Fahendrena 8 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Hatrany amin’ny isam-bazantany

no itaran’ny fahefàn’ny Fahendrena;

ka mifehy izao tontolo izao

amin-kalemem-panahy izy.

Fahendrena, vady tonga lafatra ho an’i Salômôna

2Ny Fahendrena no tiako sy nokatsahiko

hatramin’ny fahatanorako;

naniry azy ho andefimandriko aho,

ka raiki-pitia tamin’ny bikany.

3Mampiharihary ny fahamboniam-piaviany izy,

satria miara-monina amin’Andriamanitra;

ary tia azy ny Tompon’izao rehetra izao.

4Fa ny fahalalan’Andriamanitra no iombonany

ka afa-misafidy ny asany izy.

5Raha zava-tsoa tokony ho irina ny harena

amin’izao fiainana izao,

inona no manan-karena kokoa noho ny Fahendrena

izay mahavita ny zavatra rehetra.

6Raha mahavita zavatra ny fahalalantsika,

tsy vao mainka manoatra noho izany ve

ny Fahendrena izay mpamorona ireo zava-misy?

7Tia fahamarinana ve ianareo?

Izy no mahavokatra ireo hatsaram-panahy,

mampianatra ny fahononana amam-pahamalinana

ary ny fahamarinana amam-paherezana;

tsy misy ilain’ny olombelona kokoa noho ireny

amin’izao fiainana izao.

8Maniry hanam-pahalalana

lalindalina kokoa ve ianareo?

Fa ny Fahendrena dia mahafantatra ny lasa

ary mahay maminavina ny ho avy,

mahatakatra ny oha-teny misafelika

sy mahavaly ny ankamantatra,

mahalala mialoha ny famantarana

aman-java-mahatalanjona

sy ny fizotran’ny vanim-potoana aman-tononandro.

9Koa tapa-kevitra aho haka azy

ho namana eo amin’ny fiainako;

fantatro fa ho mpanolotsaina ahy hanao ny soa

sady izy koa no ho mpankahery ahy

amin’ny fanahiana sy ny alahelo.

10Fa hoy aho anankampo hoe:

«Ny fahendrena no hahazoako

voninahitra eo amin’ny vahoaka

sy haja eo amin’ny anti-panahy

na dia mbola tanora aza aho.

11Hahafantatra ny fahiratan-tsaiko ny olona

rehefa manao fitsarana aho,

ary hitolagaga eo anatrehako ny lehibe.

12Raha mangina aho, dia hiandry ahy hiteny izy;

raha miteny aho, dia hifantoka hihaino izy;

ary raha mihalava ny kabariko,

dia hitampim-bava ho fanajana ahy izy.

13Izy no hahazoako ny tsifahafatesana;

ka fahatsiarovana mandrakizay

no havelako ho an’ny taranaka.

14Hitondra vahoaka aho,

ary hoeken’ireo firenen-kafa.

15Hatahotra ahy ny mpanjaka lozabe,

raha vao mandre ny amiko;

halemy fanahy amin’ny vahoakako aho

ary hahery fo amin’ny ady.

16Hiala sasatra eo anilan’ny Fahendrena aho

rehefa mody ao an-tranoko,

fa tsy mba misy ngidy na alahelo

ny fiarahana sy fiombonana aminy,

fa fifaliana sy firavoravoana ihany.»

Tapa-kevitra hangataka ny Fahendrena i Salômôna

17Nodinihiko tao anatiko tao

izany zavatra izany;

ary takatro tao am-poko fa hoe:

Miantoka ny tsifahafatesana

ny firaiketana amin’ny Fahendrena;

18fahafinaretana lavorary

no vokatry ny fisakaizana aminy;

harena tsy mety ritra

no vokatr’ireo asan’ny tanany;

hahazoana fahiratan-tsaina

ny fifankazarana tsy tapaka aminy

ary hahazoan-daza

ny fifandraisana amin’ny teniny.

Izany no nivezivezeko nitady tetsy sy teroa

izay fomba hahazoana azy ho andefimandriko.

19Marina fa zaza tsara toetra aho

sady nandray fanahy mahafatra-po;

20na izao angaha: efa mahafatra-po rahateo aho,

ka tonga tao amin’ny vatana tsisy loto.

21Fantatro kosa fa tsy hahazo ny Fahendrena aho,

raha tsy omen’Andriamanitra ahy izany;

ary ny mahalala ilay fiavian’io fanomezana io

dia efa porofon’ny fahiratan-tsaina.

Koa nitodika tamin’ny Tompo aho sy nivavaka taminy;

ka araka ny foko manontolo

no nilazako taminy hoe:

Vavaka hahazoana ny Fahendrena(Jereo 1 Mp 3.6-9)
Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help