Bena-Siràka 28 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Izay mamaly ratsy ny hafa

dia hahita famaliana avy amin’ny Tompo,

fa hosarotsarotiny tokoa Izy

amin’ny fahotan’izany olona izany.

2Avelao ny tsy rariny nataon’ny namanao;

dia havela heloka ianao, rehefa mivavaka.

3Akory ity olona mitahiry

fahatezerana amin’olon-kafa,

nefa mangataka amin’ny Tompo

fanasitranana ho an’ny tenany;

4tsy mba mamindrafo amin’ny olombelona tahaka azy izy,

ka ahoana no mivavaka hamelàn-keloka ny tenany?

5Izy nofo osa sy malemy aza mitahiry lolom-po,

ka iza indray no hahazoany famelan-keloka?

6Tsarovy ny hiafaranao ka atsaharo ny fankahalana;

tsarovy ny fahafatesana amam-pahalòvana

ary dia tandremo ny didin’Andriamanitra.

7Tsarovy ny didy ka aza manao lolom-po amin’ny namana;

tsarovy ny fanekempihavanan’ilay Avo Indrindra,

ary ataovy odian-tsy hita ny hadisoan’olona taminao.

Ny fifandirana

8Halaviro ny fifandirana, dia hihavitsy ny fahotanao,

satria ny olona saro-po no hampirehitra ny fifandirana;

9mampikorontana ny mpisakaiza kosa ny mpanota

sady mampisy saritaka eo anivon’ny mpihavana.

10Arakaraka ny kitay amelomana azy

no hirehetan’ny afo;

ary arakaraka ny ikirîna mafy hifanditra

no hirehetan’ny fifandirana.

Arakaraka ny fahatanjahan’ny olona no hahatezerany,

ary arakaraka ny harena ananany no hahavinirany.

11Fifanolanana tsy ampoizina no mampirehitra ny afo;

ary fifandirana tampoka no mampandriaka ny ra.

12Raha tsofinao ny vainafo dia hirehitra,

ary raha rorànao kosa izy dia ho faty,

kanefa samy nivoaka avy tao am-bavanao izany.

Ny mpanao vava ratsy

13Ho voaozona anie ny mpitakoritsika sy mpiroa lela,

fa maro ny mpihavana izay efa simbany!

14Efa nampihozongozona olona maro tokoa

ny sahoan-dresaka naely momba azy

sady efa nandroaka azy hifindrafindra firenena;

efa nandoza tanàna mimanda koa izany

ary efa nampikorontana ny ankohonan’ireo lehibe.

15Efa nampandroaka vehivavy mahery fo

ny sahoan-dresaka naely momba azy,

sady efa nahafoana ny vokatry ny asany.

16Izay mihaino ny sahoan-dresaka

dia tsy mba hahita ny fitsaharana

ary tsy hitoetra hombàm-piadanana intsony.

17Mampisy mangana ny famelezan’ny karavasy,

fa manapa-taolana ny famelezan’ny sahoan-dresaka.

18Maro no efa lavon’ny lelan-tsabatra,

kanefa vitsy noho ny efa lavon’ny sahoan-dresaka.

19Sambatra izay voaaro tsy tratry ny sahoan-dresaka,

dia izay tsy voatolotra hiharan’ny fisafoahany

sady tsy mitondra ny ziogany

no tsy voagejan’ny fatorany.

20Zioga vy tokoa ny ziogan’ny sahoan-dresaka.

ary fatorana varahina ny fatorany;

21fahafatesana mahatsiravina ny fahafatesana afitsony,

ka aleo ny toeran’ny maty noho ny sahoan-dresaka.

22Tsy mba voafehin’ny sahoan-dresaka ny olona tia vavaka

ary tsy mba handoro azy ny firedaredan’ny afony.

23Izay mahafoy ny Tompo no ho lavo

amin’ny famelezan’ny sahoan-dresaka

hirehitra tsy mety maty eo aminy;

fa halefa hamely azy tahaka ny liona izany

ary hamiravira azy tahaka ny biby leôparda.

24Jereo fa hodidininao fefy tsilo ny taninao,

ary fehezinao mafy ny volafotsinao sy volamenanao;

25btoy izany koa asio varavarana voahidy tsara ny vavanao,

25aary imasoy fatratra ny handanjalanjanao ny teninao.

26Tandremo mba tsy ho diso amin’ny teny ianao,

fandrao ho potraka eo anoloan’izay mitily anao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help