Jeremià 46 - Malagasy Bible Interconfessionelle

––––––––-

1Hafatra izay nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany momba ireo firenen-kafa.

Ny faharesen’ny Ejiptianina tao Karkemisy

2Fanambaràna momba an’i Ejipta sy ny tafiky ny Farao Nekao, mpanjakan’i Ejipta. Tao Karkemisy teo amoron’ny ony Eofrata i Nekao no resin’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna, tamin’ny taona fahefatra nanjakàn’i Jôiakima zanakalahin’i Josià mpanjakan’i Joda.

3Manome baiko ny manamboninahitra hoe:

«Omany ny ampinga kely sy lehibe

ary mandrosoa hiady.

4Afatory ny lasely,

ary taingeno ny soavaly!

Anaovy ny satro-by fiarovan-doha ka milahara!

Arangarangao ny lefona;

iakanjoy ny akanjo vy fiarovan-tratra.»

5Ahoana izao zavatra hitako izao?

Raiki-tahotra izy ka mihemotra.

Resy ireo miaramila mahery fo

sady mitsoaka mandositra,

ka tsy misy miherika akory.

Fihorohoroana hatraiza hatraiza,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

6Tsy afa-mandositra ny faingam-pandeha

ary tsy mahavonjy tena ny mahery fo;

fa any avaratra eo amoron’ny ony Eofrata izy

no ho tafintohina ka hianjera.

7Iza àry ity tahaka an’i Neily tondraka,

na ireo sampany misy rano misamboaravoara?

8I Ejipta no tahaka an’i Neily tondraka,

na ireo sampany misy rano misamboaravoara,

fa hoy izy hoe: «Hiakatra hanafotra ny tany aho,

ary handringana ny tanàna sy ny mponina ao aminy.

9Manafiha amin’izay, ry soavaly,

ary miriota mafy, ry kalesy!

Aoka hiainga ny mahery fo,

dia ireo olon’i Kosy sy Pota

izay mpitondra ampinga kely

sy ireo olon’i Loda izay mirongo tsipîka!»

10Kanefa, ho an’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao,

ity andro ity dia ho andro famaizana

mba hanafaizany ny fahavalony.

Ka ny sabatra dia handripaka sy hiletra azy

ary himamo amin’ny ran’ireo;

satria toa sorona vonoina hatolotra

amin’ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao

no any amin’ny tany avaratra

manamorona ny ony Eôfrata.

11Ry Ejipta mahonena,

miakara hatrany Gilehada

ka makà balsama ho anao...

Nefa tsy ilaina ny hampitomboanareo ny fitsaboana

satria tsy misy fanafody hahasitrana ny ferinao.

12Ren’ny firenen-kafa ny henatrao

fa nanenika ny tany ny tolokonao.

Nifamingana ny samy mahery fo

ka niara-nianjera izy roa tonta.

Fanafihana an’i Ejipta

13Hafatra nampitondrain’ny TOMPO an’i Jeremià mpaminany fony i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna tonga nanafika an’i Ejipta:

14Ambarao any Ejipta ny vaovao

ary ampandreneso ao Migdôla

sy ao Memfisa ary ao Tahapanehesa,

ka ataovy hoe: «Mivonòna hiady ary miomàna,

fa efa ripaky ny ady ny manodidina anao.»

15Fa inona no miseho?

Mianjera amin’ny tany

ny ombalahy masina ianteheranao!

Tsy nahatohitra izy fa voatosiky ny TOMPO

16Izay mampivembena miaramila maro

sy mampianjera azy hifanindry.

Dia nifampiresaka ireo hoe:

«Andeha isika hiverina any amin’ny firenentsika,

dia any amin’ny tany nahaterahantsika,

mba ho afaka amin’ny ady mandoza.»

17Fa ny Farao mpanjakan’i Ejipta kosa

dia omeo anaram-bosotra hoe:

«Rabetabataba tsy misy vokany.»

18–Teny hentitra no ataon’ilay Mpanjaka

Izay antsoina hoe «TOMPOn’izao rehetra izao»:

Velona aho ka mianiana fa ho tonga ny fahavalo.

Azo antoka tahaka ny fisian’i Tabôra

amin’ny samy tendrombohitra izany;

azo antoka tahaka ny fisian’i Karmela

izay mandòndona eo amoron-dranomasina!

19Ry mponina any Ejipta ô, mifeheza entana

mba handeha any amin’ny fahababoana.

Fa hodorana ny tanànan’i Memfisa,

ka ho lao tsy hisy mponina intsony.

20Toa ombivavy kely tsara tarehy i Ejipta!

Kinanjo tamy avy any avaratra

ny fihitra hanaikitra azy!

21Voakarakara toa ombilahy kely mifahy

ireo miaramila mpikarama an’ady tao Ejipta.

Nefa, na ireo koa aza, nihemotra

ka samy lasa nandositra avokoa.

Tsy nisy nahajoro nony tonga ny andro mahory

izay hirotsahako an-tsehatra hamely azy.

22Toy ny fitsaitsaikan’ny menarana

no fialan’ny tafika ejiptianina,

raha vao tonga hamely azy ny fahavalo

izay toy ny mpikapa hazo mandrangaranga famaky.

23Kapain’ireo ny alany, na dia matevina aza,

hoy ny teny hentitry ny TOMPO.

Fa marobe noho ny andiam-balala izy

ka tsy tambo isaina.

24Rakotra henatra ny mponin’i Ejipta:

eo an-tanan’ny vahoaka avy any avaratra

no efa nanolorana azy!

25Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro Aho hirotsaka an-tsehatra hamely an’i Amôna andriamanitr’i Teba, hamely an’i Ejipta sy ny andriamaniny ary ny mpanjakany, eny, hamely ny Farao sy izay rehetra miantehitra aminy.

26Hatolotro eo an-tanan’ireo mitady hahafaty azy izy, dia i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna mbamin’ireo miaramilany.

Rehefa afaka izany, vao hiverina amin’ny laoniny toy ny taloha i Ejipta. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»

Afaka i Israely(Jereo 30.10-11)

27Aza matahotra kosa ianareo,

ry taranak’i Jakôba mpanompoko.

Aza kivy ianao, ry firenena Israely,

fa indro Aho hamonjy anao

avy any amin’ny faritany lavitra any;

indro Aho hamonjy ireo taranakao

avy any amin’ny tany izay nahababo azy.

Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba,

ka hiadana sy handry feizay

fa tsy hisy hanaitaitra intsony.

28Ry taranak’i Jakôba mpanompoko,

aza matahotra ianareo,

satria Izaho no miaraka aminareo;

teny hentitra avy amiko TOMPO izany.

Hofongorako ny firenen-kafa rehetra

izay nanelezako anareo;

ianareo kosa tsy mba hofongorako,

na dia tsy maintsy faiziko

araka ny hitsiny ihany aza

fa tsy havelako ho afa-maina!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help