao fony isika nandao azy.
3Ndeha isika hialoha lalana ny vadinao mba hanomankomanana ny trano alohan’ny hahatongavan’i Sarà sy ny olon-kafa rehetra.
4Dia niara-nandeha hialoha lalana tokoa i Rafaela sy i Tôbià. Ka nilazan’i Rafaela i Tôbià mba hivonona hampiasa ny aferon-trondro. Ilay alikan’i Tôbià kosa nanaraka taorian’izy ireo.
5Tamin’izay i Hanà dia nipetraka teo amoron’ny lalana izay tokony hiverenan’i Tôbià ary nitazantazan-davitra.
6Dia nahita an’i Tôbià tonga izy ka nilaza tamin-drainy hoe:
–Indro tonga ny zanakao lahy miaraka amin’ilay olona niara-dia taminy.
7Alohan’ny hanatonan’i Tôbià an-drainy, dia hoy i Rafaela tamin’i Tôbià:
–Fantatro fa hahiratra ny mason-drainao.
8Asio ilay aferon-trondro ny masony, fa izany fanafody izany dia hiasa amin’ny pentina fotsy ary hampiendaka azy hiala teo amin’ny masony; dia hahita mazava indray ny rainao.
9Tamin’izay i Hanà no nihazakazaka niantoraka teo am-bozon’ny zanany lahy; ka sady nitomany ravehivavy no niteny taminy hoe:
–Hitako indray ianao, anaka; koa afaka ny ho faty amin’izay aho.
10I Tôbita kosa nitsangana ka lasa nivoaka ilay varavaran’ny tokotany, na dia tafintohintohina aza.
11Ary nanatona azy ny zanany lahy izay efa nitazona ny aferon-trondro teny an-tanany; dia nitsoka tamin’ny mason-drainy izy, ary namihina azy sy niteny taminy hoe:
–Mahereza, ry dada!
Dia nasiany an’ilay fanafody ny mason’i Tôbià ary navelany hiasa izany.
12Avy eo i Tôbià nampiasa tanan-droa hampiendaka ny kiran-javatra fotsifotsy tamin’ny zoromason-drainy.
13Tamin’izay i Tôbita dia niantoraka teo am-bozon’i Tôbià, ka sady nitomany no niteny hoe:
–Hitako ianao, anaka, ianao izay nampahazava ny masoko.
14Dia nampian’i Tôbita hoe:
–Hankalazaina anie Andriamanitra!
Hankalazaina anie ny anarany be voninahitra!
Hankalazaina anie ireo anjeliny masina rehetra!
Enga anie hiaro antsika hatrany
ny anarany be voninahitra!
Hankalazaina amin’ny taona rehetra anie
ireo anjeliny masina rehetra!
Nanome fitsapana ahy Izy,
fa indro aho afa-mahita indray an’i Tôbià zanako.
15Faly sy nankalaza an’Andriamanitra tamim-peo avo i Tôbià no niditra tao an-trano. Notantarainy tamin-drainy ny zava-drehetra: tomombana tsara ny dia, azony ny vola, ary nanambady an’i Sarà zanakavavin’i Ragoela izy. Sady nampiany hoe:
–Indro fa tonga ao izy, efa eo akaikin’ny vavahadin’i Ninive.
16Faly sy nankalaza an’Andriamanitra koa i Tôbita no niainga hitsena ny vinantovaviny teo am-bavahadin’i Ninive. Hitan’ireo Ninivita izy nandeha sy nivezivezy tamin’ny famindra hentitra sady tsy nisy olona nitarika, ka talanjona ny olona. Dia nambaran’i Tôbita teo anatrehany fa namindran’Andriamanitra fo izy ary nampahiratiny maso indray.
17Nony injay izy tonga teo akaikin’i Sarà, vadin’i Tôbià zanany, dia nitsodrano azy ka niteny hoe:
–Arahaba tonga soa ianao, ry zanako vavy! Hankalazaina anie ilay Andriamanitrao fa nitondra anao ho aty aminay! Hotahîna anie ny rainao, hotahina anie i Tôbià zanako, ary hotahîna anie ianao, ry zanako vavy! Mandrosoa ao an-tranonao, fa raisina soa aman-tsara ao ianao, mandrosoa ombàm-pitahiana sy hafaliana ianao, ry zanako vavy!
18Tamin’io andro io dia fifaliana no teo anivon’ireo Jiosy rehetra tao Ninive.
19I Ahikara sy i Nadaba, izay samy zana-drahalahin’i Tôbita, dia tonga teo aminy koa ary nifaly.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.