Bena-Siràka 51 - Malagasy Bible Interconfessionelle

FANAMPINYVavak’i Jesoa Bena-Siràka

1Te hankalaza Anao aho, ry Tompo Mpanjaka ô,

ary te hidera Anao aho, ry Andriamanitra Mpamonjy ahy;

eny, Ianao mihitsy no ankalazaiko

2satria mpiaro ahy sy mpanampy ahy Ianao,

sady nanafaka ny tenako tamin’ny faharavana

sy tamin’ny fandrik’ireo mpanendrikendrika

mbamin’ireo olona mpamoron-dainga.

Teo anatrehan’ireo mpandrafy ahy

3dia nanampy ahy sy nanafaka ahy Ianao.

Ny haben’ny indrafo aman-dazanao

no nasehonao fony Ianao nanafaka ahy

tamin’ny vangin’ireo vonon-kandrapaka ahy

sy tamin’ny tanan’ireo nitady hamono ahy ho faty

ary tamin’ny fahoriana rehetra nihatra tamiko.

4Nafahanao aho tsy ho sempotry ny arina mivaivay nanodidina ahy

ary tsy ho main’ny afo izay tsy narehitro akory.

5Notsoahanao tamin’ny hantsan-dalin’ny toeran’ny maty aho,

dia tamin’ny resaka maloto sy teny mandainga

6ary tamin’ny zana-tsipîka avoaky ny mpanao vava ratsy.

Efa teo ambavahaonan’ny fahafatesana aho

ary efa nikasika ny toeran’ny maty ny aiko;

7nanodidina ahy hatraiza hatraiza ny fahavaloko

sady tsy nisy olona hanampy ahy;

niandrandra vonjy avy amin’ny olombelona aho,

kanefa tsy nisy velively akory.

8Izay aho, Tompo ô, vao nahatsiaro ny indrafonao

sy ny fanasoavanao hatrizay hatrizay;

tsaroako fa afahanao ireo fatra-piandry Anao

ary vonjenao tsy ho azon’ny fahavalo.

9Koa hatreto an-tany aho no nanandra-bavaka

sy nitalaho taminao hanafaka ahy tsy ho faty.

10Niantso Anao aho hoe: «Tompo ô, Raiko Ianao,

aza ilaozanao aho amin’ny androm-pahoriako,

dia amin’ny andro anjakan’ny mpiavonavona

ka tsy ahitako fanampiana velively.

11Tsy hitsahatra ny hidera Anao aho

ary hihira Anao amin’ny hiram-pisaorana.»

Dia nohenoinao tokoa ny fivavahako,

12fa novonjenao tsy hiharan’ny faharavana aho

ary nafahanao tamin’ny andron-doza nanjo ahy.

Koa izany no hisaorako Anao sy hiderako Anao

ary hankalazako ny anaranao, Tompo ô.

Nokarohiko fatratra ny fahendrena(Jereo 14.20-27)

13Fony aho mbola tanora, alohan’ny hivezivezeko,

dia nitady an-karihary ny fahendrena aho

tamin’ny fivavahana nataoko.

14Teo anoloan’ny Toeramasina no nangatahako izany;

ary hatramin’ny farafofonaiko no hitadiavako azy.

15Rehefa namony tao amiko ny fahendrena,

dia mova tsy sampahom-boaloboka mihamatoy,

ka nanjary fifalian’ny foko izany;

dia lala-mahitsy no nizoran’ny diako,

ary nanjohy soritra ny fahendrena aho

nanomboka tamin’ny fahatanorako.

16Nanongilan-tsofina kelikely fotsiny aho hihaino azy,

dia efa nandray ny fahendrena sahady

ka nahazo fampianarana betsaka ho ahy.

17Fandrosoana no vokatr’izany teo amiko,

ka sitrako ny manome voninahitra

an’Ilay nanolotra ahy ny fahendrena.

18Eny, tapa-kevitra ny hampihatra azy aho;

fatra-pitady ny soa aho ka tsy diso fanantenana.

19Niezaka mafy hitana ny fahendrena aho

ary nitandrina tsara hanoa ny lalànan’Andriamanitra.

Nanandra-tanana any ambony aho mba hivavaka;

ka niekeko ny fanaovako tsirambina ny fahendrena.

20Notarihiko hifantoka aminy ny fanahiko;

ary nadio toetra aho ka nahita azy.

Hatrany am-boalohany no nahazoako fahalalana taminy,

ka izany no tsy hamoizany ahy na oviana na oviana.

21Nientam-po hikatsaka azy aho

ka nahazo zava-tsoa sarobidy.

22Dia nomen’ny Tompo fahaiza-miteny ho valisoa aho

ka ampiasaiko hiderana Azy izany.

23Manatòna ahy ianareo, ry olona tsy manam-pahalalana,

aoka hiorim-ponenana atỳ an-trano fianaram-pahendrena.

24Nahoana no milaza ho tsy manana ny hareny ianareo,

kanefa mangetaheta fatratra izany ny fanahinareo?

25Miloa-bava aho ka miteny hoe:

«Raiso maimaim-poana ny fahendrena.

26Aondreho eo ambany ziogany ny vozonareo

ary aoka ny fanahinareo handre ny fampianarany,

fa akaiky dia akaiky anareo izy ka mora hita.

27Aoka hahita maso ianareo fa tsy nikely aina firy aho,

dia efa nahazo fitsaharana lehibe ho an’ny tenako.

28Milatsaha hihaino ny fampianarako

izay sarobidy toy ny volafotsy betsaka;

fa vokatr’izany kosa

dia mova tsy volamena betsaka

no tombontsoa ho azonareo.»

29Mifalia amin’ny indrafon’ny Tompo ianareo,

ary aza menatra amin’ny fiderana Azy.

30Tanteraho ny asanareo alohan’ny fotoana hiaviany,

dia homeny valisoa ianareo amin’ny fotoanandrony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help