Tôbita 6 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ilay trondro makadiry

1Niainga ity tovolahy; ary ilay anjely no niaraka taminy. Ny alika tao an-trano ihany koa dia niara-dalana tamin’izy ireo. Lasa tokoa ity tovolahy sy ilay anjely. Tamin’ny alina voalohany, dia nilasy teo amoron’ny ony Tigra izy.

2Nidina hisasa tongotra tao amin’ny ony ity tovolahy, ka nisy trondro makadiry niantsambotra avy ao anaty rano ary nanambana handrapaka ny tongony anankiray.

Nihoraka i Tôbià;

3fa hoy kosa ilay anjely taminy:

–Sambory io trondro io ary tazony mafy.

Voatanan’ity tovolahy ilay trondro ary notarihiny ho eny an-tanety.

4Dia hoy ny anjely tamin’i Tôbià:

–Tataho io trondro io, dia esory ny fony sy ny aty aman’aferony ka tahirizo; fa ny tsinainy no ario. Izany fo sy aty aman’afero izany manko dia mahasoa tokoa ho fanafody.

5Dia notatahan’ity tovolahy ilay trondro ka nesoriny ny fony sy ny aty aman’aferony. Nisy ampahan’ny nofon-trondro nendasiny, fa ny sisa kosa nasiany sira mba hotahirizina.

6Ary nanohy dia ireto mpandeha anankiroa ka nanakaiky an’i Media.

7Tamin’izay no nanontanian’ity tovolahy ilay anjely ka nataony hoe:

–Ry Hazarià malalako, fa mba inona no fanafody ao anatin’ny fo sy aty aman’aferon-trondro?

8Dia novalian’ilay anjely hoe:

–Raha misy lehilahy na vehivavy asian’ny demony na ny fanahy ratsy, dia ny fo aman’atin-trondro no dorana eo anoloan’ilay olona. Ny setroka miakatra avy eo no hampanalavitra ny demony mamely azy ary ho afaka mandrakizay amin’izany izy.

9Ny afero kosa dia fampiasa, rehefa misy fotsy maso: ahosotra ny maso izany, dia tsofina ny pentina fotsy, ary sitrana ny maso.

Nasain’i Rafaela hanambady an’i Sarà i Tôbià

10Rehefa tonga tao Media ireto mpandeha ka nanakaiky an’i Ekbatàna,

11dia hoy i Rafaela tamin’ity tovolahy:

–Ry Tôbià havako ô!

Ka novaliany hoe:

–Ahoana izay ê!

Dia hoy indray i Rafaela:

–Anio alina, dia ao amin’i Ragoela havanao no tsy maintsy hiantrano isika. Manana zanakavavy anankiray atao hoe Sarà izy.

12Ankoatra azy, dia tsy manan-janaka hafa izy, na lahy na vavy. Ianao no havana akaiky indrindra amin’i Sarà, ka voalohany manan-jo hanambady azy sy handova ny fananan-drainy. Tovovavy misaina i Sarà, be herimpo ary tsara bika aoka izany. Ny rainy koa dia olom-banona.

13Manan-jo hanambady azy ianao. Henoy tsara aho, ry sakaiza: dieny anio hariva, dia hiresaka momba io tovovavy io amin-drainy aho mba hahazoantsika azy ho fofombadinao; ary rehefa miverina avy any Ragao isika, vao hankalaza ny fanambadiana. Fantatro fa tsy afaka ny handà ny hanome an’i Sarà anao i Ragoela, ary tsy afaka ny hanolotra azy ho fofombadin’olon-kafa. Raha tsy izany, dia hovonoina ho faty izy, araka ny tinapaky ny bokin’i Mosesy, satria fantany fa anjaranao alohan’ny lehilahy hafa ny hanambady ny zanakavaviny. Koa henoy tsara aho, ry sakaiza: dieny anio hariva, izaho sy i Ragoela dia hiresaka ny amin’io tovovavy io sy hangataka azy ho fanambadianao. Rehefa miverina avy any Ragao isika, dia halaintsika izy hoentina any an-tranonao.

14I Tôbià kosa namaly an’i Rafaela hoe:

–Ry Hazarià malalako, henoko fa efa nampanambadiana impito i Sarà; kanefa maty avokoa izy fito lahy, maty tao amin’ny efitrano fampakarana. Nandritra ny alina, fony hanatona an’i Sarà iny, no maty ireo mpampakatra azy. Nisy nilaza tamiko aza fa demony mihitsy no namono azy ho faty.

15Izany no mampatahotra ahy. Tsy ilay tovovavy no ampahorîn’ny demony; fa izay lehilahy te hanatona ilay tovovavy no vonoiny ho faty. Lahitokan-draiko aho, ka raha maty eo, dia hampalahelo mafy ny ray aman-dreniko, ka hampidina azy roa any am-pasana; ary tsy manan-janakalahy hafa izy handevina azy.

16Fa hoy indray i Rafaela tamin’i Tôbià:

–Hadinonao ve fa ny rainao no nanafatrafatra anao mba haka vady eo amin’ny havanao? Koa henoy aho, ry sakaiza: aza manahy ny amin’izany demony izany, fa aoka ianao hanambady an’i Sarà! Fantatro fa izao anio hariva izao no hanomezana azy ho vadinao.

17Kanefa, vantany vao tafiditra ao amin’ny efitra fampakarana ianao, dia makà sombin’ilay fo aman’aferon-trondro ka ataovy eo ambonin’ny vainafo fandoroana ditin-kazo manitra. Hihanaka ny fofon’io fo aman’aferon-trondro may io, ka rehefa hamboloin’ny demony, dia hampandositra azy. Tsy ho hita mihaodihaody manodidina an’ilay tovovavy intsony izany demony izany.

18Rehefa tonga ny fotoana hiraisanao amin’i Sarà, dia mitsangàna aloha ianareo roa hivavaka sy hitalaho amin’ilay Tompon’ny lanitra mba hamindrany fo aminareo sy hiarovany anareo. Aoka izay ny tahotra! Ianao manko no nanokanana an’i Sarà hatrizay hatrizay ary ianao mihitsy no hanafaka azy. Handeha hiaraka aminao izy ary azoko antoka fa hanananao zaza izay holalainao fatratra. Koa aza manahy!

19Henon’i Tôbià ny tenin’i Rafaela ka nahalalany fa havany sy iray firazanana aminy tokoa i Sarà; dia notiaviny fatratra ilay tovovavy ary niraiketan’ny fony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help