Bena-Siràka 50 - Malagasy Bible Interconfessionelle

I Simôna mpisorombe

1I Simôna, zanakalahin’i Ônià, no mpisorombe

nanamboatra ny tranon’Andriamanitra fahavelony

ary nanamafy ny tempoly tamin’ny androny.

2Izy no nandatsaka ny fototr’ilay rindrina

izay avo roa heny mba hanjary fanorenana

ho an’ny fefy manodidina ny tempoly.

3Tamin’ny androny koa no nanaovana ny famorian-drano,

dia dobo anankiray izay mitovy refy vava

amin’ilay dobo lehibe famorian-drano tao an-tempoly.

4Nokarakarainy ny vahoakany tsy hiharan’ny faharavana

ary nohamafisiny ny tanàna mba hahatoha fahirano.

5Akory ity voninahitra lehibe nananan’i Simôna,

rehefa nivoaka ilay Toeramasina voaefitra lamba izy

sy nitanjozotra mandeha manodidina ny tempoly.

6Toy ny kintana fitarikandro eo afovoan-drahona izy

na ny volana fenomanana amin’ny andro Paska;

7toy ny masoandro manjelanjelatra

manazava ny tempolin’ilay Avo Indrindra,

na toy ny avana mangirangirana

eo anivon-drahona mamirapiratra.

8Tsara endrika toy ny vonindraozy lohataona izy,

na toy ny felana lisy eo amoron-drenirano

na ny zava-maitson’i Libano amin’ny fahavaratra;

9mendri-kaja izy, toy ny vovo-javamanitra

izay mirehitra eo amin’ny alitara fandorana azy,

na toy ny fanaka volamena

voaravaka vatosoa isan-karazany.

10Toy ny hazo ôliva efa mamokatra voa i Simôna

na toy ny hazo kipresy mijoalajoala manaka-drahona.

11Rehefa nanao ny akanjo rebareban’ny mpisorombe izy

ka nitafy ny fanamiany marevaka rehetra

ary niakatra teo amin’ny alitara masina,

dia nampihanaka famirapiratana

eran’ny faritra manodidina ny Toeramasina.

12Nitsangana teo akaikin’ny fatan’ny alitara izy

no nandray avy teo an-tanan’ireo mpisorona

ny zavatra voarasa mba hatao sorona;

ireto mpisorona namany kosa nanao faribolana

miendrika satroboninahitra manodidina azy

tahaka ny zana-kazo sedera any Libano

ary nanemitra azy toy ny vondron’antrendry.

13Ireo mpisorona, taranak’i Aharôna, dia teo avokoa

samy voatafy fanamiana marevaka

ary nitana ny fanatitra ho an’ny Tompo

teo anatrehan’ny fiangonan’i Israely manontolo.

14Tamin’izay i Simôna no nanatontosa

ny fanompoana teo amin’ny alitara,

ka nandahatra tsara ny fanatitra

ho an’ilay Avo Indrindra sady Mpifehy ny tontolo;

15dia nanatsotra tanana handray ny tsatokaty izy

ary nandraraka ny divay izay ram-boaloboka,

sy nampihanaka azy teo am-pototry ny alitara

mba ho hanitra mamerovero ho an’ny Avo Indrindra,

dia ilay Mpanjakan’izao tontolo izao.

16Amin’izany ireo mpisorona, taranak’i Aharôna,

dia nihoby sy nitsoka trompetra volafotsy

ary nanao horaka mitalakotrokotroka

mba ho fanankinana ny vahoaka

amin’ny fahatsiarovan’ilay Avo Indrindra.

17Ny vahoaka rehetra kosa tamin’izay

dia indray nientana nihohoka tamin’ny tany

mba hitsaoka ny Tompon’izy ireo,

dia ilay Andriamanitra Mahefa sy Avo Indrindra.

18Avy eo dia ny mpihira no nanampatra feo nidera Azy

ka hira mahafinaritra no indray nireondreona mafy.

19Ary nitaraina tamin’ny Tompo Avo Indrindra ny vahoaka

izay naharitra nivavaka teo anatrehan’ilay Mpamindrafo,

mandra-pahatapitry ny fomba fanajana ny Tompo

ka vitan’ny mpisorona avokoa ny fanompoam-pivavahana.

20Dia nidina niala ny alitara tamin’izay i Simôna mpisorombe

ary nanandra-tanana tambonin’ny Israelita rehetra tafangona

ka niloa-bava nanome azy ny tsodrano avy amin’ny Tompo.

Izany no nananany voninahitra

hanonona ny anaran’ny Tompo.

21Dia niankohoka fanindroany ny vahoaka tafangona

mba handray ny tsodrano avy amin’ilay Avo Indrindra.

Vavaka fankalazana ny Tompo

22Ankehitriny àry dia misaora

ilay Andriamanitr’izao rehetra izao,

mpanao zava-dehibe hatraiza hatraiza,

satria Izy no mampitombo antsika hatrany am-bohòka

sady mitondra antsika araka ny famindrampony.

23Enga anie hanome hafaliam-po antsika Izy

ary hampisy fiadanana amin’izao androntsika izao

toraka ny tamin’ny fahagola teo amin’i Israely!

24Ho azo antoka ho antsika hatrany anie ny famindrampony

ka hanavotra antsika mandritra ny androm-piainantsika!

Firenena telo ankahalaina

25Misy firenena roa ankahalain’ny foko

ary ny fahatelony aza tsy firenena akory:

26dia ireo mponina any an-tendrombohitra Sehîra

sy ny Filistinina ary ilay vahoaka adala

izay miorim-ponenana ao Sekema.

Ny mpanoratra sy ny bokiny

27I Jesoa, Bena-Siràka sy zafin’i Elehazara avy ao Jerosalema, no nanoratra fampianarana mirakitra fahiratan-tsaina sy fahaizana ato amin’ity boky ity. Ao no natosany tahaka ny ranonorana ny fahendrena nameno ny fony.

28Sambatra izay mahavatra mamaky ireo anatra ireo; ho tonga hendry izay mandray azy ao am-pony.

29Raha mampihatra ireny izy, dia hahery amin’ny zava-drehetra satria ny fahazavàn’ny Tompo no andehanany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help