Josoa 19 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny zaratanin’i Simehôna

1Ny anjara navoakan’ny antsapaka faharoa dia azon’ny foko simehônita ho an’ireo tarika ao anatiny. Ny zarataniny dia tao anivon’ny an’ireo taranak’i Joda.

2Anisan’izany i Beera-Seba, i Seba, i Môladà,

3i Hatsara-Sohala, i Balà, i Hetsema,

4i Eltôlada, i Betola, i Hôrmà,

5i Tsiklaga, i Bety-Markabôta, i Hatsara-Sosà,

6i Bety-Lebaôta ary i Saroheny: izany hoe tanàn-dehibe 13 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy.

7Tao koa i Haîna, i Rimôna, i Hetera ary i Hasàna: izany hoe tanàn-dehibe efatra miampy ireo tanàna kely miankina aminy,

8dia ireo tanàna kely rehetra hatrany Bahalato-Beera sy hatrany Ramata-Negeba. Izany no zaratany nolovan’ny foko simehônita ho an’ireo tarika ao anatiny.

9Ny zaratany azon’ny Simehônita dia nalaina tamin’ny anjaran’ireo taranak’i Joda satria nalalaka ho an’ny taranak’i Joda ny zaratany azony. Izany no nahazoan’ny taranak’i Simehôna anjara teo anivon’ny lovan’i Joda.

Ny zaratanin’i Zebolòna

10Ny anjara voatendrin’ny antsapaka fahatelo dia azon’ny Zebolonita ho an’ireo tarika ao anatiny. Ny velaran’ny zarataniny dia mitatra hatrany Sarida.

11Avy eo ny sisin-taniny dia miankandrefana hatrany Marehala, ka mahazo an’i Dabeseta ary koa ny lohasahan-driaka izay eo atsinanan’i Jôknehama.

12Raha hatreo Sarida kosa no miantsinanana, ny sisin-tany dia mipaka any amin’ny faritanin’i Kislôta-Jabôra, sy mandroso hatrany Daberata ary miakatra hatrany Jafia.

13Avy eo miampita miantsinanana any Gata-Hefera sy Heta-Katsîma, dia mandroso hatrany Rimôna ary mipaka any Neha.

14Any avaratra dia mihodidina an’i Hanatôna ny sisin-tany ka miafara ao amin’ny lohasahan’i Jiftahela.

15Ny velaran-tanin’i Zebolòna dia nisy tanàn-dehibe 12 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy; ka anisan’ireo tanàna 12 ireo i Katata, i Nahalala, i Simrôna, i Jidalà, ary i Betlehema.

16Ireo tanàn-dehibe rehetra ireo miampy ny tanàna kely miankina aminy no zaratanin’ny Zebolonita ho an’ireo tarika ao anatiny.

Ny zaratanin’i Jisakara

17Ny anjara navoakan’ny antsapaka fahefatra dia azon’ny taranak’i Jisakara ho an’ireo tarika ao anatiny.

18Ka ny velaran-taniny dia mahafaoka an’ireto tanàn-dehibe ireto: i Jizrehela, i Kesolôta, i Sonema,

19i Hafaraîma, i Siôny, i Anaharata,

20i Rabita, i Kisiôna, i Ebetsy,

21i Remeta, i Haîna-Ganima, i Haîna-Hadà, ary i Bety-Patsetsa.

22Ny sisin-tany dia mihazo an’i Jabôra sy i Sahatsaîma ary i Bety-Semesa, ka miafara any Jôrdàna. Ny velaran-tanin’i Jisakara dia nisy tanàn-dehibe 16 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy.

23Ireo tanàn-dehibe rehetra ireo miampy ny tanàna kely miankina aminy no zaratany nolovan’ny foko taranak’i Jisakara ho an’ireo tarika ao anatiny.

Ny zaratanin’i Asera

24Ny anjara navoakan’ny antsapaka fahadimy dia azon’ny foko aserita ho an’ireo tarika ao anatiny.

25Ka ny velaran-taniny dia mahafaoka an’ireto tanàn-dehibe ireto: I Helkata, i Halỳ, i Betèna, i Aksafa,

26i Alameleka, i Hamehada ary i Misala. Ny sisin-tany, lafy andrefana dia mipaka amin’ny tendrombohitra Karmela sy amin’ny lohasahan-driaka Sihôra-Libnata.

27Ny sisin-tany, lafy atsinanana, dia mitodika ho any Bety-Dagôna ka mifandray amin’ny tanin’i Zebolòna sy mihazo ny lohasahan’i Jiftahela ary mianavaratra mankany Bety-Hemeka sy Nohiela. Avy eo mandalo amin’ireto tanàn-dehibe ireto: dia i Kabela, i Misala,

28i Habdôna, i Rehôba, i Hamôna, ary i Kanà; ka miafara any Tsidôna, tanàna lehibe.

29Avy eo ny sisin-tany dia mihodina hatrany Ramà sy hatrany Tiro tanàna mimanda, dia mihodina ho any Hôsa ary mihatra amin’ny Ranomasina Mediteranea ka mahafaoka an’ireto tanàn-dehibe ireto: i Mehaleba, i Akziba,

30i Homà, i Afeka ary i Rehôba. Ny velaran-tanin’i Jisakara dia nisy tanàn-dehibe 22 samy miampy ny tanàna kely miankina aminy.

31Ireo tanàn-dehibe ireo miampy ny tanàna kely miankina aminy no zaratany nolovan’ny fokon’i Asera ho an’ireo tarika ao anatiny.

Ny zaratanin’i Naftalỳ

32Ny anjara navoakan’ny antsapaka fahenina dia azon’ny taranak’i Naftalỳ ho an’ireo tarika ao anatiny.

33Ny sisin-taniny, lafy avaratra, dia miainga hatreo Helefa, hatreo amin’ilay oaka akaikin’i Tsahananima, dia mandalo an’i Adamỳ-Nekeba sy i Jabneela, ka tonga hatrany Lakôma ary miafara eo Jôrdàna.

34Eo andrefan’i Helefa kosa dia mihodina mankany Aznôta-Jabôra ilay sisin-tany ary mandroso hatrany Hakôla. Miolotra amin’ny tanin’i Zebolòna kosa ny sisin-tany, lafy atsimo; miolotra amin’ny tanin’i Asera ny sisin-tany, lafy andrefana; ary i Jôrdàna no sisin-tany, lafy atsinanana.

35Ireo tanàna mimanda kosa dia i Tsidima, i Tsera, i Hamata, i Kinereta,

36i Adamà, i Ramà, i Hatsôra,

37i Kedesa, i Edrehỳ, i Haîna-Hatsôra,

38i Jirôna, i Migdaliela, i Hôrema, i Bety-Hanata ary i Bety-Semesa; izany hoe tanàn-dehibe 19 samy miampy ny tanàna kely miankina aminy.

39Ireo tanàn-dehibe ireo miampy ny tanàna kely miankina aminy no zaratany nolovan’ny foko taranak’i Naftalỳ ho an’ireo tarika ao anatiny.

Ny zaratanin’i Dana

40Ny anjara navoakan’ny antsapaka fahafito dia azon’ny foko danita ho an’ireo tarika ao anatiny.

41Ny velaran-taniny dia mahafaoka an’ireto tanàna ireto: i Tsôrehà, i Estaôla, i Hira-Semesy,

42i Sahalabîna, i Aialôna, i Jitlà,

43i Elôna, i Timnà, i Hekrôna,

44i Eltekè, i Gibetôna, i Bahalato,

45i Jehoda, i Bene-Beràka, i Gata-Rimôna,

46ary i Rakôna; ao koa ny ranon’i Jarkôna sy ny tany manodidina an’i Jafao.

47Nony tsy voatanan’ny Danita io faritany io, dia nianavaratra ireo ka niady tamin’i Lesema. Nalainy ny tanàna ary naringany tamin’ny sabatra ny mponina tao; lasany tanteraka i Lesema ka nipetrahany. Ary i Lesema dia nantsoiny hoe Dana, araka ny anaran’i Dana razambeny.

48Ireo tanàn-dehibe ireo samy miampy ny tanàna kely miankina aminy no zaratany nolovan’ny foko danita ho an’ireo tarika ao anatiny.

49Ary rehefa vitan’ny Israelita ny fizaràna ny tany araka ny sisin-taniny avy, dia nomeny zaratany kosa i Josoa, zanakalahin’i Nona.

50Araka ny baikon’ny TOMPO, dia nomena an’i Josoa ny tanàna izay nangatahiny, izany hoe i Timnata-Sera ao amin’ny tendrombohitr’i Efraîma. Dia namboarin’i Josoa ilay tanàna ka nonenany.

51I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ny filoham-pianakaviana israelita no nizara ireo tany lova ireo. Tao Silao no nizarany azy antsapaka teo anatrehan’ny TOMPO, dia teo am-baravaran’ny Tranolay fihaonana. Toy izany no nahavitana ny fizaràna ny tany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help