1Nandefa iraka ho any amin’i Hôlôferna ireo mponina amoron-tsiraka ireo mba hitondra tenim-pihavanana manao hoe:
2–Indreto izahay mpanompon’i Nebokadnetsara mpanjaka lehibe fa tonga manatrika anao. Ataovy izay tianao hatao aminay.
3Ny toby fambolenay sy fiompianay, ny sahanay, ny tanimbarinay, ny omby sy ondry aman’osinay ary ny tanimbilona rehetra anananay dia samy azonao anaranam-po. Ataovy izay hataonao aminy.
4Anao ny tanànanay, ary mpanomponao ny mponina ao aminy. Tongava amin’ireo tanànanay ireo araka izay sitrakao.
5Tonga teo anatrehan’i Hôlôferna ireo iraka ireo ka niteny taminy araka ireo tenim-pihavanana ireo.
6Tamin’izay no nandroso nanaraka ny morontsiraka i Hôlôferna sy ny tafiny. Nametrahany miaramila mpiambina ireo tanàna mimanda ary narotsany ho anisan’ny mpiantafika miaraka aminy kosa ireo vatan-dehilahy voafantina.
7Manerana izany faritany izany, dia olona miravaka fehiloha sy mandihy ombàn’ampongatapaka no nandray azy.
8Nandrava ny trano fivavahana i Hôlôferna sady nanapatapaka ny hazomasina. Baiko nomena azy manko ny hamongotra ny andriamanitra rehetra eran’ny tany noteteziny, hany ka hitsaoka an’i Nebokadnetsara irery ihany ny firenena rehetra, ary hiantso azy ho andriamanitra ny fiteny sy ny foko rehetra.
9Avy eo i Hôlôferna dia tonga teo anoloan’i Jizrehela, tao akaikin’i Dôtàna izay manatrika ny tandavan-tendrombohitr’i Jodea.
10Niorin-toby teo anelanelan’i Gebà sy i Sitôpôly izy, ka nijanona iray volana teo mba hanangona ny vatsy rehetra ilain’ny tafiny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.