Bena-Siràka 23 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Tompo ô, Ray sady Mpiandraikitra ny fiainako Ianao;

aoka aho tsy havelanao hanaraka

ny fironan’ireo taovam-pitenenako

ary aoka tsy havelanao hahalavo ahy ireo!

2Aoka ny fisainako hampiharanao karavasim-pamolahana

ary aoka ny foko hampiharanao fifehezam-pahendrena,

ka tsy hitsitsy ahy amin’ny hadalàko Ianao

ary tsy hamela ahy ho afa-poana ny fahotako!

3Dia tsy hampiavosa ny hadisoako aho

ary tsy hampitombo isa hatrany ny fahotako,

ka ho afa-mijoro eo anoloan’ny mpanohitra ahy

ary koa tsy hifalian’ilay fahavaloko.

4Tompo ô, Ray sady Andriamanitry ny fiainako Ianao;

aza avela hanana fijery tsy maotina aho

5ary avilio hiala amiko ny fitsiriritan-dratsy;

6tsy ho azon’ny filàm-pijangajangana

sy ny fanaranam-pahalotoana anie aho

ary tsy havelanao hirona velively

amin’ny fiontanam-po mamoafady!

Mahay mamehy teny amin’ny teny atao:(a) ny fianianana

7Rey anaka, henoy ny fomba fifehezam-bava;

izay mitandrina izany tsy mba ho voasingotra.

8Ny mpanota no ho voafandriky ny teny ataony;

eo koa no hahalavo ny mpaniratsira sy mpiavonavona.

9Aoka ny vavanao tsy hozarinao hanao fianianana,

na koa hanonontonom-poana ny anaran’ilay Masina!

10Toy ny mpanompo narahi-maso hatrany

ka tsy maintsy hitondra diam-kapoka eo aminy,

toy izany koa izay manao fianianana

sy manonontonon-dava ny anaran’ilay Masina

dia tsy hialam-pahotana na oviana na oviana.

11Ny olona fatra-pianiana dia mampitombo hadisoana

ka tsy hialan’ny karavasy hamaizana azy ao an-tranony.

Raha mianiana tsy nahy izy, dia hianjeran’ny fahotany;

raha mianina maivan-doha izy, dia manota roa heny;

raha nianiana tsy marina izy, dia hiharam-panamelohana

ary ho tototry ny famaizana mafy kosa ny ankohonany.

Mahay mamehy tena amin’ny teny atao:(b) ny fomba fiteny

12Misy fomba fiteny masiaka tahaka ny fahafatesana:

tsy handrenesana izany anie eo amin’ny zaratanin’i Jakôba!

Hofadîn’ny olona tia vavaka manko izany rehetra izany

ka tsy mba hihosinkosina amin’ireny fahotana ireny izy.

13Aoka ny vavanao tsy hozarinao amin’ny valavala ratsy

fa mahatonga hanota amin’ny fiteny izany!

14Tsarovy ny rainao sy ny reninao

rehefa mitoetra eo amin’ny fivorian’ny lehibe ianao,

fandrao tsy mahatsiaro tena ianao eo anoloany

ka hoentin’ny fahazaranao hilaza hadalàna;

izay vao haniry ny tsy ho nateraka ianao

sy hanozona ny andro nahaterahanao.

15Ny olona zatra amin’ny fiteny tsy mendrika

dia tsy laitra anarina velively

amin’ny andro rehetra mbola hiainany.

Fahalotoana amam-pijangajangana:(a) ny lehilahy mpanaram-batana

16Maro karazana ny lehilahy manavosa fahotana,

fa misy karazany anankiray manokana

mihantsy ny fahatezeran’Andriamanitra:

dia ny lehilahy entanin’ny fanirian-dratsy

izay mirehitra hoatra ny afo midedadeda

ka tsy azo vonoina mandra-pahalefy azy;

mitolo-batana amin’ny fahalotoana izy ireny

ka tsy hijanona mihitsy mandra-pandoron’ny afo azy;

17mamy avokoa ny vehivavy amin’ny lehilahy mpiliba

ka tsy hahatofoka azy izany mandra-pahafatiny.

18Ao koa ny lehilahy mpandao ny fandrian’izy mivady

ka manao anakampo hoe: «Iza no hahita ahy?

Ny haizina manarona ahy, ny rindrina manakona ahy;

tsy misy olona mahatazana ahy, ka inona no ahîko?

Ilay Avo Indrindra tsy hahatsiaro ny fahotako akory.»

19Ny mason’ny olombelona no atahorany;

ary tsy fantany fa ny mason’ny Tompo

dia mahiratra inarivonarivo noho ny masoandro

ka voajeriny avokoa ny fomba fiainan’ny olombelona

ary tazany hatrany amin’ny toerana faran’izay miafina.

20Fantatry ny Tompo izao rehetra izao

talohan’ny nahariany azy mihitsy aza;

ary mbola fantany hatrany ireny

rehefa tontosa ny famitana azy.

21Amin’ny fotoana tsy ampoiziny akory

no hisamborana ny lehilahy toy izany,

ka eny an-dalamben’ny tanàna no hanafaizana azy.

Fahalotoana amam-pijangajangana:

(b) ny vehivavy mpanitsakitsa-bady

22Toy izany koa no hanjo ny vehivavy mpandao ny vadiny

ka miteraka mpandova tamina lehilahy hafa:

23voalohany, nandika ny Lalànan’ny Avo Indrindra izy;

manaraka izany, meloka tamin’ny vadiny koa ravehivavy;

fahatelo, nanao toetra maharikoriko izy

tamin’ny nanitsakitsahany ny vadiny

ary niteraka zaza tamina lehilahy hafa.

24Hoentina eo anatrehan’ny fivoriam-bahoaka

izany vehivavy izany mba hotsaraina;

ary ny amin’ireo zanany koa

dia hanaovana famotopotorana.

25Ny zanany tsy ho mpiray firenena amin-dravehivavy

ary ny zanak’ireo koa tsy hanana izany zo izany.

26Ny fahafaham-baràka hanjo ny vehivavy toy izany

dia tsy ho voakosoka na oviana na oviana;

ary ozona no hiraikitra amin’ny fahatsiarovana azy.

27Dia ho fantatr’izay olona sisa tavela

fa tsy misy tsara noho ny fanajana ny Tompo,

ary tsy misy mamy noho ny mitandrina ny didiny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help