Salamo 104 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Fiderana an’Andriamanitra mpamorona

1 Nataon’i Davida.

Aoka hisaotra ny TOMPO aho!

TOMPO Andriamanitro ô, lehibe indrindra Ianao;

fiandrianana sy famirapiratana no itafianao,

2fahazavana no lamba ifonosanao.

Mamelatra ny lanitra ho toa tranolay Ianao

3ary nametraka rihana hataonao fonenana

any ankoatran’ny rano ambony any.

Nataonao kalesy ny rahona

hisosanao amin’ny elatry ny rivotra;

4nataonao haingam-pandeha toy ny rivotra ny anjelinao,

nataonao mirehidrehitra toy ny tselatra ny mpanomponao.

5Nanorina ny tany teo ambony fanorenany Ianao

mba tsy hihetsehany mandrakizay mandrakizay.

6Ny ranobe tamin’izay no toa lamba narakotrao azy

ka nandifotra ny tampon-tendrombohitra aza.

7Kanefa, noho ny fandrahonanao, dia nandositra ny rano;

noho ny feon’ny kotrokoranao, dia nirifatra ireny

8ka nihoarany ny tendrombohitra

ary nidinany ny lohasaha

mba hankanesany any amin’ny toerana

izay efa naraikitrao ho azy.

9Nanisy faritra tsy azony hihoarana Ianao

mba tsy hiverenany hanarona ny tany intsony.

10Nampiboika loharano eny an-dohasaha Ianao,

ka nampikoriana azy anelanelan-tendrombohitra

11mba hisotroan’ny bibidia rehetra

sy hialan’ny borikidia hetaheta.

12Amin’ny hazo eny amoron-drano eny

no manao akany ny voro-manidina

izay mikarantsana anaty ravin-kazo.

13Avy any an-danitra fonenanao any

no andefasanao orana amin’ny tendrombohitra;

ka dia ny ranon’ny lanitrao

no mampahavokatra ny tany.

14Mampaniry ny ahitra ho an’ny biby fiompy Ianao

sy mampaniry ny zavatra volen’ny olona,

ary mampamokatra hanina ny tany:

15dia divay hampifaly ny fon’ny olona,

sy menaka hahamiramirana ny endriny

ary mofo hanome tohan’aina azy.

16Voky rano koa ireo hazo vaventy,

dia ny sedera voavoly any Libano.

17Eny no manao akany ny voronkely;

eny ambony kipresy no manao trano ny vano.

18Ny tendrombohitra avo dia ho an’ny osidia;

ny harambato kosa fierena ho an’ny sokina.

19Nataonao hamantaram-potoana ny volana

sy ny masoandro izay mahalala ny hilentehany.

20Arosonao ny haizina, dia tonga ny alina

izay hihetsiketsehan’ny biby rehetra ao an’ala.

21Manerona ny liona tanora manenjika ny hazany:

mitaky sakafo aminao Andriamanitra izy.

22Nony miposaka ny masoandro, dia midify ireny

ka lasa misitrika any an-davany any.

23Ny olona kosa mivoaka hanao ny raharahany

sy hiasa mandra-paharivan’ny andro.

24Endrey ity hamaroan’ny asanao, TOMPO ô!

Tamim-pahendrena no nanaovanao azy rehetra:

henika ny zava-boaarinao ny tany!

25Ny ranomasina, indro lehibe sy midadasika;

ao no miriaria tsy tambo isaina

na ny biby madinika na ny vaventy;

26ao no mivezivezy ny sambo; ao koa i Leviatàna,

ilay trozona namboarinao ho tsilalaonao.

27Izy rehetra ireny dia miankina aminao,

mba hanome hanina azy ara-potoana.

28Raha manome Ianao, dia mandray izy;

raha sokafanao ny tananao,

dia voky zava-tsoa izy.

29Raha lavinao ny hijery azy,

dia mitebiteby izy;

raha alainao ny ainy, dia maty izy

ka miverina ho vovoka indray.

30Alefanao ny Fanahinao, dia ary indray ireo

ka mihavao ny zavatra rehetra eto ambonin’ny tany.

31TOMPO ô, ho mandrakizay anie ny voninahitrao

ary aoka Ianao hifaly amin’ny asa vitanao!

32Fa jerenao ny tany, dia mihorohoro;

tendrenao ny tendrombohitra, dia midona-tsetroka.

33TOMPO Andriamanitro ô, hohiraiko Ianao

mandritra ny fiainako manontolo

ary hankalazaiko amin-tsalamo

raha mbola velona aina koa aho.

34TOMPO ô, ho sitrakao anie ny tononkaloko

fa noho ny aminao no ifaliako!

35Ho fongotra amin’ny tany kosa anie ny mpanota,

ary tsy hisy intsony ny olon-dratsy!

Eny, aoka hisaotra ny TOMPO aho!

Haleloià.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help