1Ary hoy i Hôlôferna tamin’i Jodita:
–Matokia, ry andriambavilanitra, fa aza matahotra ao am-ponao. Izaho manko na oviana na oviana tsy mba manisy ratsy olona izay tapa-kevitra hanompo an’i Nebokadnetsara, mpanjakan’ny tany manontolo.
2Ary raha tsy naniratsira ahy ny firenenao izay monina amin’ity faritra be tendrombohitra ity, dia tsy ho nanainga ny lefoko hamely azy aho. Ireo Israelita ireo ihany no nila vaniny nampahory tena toy izao.
3Ankehitriny kosa lazao kely ahy ny antony nandosiranao avy any aminy sy nankanesanao atỳ aminay. Sady ho famonjenao tena manko no nahatongavanao, koa matokia fa ho velona aina ianao izao anio alina izao sy amin’ny ho avy.
4Tsy hisy olona hanisy ratsy anao; fa hatao tsara fitondra ianao tahaka ireo mpanompon’ilay mpifehy ahy, dia i Nebokadnetsara mpanjaka.
5Ary hoy i Jodita tamin’i Hôlôferna:
–Mba ekeo, tompoko, ny hitenenako aminao. Aoka ny tenako mpanompovavinao hiteny eto anatrehanao amin’izao alina izao, fa tsy hilaza lainga aminao aho!
6Raha manaraka ny torohevitro ianao, dia Andriamanitra mihitsy no hiara-miasa aminao an-tsakany sy an-davany; ka tsy hisy tsy fahombiazanao amin’izay ataonao.
7Velona i Nebokadnetsara mpanjakan’ny tany manontolo ary manan-kery ny fahefàny, ka mianiana aho fa naniraka anao izy mba hamerina ny mananaina rehetra amin’ny lala-mahitsy. Satria tsy ny olona ihany no taominao hanoa ny mpanjaka; fa ny bibidia sy ny biby fiompy ary ny vorona ihany koa dia fehezinao hanaiky an’i Nebokadnetsara sy ny fianakaviany manontolo.
8Renay laza manko ny fahendrenao sy ny fahakinganao; ary nampahafantarina ny tany manontolo fa manerana ny fanjakana ianao no olom-banona indrindra, sady havanana amin’ny fahaiza-manao anananao ary ikoizana amin’ny tetika hoenti-miady.
9«Ny amin’ny lahateny nataon’i Akiôra tao amin’ny filàn-kevitrao kosa, dia efa renay ny zavatra voalazany, satria noraisin’ireo vatan-dehilahin’i Betolia izy ary nitatitra taminy ny zavatra rehetra nambarany taminao.
10Noho izany, ry tompoko sy mpifehy ahy, aza hamaivaninao ny teniny. Aoka hotananao tsara ao am-ponao izany satria marina tokoa: ny fireneko dia tsy iharam-pamaizana ary tsy andairan-tsabatra, afa-tsy raha nanota tamin’Andriamaniny.
11Kanefa izany indrindra no miseho ankehitriny, hany ka tsy ho resy tosika ianao ary tsy hiala maina. Ny fahafatesana manko no hianjady amin’ny Israelita, satria voagejan’ny fahotana ireo ka nampahatezitra an’Andriamanitra, tahaka ny isak’izay nanaovany ratsy taminy.
12Tsy ampy sakafo intsony izy ary mahalana vao mahita rano. Noho izany, efa nikasa ny hamono ny biby fiompiny ireo ary hampiasa ho sakafo ny zavatra rehetra izay voararan’ny lalànan’Andriamanitra hohaninay.
13Tapa-kevitra koa ireo ny hihinana ny santa-bokatry ny varimbazaha sy ny ampahafolon’ny divay mbamin’ny menaka, izay efa navahany; zava-masina manko ireny, ka voatokana ho an’ny mpisorona izay manao fanompoana eo anatrehan’ilay Andriamanitray ao Jerosalema. Tsy misy olona mahazo mikasika izany amin’ny sarambabem-bahoaka.
14Noho ny mponin’i Jerosalema efa nanao toy izany; dia nandefasan’ny mponin’i Betolia solotena tany amin’ny antenimieran-doholona ao Jerosalema mba hahazoany lalana hanao izany koa.
15Ny andro izay hanomezana izany lalana izany, ka hihinanan’ny mponin’i Betolia ireo sakafo ireo, no hanoloran’Andriamanitra azy aminao mba haringanao.
16Rehefa nandre izany ny tenako mpanompovavinao, dia nandositra avy tao aminy. Andriamanitra no naniraka ahy aty mba hanatanteraka miaraka aminao ny asa izay hampitolagaga ny olona rehetra handre azy eran’ny tany tontolo.
17Izaho manko dia manaja an’ilay Andriamanitry ny lanitra ary manompo azy andro aman’alina. Ankehitriny, tompoko, hipetraka eto anilanao aho, kanefa hivoaka ny toby isan’alina mba hankao an-kady hivavaka amin’Andriamanitra. Izy no hilaza amiko raha vantany vao nahavita izany fahotana izany ny mponin’i Betolia.
18Dia ho tonga hitatitra izany aminao aho, ka hiainga ianao miaraka amin’ny tafikao manontolo hamely azy; ary tsy hisy amin’ireo ho afa-manohitra anao.
19Avy eo ianao dia hotarihiko hamaky an’i Jodea hatrany Jerosalema, ka ny tenako no hametraka ny sezafindriananao eo anivon’io tanàna io. Ianao no hitondra ny mponina izay tahaka ny ondry tsy misy mpiandry; ary tsy hisy alika sahy hivovò hanohitra anao. Niteny tamiko Andriamanitra, ka nataony fantatro mialoha sy nambarany ahy ireo zavatra ireo; ary nirahiny aho hanambara izany aminao.
20Sitrak’i Hôlôferna sy ireo manamboninahiny rehetra ny tenin’i Jodita. Nigaga ny fahendren-dravehivavy ireo ka loa-bolana hoe:
21–Manomboka amin’ny tendron-tany iray ka hatrany any amin’ny tendron-tany hafa, dia tsy misy vehivavy tsara tarehy sy mahay miteny tahaka ity!
22Avy eo dia hoy i Hôlôferna tamin’i Jodita:
–Tsara ny nanirahan’Andriamanitra anao hialoha ny vahoakanao mba hanome anay ny fandresena ary mba hahatonga fandringanana an’ireo naniratsira an’i Nebokadnetsara tompoko.
23Ianao kosa dia tsara bika sady mahafinaritra fandaha-teny. Raha tàhiny araka ny voalazanao no ataonao, dia ho Andriamanitro ilay Andriamanitrao; hitoetra ao an-dapan’i Nebokadnetsara mpanjaka ianao ary halaza eran’ny tany tontolo.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.