Levitîka 23 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ireo fankalazana fanaon’ny Israelita: Ny Sabata

1Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO

2mba hamepetra ny Israelita hoe:

«Ny fankalazana manetriketrika naraikitro dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo; ka ireto avy ireo fankalazana manetriketrika naraikitro:

3«Andro enina no hanaovan-draharaha; fa ny fahafito dia sabata tena andro fitsaharana, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo. Aza manao raharaha akory ianareo, fa sabata hanajana Ahy TOMPO izany, na aiza na aiza onenanareo.

4«Ireto kosa no fankalazana manetriketrika hafa naraikitro ka hasiana fanompoam-pivavahana koa amin’ny fotoany avy:

Fetin’ny Paska sy fankalazana ny mofo tsy misy leviora

5«Ny volana voalohany, andro faha-14, rehefa hariva, dia fankalazana ny Paska hanajana Ahy TOMPO.

6«Io volana io ihany, andro faha-15, no anombohan’ny fetin’ny mofo tsy misy leviora hanajana AHY. Mandritra ny fito andro, dia mofo tsy misy leviora ihany no hohaninareo.

7Ny andro voalohany amin’ireo andro fito ireo, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.

8Isan’andro mandritra ireo andro fito ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ary ny andro fahafito, dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.»

Fetin’ny amboaram-bary voalohany

9Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO

10mba hamepetra ny Israelita hoe:

«Rehefa tafiditra any amin’ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatrareo any, dia mitondrà ilay amboara voalohany amin’ny vary ôrza hojinjainareo ho any amin’ny mpisorona.

11Hahevahevany eo anatrehako no fomba fanolorana ilay amboara, mba hahazoanareo sitraka amiko; ka ny ampitson’ny sabata no hanevahevàny azy eo anatrehako.

12Iny andro hanoloranareo ny amboaram-bary iny, dia manatera zanakondrilahy tsy misy kilema sady iray taona ianareo mba ho sorona dorana manontolo ho Ahy TOMPO.

13Ny fanatitra vokatry ny tany hampombaina io sorona io kosa dia koba lafarinina tsara milanja enina kilao, voadity tamin’ny menaka, ka hatao fanatitra levonina amin’ny afo mba ho hanitra ankasitrahiko; ary ny fanatitra araraka dia divay iray litatra sy sasany.

14Alohan’izany andro hitondranareo ny amboaram-bary ho fanatitra ho Ahy Andriamanitrareo izany, dia aza mbola misy ihinanana ny mofo na lango na voambary avy amin’ny vokatra vao niakatra: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.

Ny fetin’ny Pentekôsta

15«Manisà fito herinandro ianareo, miantomboka amin’io ampitson’ny sabata io, izany hoe miantomboka amin’ilay andro nitondranareo ny amboaram-bary voalohany ho fanatitra hahevaheva eo anatrehako. Ho fito herinandro mipaka izany;

16ka amin’ny ampitson’ny sabata fahafito dia dimampolo andro no ho voaisanareo. Amin’io andro io dia manolora fanatitra vaovao ho Ahy TOMPO indray ianareo;

17ka mitondrà, avy amin’ny fonenanareo, mofo roa ho fanatitra hahevaheva eo anatrehako. Ireo mofo ireo dia hatao amin’ny koba lafarinina tsara, milanja telo kilao, ka hasiana leviora no hanendasana azy: voaloham-bokatra natokana ho Ahy TOMPO izany.

18Miaraka amin’ireo mofo ireo, ny haterinareo koa dia zanakondrilahy fito tsy misy kilema samy iray taona, sy ombilahy iray ary ondrilahy roa mba hatao sorona dorana manontolo ho AHY; ho sorona levonina amin’ny afo ireo mba ho hanitra ankasitrahina ho AHY, sady hampombaina izany ny fanatitra vokatry ny tany sy ny fanatitra araraka.

19Hisy koa osilahy iray hataonareo sorona fanalana ny ota, ary zanakondrilahy roa samy iray taona hataonareo sorom-pihavanana.

20Hahevahevan’ny mpisorona eo anatrehako ireo zanakondrilahy roa ireo mbamin’ny mofo avy amin’ny voaloham-bokatra: dia zava-masina ho Ahy TOMPO izany ka ho anjaran’ny mpisorona.

21Amin’io andro io, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo, ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.

22«Raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjaina ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina ny salohim-bary natao hotsimponin’ny hafa amin’ny vokatrareo, fa avelao izany ho an’ny mahantra sy ny vahiny. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»

Ny andro fihobiana ny Tompo

23Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO

24mba hamepetra ny Israelita hoe:

«Ny andro voalohan’ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo; hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo amin’izany ka hihobianareo Ahy mba hahatsiarovako anareo.

25Aza manao ny raharaha andavanandro ianareo fa manolora sorona levonina amin’ny afo ho Ahy TOMPO.»

Ny andro lehibe fankalazana ny Famelàn-keloka

26Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:

27«Ny andro fahafolon’ny volana fahafito kosa dia andro fankalazana ny Famelàn-keloka; hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo amin’izany, ary hifady hanina ianareo sady hanatitra sorona levonina amin’ny afo ho Ahy TOMPO.

28Aza manao raharaha amin’io andro io, satria fankalazana ny Famelàn-keloka io, ka hanaovanareo eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo ny fombam-pivavahana famelan-keloka ho anareo.

29Fa ny olona rehetra, izay tsy mety mifady hanina amin’io andro io, dia hofongorana tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.

30Ary ny olona rehetra, izay manao raharaha amin’io andro io, dia holevoniko tsy ho eo anivon’ny vahoaka israelita

31ka aza anaovan-draharaha io andro io: ho fepetra raikitra hatrany hatrany izany ho anareo, na aiza na aiza honenanareo.

32Ho tena fitsaharana ho anareo io andro io, ary hifadianareo hanina; miantomboka amin’ny harivan’ny andro fahasivin’ny volana ka miafara amin’ny ampitso hariva no hitandremanareo io fitsaharanareo io.»

Ny fankalazana ny Tranotomboka

33Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO

34mba hamepetra ny Israelita hoe:

«Ny andro faha-15, amin’ny volana fahafito, no hiantombohan’ny fankalazana ny Tranotomboka

, ho fanajana Ahy TOMPO mandritra ny fito andro.

35Ny andro voalohany, dia hisy fanompoam-pivavahana hivorianareo ka aza manao ny raharaha andavanandro ianareo.

36Isan’andro, mandritra ireo fito andro ireo, dia sorona levonina amin’ny afo no haterinareo ho AHY. Ny andro fahavalo dia hisy indray fanompoam-pivavahana hivorianareo ka mbola hanateranareo sorona levonina amin’ny afo koa ho AHY; andro lehibe famaranana ny fankalazana izany, ka aza anaovana ny raharaha andavanandro.

37«Ireo àry no fankalazana manetriketrika naraikitro, ka hasiana fanompoam-pivavahana hivorianareo sy hanateranareo sorona levonina amin’ny afo ho AHY, dia sorona dorana manontolo ombàn’ny fanatitra vokatry ny tany, na sorom-pihavanana ombàn’ny fanatitra araraka, samy amin’ny fotoanandrony avy.

38Ireo sorona ireo dia ankoatra ny zavatra fanolotrareo Ahy TOMPO: izany hoe ny sorona fanao amin’ny andro sabata sy ny fanomezana ary ny zavatra rehetra fanalàm-boady sy an-tsitrapo.

39«Ny andro faha-15, amin’ny volana fahafito, rehefa voaangonareo ny vokatry ny tany, dia hanao fankalazana ianareo, ho fanajana Ahy TOMPO mandritra ny fito andro; ka ny andro voalohany sy fahavalo dia ho andro fitsaharana.

40Hatreo amin’ny andro voalohany, dia haka izay voankazo tsara indrindra sy sampan-drofia ary rantsan’ny hazo mikirindro na rantsan’ny hazo malahelo eny amoron-drenirano ianareo, ka haneho hafaliana mandritra ny fito andro eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.

41Eny, hankalazainareo isan-taona izany, mandritra ny fito andro amin’ny volana fahafito, ho fanajana AHY: ho lalàna raikitra hatrany hatrany izany ho anareo.

42Mandritra ny fito andro, dia Tranotomboka no hilasianareo Israelita teratany rehetra tsy an-kanavaka,

43mba hahafantaran’ny taranakareo fa tranotomboka no nampilasiako ny razany, fony Aho namoaka azy hiala tany Ejipta. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.»

44Toy izany no nameperan’i Mosesy ny Israelita ny amin’ireo fankalazana manetriketrika naraikitry ny TOMPO.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help