Isaià 13 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny fiafaràn’i Babilôna

1Hafatra momba an’i Babilôna araka ny fahitàn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa.

2Hoy ny TOMPO hoe: «Manangàna faneva

eo an-tendrombohitra mangadihady.

Ampandreneso amin’ny koka lava ireo mpiady.

Hofahofay tanana izy mba hiditra

amin’ny vavahadin’ny miaramila manolo-tena.

3Izaho mihitsy no mibaiko ireo voatokana ho Ahy

Izaho koa no niantso ireo mpiady mahery,

dia ireo faly handresy ho voninahitro

mba hanehoana ny fahatezerako.»

4Henoy izany horakoraka any an-tendrombohitra

fa toy ny feon’ny vahoaka marobe.

Henoy izany fitabatabana

ataon’ny fanjakana sy firenena maro tafavory:

ny TOMPOn’izao rehetra izao

no misafo ny andian-tafika hiady.

5Tonga avy any an-tany lavitra ireo,

avy any am-paravodilanitra any

hoenti-mandrava manontolo io tany io:

ny TOMPO sy ireo fitaovan’ny fahatezerany izany.

6Manaova kiakiakam-pisaonana,

satria akaiky ny andron’ny TOMPO;

toy ny loza tsy hay tohaina no firongany

avy amin’Andriamanitra Tsitoha.

7Noho izany dia hiraviravy tanana ny besinimaro

ary ho ketraka ny fon’ny olona rehetra.

8Ho very hevitra tokoa izy

noho ny fanaintainana sy ny fahoriana mahazo azy

ka hiolanolana toy ny vehivavy hiteraka.

Talanjona izy mifampijery

ka mivaloarika ny tarehiny.

9Indro avy ny andron’ny TOMPO,

andro ombàm-pahatezerana tsy azo ivalozana

sy isehoam-pahavinirana mirehitra,

ka hahatonga izany tany izany ho hay

sady handringanana ny mpanota tsy ho ao intsony.

10Ny kintana eny an-danitra, na ny telonohorefy aza,

dia tsy hampamirapiratra ny fahazavàny intsony;

vao miposaka ny masoandro dia ho maizina,

ary ny volana tsy handefa ny tarany intsony.

11Hoy ny Tompo hoe: «Hirotsaka an-tsehatra Aho

hamaly ny faharatsian’izao tontolo izao

sy ny heloka vitan’ny olon-dratsy.

Hatsahatro ny fireharehàn’ny mpiavonavona

ary haetriko ny rehaky ny mpanao didy jadona.

12Hataoko mahalana ny olombelona

ka ho saro-tadiavina noho ny volamena madio,

mahalana ka ho saro-tadiavina

noho ny volamena avy any Ôfira aza.»

13Ny lanitra dia hihozongozona

ary ny tany hihovitrovitra eo amin’ny toerany

noho ny fahatezeran’ny TOMPOn’izao rehetra izao,

dia amin’ny andro hirehetan’ny fahavinirany.

14Amin’izany ny olona ho tahaka ny gazela hazaina

na ho tahaka ny ondry aman’osy tsy misy mpiandry,

ka samy ho lasa any amin’ny fireneny avy

sy handositra any amin’ny taniny avy.

15Izay rehetra ho hita ao Babilôna

dia ho gorobaky ny tsipîka,

ary izay rehetra ho tratra ao

dia hovonoina amin’ny sabatra.

16Hotorotoroina eo imasony ny zanany madinika

ary horobaina ny tranony sady hosavihina ny vadiny.

17Hoy ny TOMPO hoe: «Indro hampirisihiko hamely azy

ny Medianina izay tsy tia volafotsy

sady tsy mankamamy volamena.

18Haringany amin’ny tsipîkany ny tanora,

tsy hamindrany fo ny zaza vao teraka,

ary tsy hiantrany akory ny ankizy.»

19I Babilôna, izay ravaky ny fanjakana

sady tabiha sy reharehan’ny Babilônianina,

dia horavàn’Andriamanitra

tahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra.

20Tsy honenana intsony i Babilôna

ary tsy hisy mponina mandrakizay.

Tsy hanorin-day ao ny mpifindrafindra lasy

ary tsy hampandry ondry ao ny mpiandry ondry.

21Sakadia no hiorim-ponenana ao

ary vorondolo no hameno ny tranony.

Vorombe no hanao akany ao

ary osidia no hifalihavanja ao.

22Ny fosa no hinaonaona ao an-tranobeny,

ary ny amboadia no honina ao an-dapany.

Akaiky ho tonga ny oran’i Babilôna;

ary tsy hisy hataka andro intsony ho azy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help