1Anaka, raha miroso hanompo ny Tompo ianao,
dia omany amin’ny fizahàn-toetra ny fanahinao.
2Ahitsio ny fonao ka manàna finiavana
ary aza mitebiteby amin’ny andro fahoriana.
3Miraiketa amin’Andriamanitra
ka aza misaraka aminy ianao
mba ho fiadanana no hiafaranao.
4Ekeo avokoa izay zavatra manjo anao,
ary mahareta rehefa tonga aminao ny fietrena;
5fa ny volamena dia sedraina amin’ny afo,
ary ny olona sitrak’Andriamanitra kosa
dia sedraina amin’ny memin’ny fietrena.
6Matokia an’Andriamanitra, dia hanarina anao Izy;
ahitsio ny fitondrantenanao ary manantenà Azy.
7Ianareo izay manaja ny Tompo, matokia ny indrafony;
ary aza mivilivily lalana, fandrao ho solafaka.
8Ianareo izay manaja ny Tompo, matokia Azy;
dia tsy ho very valisoa ianareo.
9Ianareo izay manaja ny Tompo, manantenà ny hasambarana
sy ny hafaliana mandrakizay ary ny famindrampony.
10Diniho àry ny taranaka fahagola ka fantaro:
Iza no natoky ny Tompo ka diso fanantenana?
Iza no naharitra tamin’ny fanajana Azy, ka nilaozany?
Iza no niantso Azy ka tsy noraharahainy?
11Fa miantra sy mamindrafo ny Tompo,
sady mamela heloka sy mamonjy amin’ny andro mahory.
12Ireo rera-po sy miraviravy tanana
ary ny mpanota miroa lalana no mampalahelo!
13Mampalahelo koa ireo kanosa fo
satria tsy manam-pitokiana,
izany no tsy hiarovan’Andriamanitra azy!
14Mampalahelo ianareo very faharetana,
hanao ahoana ianareo rehefa hohadinin’ny Tompo?
15Izay manaja ny Tompo dia manaiky ny teniny;
ary izay tia Azy dia mitandrina ny sori-dalany.
16Izay manaja ny Tompo dia mitady ny sitrany;
ary izay tia Azy dia mivoky amin’ny lalànany.
17Izay manaja ny Tompo dia vonombonona hatrany
ary mietry fanahy eo anatrehany ka manao hoe:
18«Eo an-tanan’ny Tompo no hiantorahanay
fa tsy eo an-tanan’ny olombelona,
satria arakaraka ny fahalehibiazan’ny Tompo
no haben’ny famindrampony koa.»
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.