1 Makabeo 10 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Fifanoheran’i Aleksandra Epifàna sy i Demetry

1Tamin’ny taona faha-160 i Aleksandra, zanakalahin’i Antiôkôsa sady natao hoe Epifana, no niantsona tao Ptôlemaîda ka nahazo an’izany tanàna izany; noraisin’ny mponina izy ka tao no voasandratra ho mpanjaka.

2Nony ren’i Demetry mpanjaka ny vaovao, dia namory tafika goavana dia goavana izy ka niroso hamely an’i Aleksandra.

3Ankoatra izany, nandefasan’i Demetry taratasy mirakitra tenim-pihavanana i Jônatàna, sady nampanantenainy fa hasandrany voninahitra.

4Fa hoy i Demetry anakampony: «Aoka isika hanao fanekempihavanana faingana amin’i Jônatàna, alohan’ny hifanarahany amin’i Aleksandra hamely antsika!

5Fa mety hotsarovany ny ratsy rehetra nataontsika taminy sy tamin’ireo rahalahiny ary tamin’ny fireneny.»

6Dia nomen’i Demetry fahefana i Jônatàna mba hamory tafika sy hamboatra fitaovam-piadiana ary hitonon-tena ho mpiara-miasa amin’ny mpanjaka; nodidian’i Demetry koa ny hamerenana amin’i Jônatàna ny Israelita voatana ho antoka tao amin’ny toera-mafin’i Jerosalema.

7Dia nankany Jerosalema tamin’izay i Jônatàna ka namaky izany taratasin’ny mpanjaka izany teo anatrehan’ny vahoaka rehetra sy teo anatrehan’ireo miaramila mpiambina ny toera-mafy.

8Taitra dia taitra tokoa ny besinimaro, rehefa nandre fa nomen’ny mpanjaka fahefana hamory tafika i Jônatàna.

9Ireto mpiambina ny toera-mafy kosa nanolotra tamin’i Jônatàna ireo Israelita voatana ho antoka; i Jônatàna indray nanolotra azy tamin’ny fianakaviany isany avy.

10Dia niorim-ponenana tao Jerosalema i Jônatàna, ka nanomboka namboatra sy nanavao ny tanàna.

11Nodidiany ny mpiasa handrafitra ny manda indray sy hanisy vato voapaika manodidina ny tendrombohitra Tsiôna mba hanamafisana azy; ary notanterahina izany didy izany.

12Tamin’izay no nitsoaka ny hafa firenena nonina tao amin’ireo tanàna mimanda izay naorin’i Bakida;

13samy nandao fonenana ireny, ka nody any amin’ny taniny avy.

14Ny sasantsasany tamin’ny Israelita nahafoy ny didy aman-dalàn’Andriamanitra ihany no nijanona tao Bety-Tsoro; fa toy ny fialofana ho azy io tanàna io.

15I Aleksandra mpanjaka kosa dia nahare ny fampanantenana rehetra nataon’i Demetry tamin’i Jônatàna; notantarain’ny olona taminy ny ady nataon’i Jônatàna sy ireo rahalahiny, mbamin’ny herimpo nasehony sy ny fijaliana niaretany.

16Ka hoy i Aleksandra hoe: «Hahita lehilahy toy izany aiza indray isika? Ka ndeha hataontsika izay hahatongavana azy ho sakaizantsika sy mpiara-miasa amintsika.»

17Ary nandefasan’i Aleksandra taratasy i Jônatàna, dia taratasy voasoratra araka ireto teny ireto:

18–Izaho, Aleksandra mpanjaka, dia miarahaba anao, ry Jônatàna rahalahiko.

19Nahare ny aminao aho fa hoe lehilahy be herimpo ianao sady mendrika ny ho sakaizako.

20Izany no anendreko anao anio ho mpisoromben’ny firenenao sy anomezako anao ny anaram-boninahitra hoe «sakaizan’ny mpanjaka»; koa aoka hiray hevitra aminay ianao sy haharitra amin’ny fisakaizana aminay.

Nampiarahin’i Aleksandra mpanjaka tamin’izany taratasy izany ny akanjo jaky mari-pahefana sy ny satroboninahitra volamena ho an’i Jônatàna.

21Dia niakanjo ny fanamiana maha mpisorombe i Jônatàna tamin’ny volana fahafiton’ny taona faha-160, tamin’ny fetin’ny Tranotomboka; ary namory tafika koa izy sady namboatra fitaovam-piadiana betsaka.

Nitetika hanolotra tombontsoa ny Jiosy i Demetry

22Nalahelo mafy i Demetry nony nandre izany zavatra izany, ka nilaza hoe:

23«Naninona ity isika no i Aleksandra indray no nialoha antsika nahazo fisakaizana tamin’ny Jiosy mba hanamafisany ny fahefàny?

24Izaho koa mba hanoratra ho an’ny Jiosy amin’ny teny hahataona azy sy hanolotra voninahitra ambony amam-panomezana ho azy mba hahatonga azy ho mpanampy ahy.»

25Ary nandefasan’i Demetry taratasy ny Jiosy, dia taratasy araka ireto teny ireto:

–Izaho, Demetry mpanjaka, dia miarahaba ny firenena jiosy.

26Renay sady nahafaly anay ny nitazonanareo mafy ny fifanekena nataonareo taminay sy ny nampaharetanareo ny fisakaizana taminay ary ny tsy fiandanianareo tamin’ny fahavalonay.

27Koa ankehitriny mahareta miraiki-po aminay hatrany ianareo fa hovalianay soa izay hataonareo ho anay.

28Hotoloranay fanafoanan-ketra betsaka sy homenay tombontsoa ianareo.

29Izao ankehitriny izao no anafahako anareo ka ny Jiosy rehetra dia tsy ampandoaviko ny hetra na ny haban-tsira na ny vola hasin’ny mpanjaka;

30manomboka izao anio izao ny ampahatelon’ny vokatry ny tany ary koa ny antsasaky ny vokatry ny hazo mamoa, izay samy anjarako, dia afoiko ho anareo; eny, manomboka izao anio izao sy amin’ny fotoana ho avy rehetra, dia tsy hampandoaviko ireny intsony na ny tanin’i Jodea na ny faritra telo ao Samaria izay voatambatra aminy na i Galilea.

31Ho tanàna masina i Jerosalema, ka ho afaka amin’ny hetra izy sy ny faritra miankina aminy; ho azy ihany ny fahafolon-kareny sy ny haba fandoany.

32Afoiko mbamin’ny fahefàko amin’ny toera-mafy ao Jerosalema, ka omeko ny mpisorombe izany toerana izany hametrahany an’izay olona hofidiny hiambina azy.

33Ny Jiosy rehetra, natao babo avy amin’ny tanin’i Jodea ho any amin’ny fanjakako manontolo any, dia votsorako ho afaka sady tsy mandoa onitra; izy rehetra no sitrako hafahana amin’ny hetra, na dia ny hetra momba ny biby aza.

34Mandritra ny fety lehibe rehetra sy ny sabata mbamin’ny voalohan’ny volana sy ny fety hafa voadidy, ary koa mandritra ny andro telo mialoha sy manaraka ny fety lehibe, ny Jiosy rehetra eto amin’ny fanjakako dia ho afaka amin’ny fandoavana haba sy fanefàn-trosa;

35amin’ireo andro ireo, dia tsy misy olona mahazo manenjika Jiosy hampanefa trosa azy na manabataba azy amin-draharaha isan-karazany.

36Vatan-dehilahy jiosy mahatratra andiany telopolo no halatsaka amin’ny tafiky ny mpanjaka, ary homen-karama tahaka ny miaramila rehetra karamain’ny mpanjaka. Tanana mimanda vaventy, an’ny mpanjaka, no hametrahana ny sasany amin’ireo;

37misy koa hotendrena amin’ny raharaham-panjakana ilana olo-mahatoky. Fanampin’izany, izy miaramila iray laharana eo ihany no hifidianana ny manamboninahitra hifehy azy; ka samy hanao toe-piainana araka ny lalànany izy, araka ny nandidian’ny mpanjaka azy tao amin’ny tanin’i Jodea.

38Ny faritra telo ao Samaria, izay nakambana tamin’i Jodea, dia ho voakambana aminy tokoa sy ho voaisa ho iray aminy, ka tsy hanaiky fahefana hafa ankoatra ny an’ny mpisorombe.

39I Ptôlemaîda sy ny faritra miankina aminy dia homeko ho an’ny tempolin’i Jerosalema mba hiantohana ny lany amin’ny fanompoam-pivavahana fanao ao.

40Izaho koa isan-taona dia vonon-kanome volafotsy 200 kilao izay alaina amin’ny volam-panjakana any amin’izay toerana mety hanangonana azy.

41Ny ambim-bola rehetra dia tsy narotsaky ny mpamory azy na oviana na oviana tamin’ny taona taloha; fa amin’ny ho avy kosa dia harotsany ho an’ny asan’ny tempoly izany.

42Ankoatra ireo tombontsoa ireo, ny volafotsy fitopolo kilao izay nesorina tamin’ny fananan’ny tempoly araka ny vola miditra ho azy isan-taona dia tsy hoesorina intsony satria anjaran’ny mpisorona manao ny fanompoany.

43Na iza na iza nialoka tao amin’ny tempolin’i Jerosalema na tao amin’ny faritra voafefy manodidina azy, ka mbola ananan’ny fanjakana trosa na voarohirohy amin-javatra hafa, dia ho afaka amin’izany izy; ary tsy hisy ho voatazona ny harena rehetra ananany eto amin’ny fanjakako.

44Ny lany amin’ny fanamboarana na fanavaozana ny tempoly dia hotsoahina amin’ny tahirim-bolan’ny mpanjaka.

45Ny lany amin’ny fanamboarana ny mandan’i Jerosalema sy fanamafisana ny manodidina azy dia hotsoahina amin’io tahirim-bolan’ny mpanjaka io ihany; toraka izany koa ny fanamboarana manda hafa ao Jodea.

Fahafatesan’ny mpanjaka Demetry I

46Nony nandre ireo tenin’i Demetry ireo i Jônatàna sy ny vahoaka, dia tsy nety nino na nanaiky izany; tsaroany manko ny voina lehibe nahatran’io mpanjaka io tamin’i Israely sy ny namoretany mafy azy.

47Ka dia tapa-kevitra izy ireo fa homba an’i Aleksandra, satria ny tenan’ity mpanjaka ity no nisantatra ny fifandraharaham-pihavanana taminy; ka nandritra ny androm-piainan’i Aleksandra dia nijanona ho mpiandany aminy hatrany ny Israelita.

48Namory tafika goavana i Aleksandra mpanjaka, ka niroso hamely an’i Demetry.

49Dia rafitra ny adin’ireto mpanjaka roa lahy, ka vaky nandositra ny tafik’i Demetry; saingy nanenjika azy i Aleksandra ary nahery kokoa noho ny miaramilan’i Demetry ny azy.

50Niadiany tamin-kerimpo mandra-pilentiky ny masoandro i Demetry ka maty tamin’io andro io.

Ny nanambadian’i Aleksandra Balà ny zanakavavin’i Ptôlemeo VI

51Tamin’izay i Aleksandra no nandefa masoivoho ho any amin’i Ptôlemeo mpanjakan’i Ejipta ka nampitondra izao hafatra manaraka izao:

52–Tafaverina eto amin’ny fanjakako aho ary tafapetraka amin’ny sezafiandrianan’ny razako. Nandray ny fahefana aho tamin’ny nandreseko an’i Demetry; ary azonay indray ny taninay.

53Rafitra ady tamin’i Demetry manko aho, dia naharesy azy sy ny tafiny, ka tafasandratra eo amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakany.

54Ary ankehitriny aoka ho mpisakaiza isika; omeo ahy ho vadiko ny zanakavavinao, dia ho vinantonao aho; ary fanomezana mendrika ny fiambonianao no homeko anao sy homeko azy.

55Ny valin-teny nataon’i Ptolemeo mpanjaka tamin’i Aleksandra kosa dia toy izao:

–Fanambinana tokoa ny andro niverenanao ho eo amin’ny tanin-drazanao sy nipetrahanao eo amin’ny sezafiandrianan’ny fanjakany.

56Ary ny amin’ny zavatra nosoratanao, dia hotanterahiko izao. Eny, ho rafozandahinao aho araka ny voalazanao, kanefa tongava hihaona amiko any Ptôlemaida mba hifanatri-tava isika.

57Koa niala tany Ejipta i Ptôlemeo sy i Kleôpatra zanany vavy, dia nankany Ptôlemaida tamin’ny taona faha-162.

58Tonga hihaona tamin’i Ptôlemeo i Aleksandra mpanjaka; dia nomen’i Ptôlemeo ho vadin’io i Kleôpatra zanany vavy, ka tao Ptôlemaida no nanaovana ny fampakarana, araka ny fomba malaza sy manetriketrika sahaza ny mpanjaka.

Fihaonan’i Aleksandra sy i Jônatàna

59Avy eo dia nanoratra taratasy tamin’i Jônatàna i Aleksandra mpanjaka, hiantsoany azy hihaona aminy.

60Dia nankany Ptôlemaîda tamim-pomba manetriketrika i Jônatàna, ka nihaona tamin’ireo mpanjaka roa lahy tao; volamena sy volafotsy ary fanomezana betsaka no natolony azy sy natolony an’ireo atao hoe sakaizan’ny mpanjaka, hany ka nahazoany sitraka izany.

61Nitambatra hamely an’i Jônatàna tamin’izay ny lehilahy israelita sasany ratsy fanahy sady mpanohitra ny lalànan’Andriamanitra, ka niampanga azy; fa tsy nohenoin’ny mpanjaka Aleksandra ireo.

62Vao mainka nasain’ny mpanjaka nesorina aza ny fitafiana teny amin’i Jônatàna, dia nasainy nampiakanjoina jaky izy; ka notanterahina izany.

63Avy eo ny mpanjaka nampipetraka azy teo anilany sady nilaza tamin’ireo lohandohan’ny tandapany:

–Mandehana ianareo mankany afovoan-tanàna miaraka amin’i Jônatàna, ka lazao ampahibemaso fa tsy misy olona mahazo manao fitarainana hamely azy na amin’inona na amin’inona, ary tsy misy mahazo manelingelina azy akory na inona na inona antony.

64Nony nahita an’i Jônatàna nomem-boninahitra ampahibemaso sy nampitafina jaky kosa ireo mpiampanga azy, dia samy nitsoaka avokoa.

65Mbola nampian’ny mpanjaka indray aza izany voninahitr’i Jônatàna izany fa nosoratany ho anisan’ireo «sakaiza voalohan’ny mpanjaka» izy, sady nataony jeneraly sy governoram-paritany.

66Koa tamim-piadanana amam-piravoravoana no niverenan’i Jônatàna ho any Jerosalema.

Fandresen’i Jônatàna an’i Apôlôny

67Tamin’ny taona faha-165 i Demetry, zanakalahin’i Demetry I, dia tonga tao an-tanindrazany avy any Kreta.

68Nankararirary ny mpanjaka Aleksandra loatra izany vaovao izany, ary niverina ho any Antiôkia izy.

69I Apôlôny, governoran’i Kôilà-Siria, no nalain’i Demetry ho jeneraly; ary namory tafika goavana ilay io ka tonga nitoby teo akaikin’i Jamnià. Tao izy no nandefa iraka nankany amin’i Jônatàna mpisorombe hilaza hoe:

70–Ianao dia ianao irery no mitsangan-kanohitra anay; ka tonga famazivazy sy fandatsan’ny olona aho noho ny afitsokao. Ahoana no ahasahianao manao ny tenanao ho mahaleo tena eo anatrehanay, ao an-tendrombohitra ao?

71Koa ankehitriny, raha matoky ny tafikao tokoa ianao, dia midîna ho ety aminay aty amin’ny lemaka mba hifanandrina eo isika, fa miandany amiko ny tafik’ireto tanàna amoron-tsiraka.

72Fotory ary fantaro ny amiko sy ny amin’ireo mpanampy ahy. Milaza izy fa tsy hahatohitra anay ianao, satria indroa ny razanao teo amin’ny taniny ihany no vaky nandositra.

73Ary tsy ho tantinao akory izao ny hafitsoky ny mpitaingin-tsoavaliko sy ny tafiko maro dia maro, aty amin’ny tany lemaka izay tsy misy vato na vatolampy na toerana azo andosirana.

74Nisarongatra i Jônatàna rehefa nandre ny tenin’i Apôlôny, ka nifidy vatan-dehilahy andiany folo, dia niala tao Jerosalema; ary nanatratra azy koa i Simôna rahalahiny miaraka amina miaramila mpanampy.

75Lasa nitoby teo akaikin’i Jôpa ny Israelita; saingy nihidy teo anoloan’izy ireo ny tanàna satria nisy andian-miaramilan’i Apôlôny tao, ka nanao fahirano an’io tanàna io ny Israelita.

76Raiki-tahotra kosa ny mponina ka namoha vavahady, dia azon’i Jônatàna i Jôpa.

77Vao nilazana izany i Apôlôny, dia nampilahatra mpitaingin-tsoavaly andiany telo sy miaramila marobe ka nizotra toy ny hanitsy ho any Asdôda, kanjo nandroso nankeo amin’ny tany lemaka noho izy nanana mpitaingin-tsoavaly maro izay nitokiany.

78Nozohîn’i Jônatàna teo akaikin’i Asdôda i Apôlôny, ka rafitra ny adin’ny tafika roa tonta.

79Nametrahan’i Apôlôny mpitaingin-tsoavaly andiany iray tamina toera-miafina teo ivohon’ny Israelita;

80kanefa nilazana i Jônatàna fa nisy otrika teo ivohony. Nanodidina ny miaramilany tokoa ireo mpitaingin-tsoavaly ka nandefa zana-tsipîka namelezany ny Israelita hatramin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro.

81Nanohitra azy ny Israelita araka ny nandidian’i Jônatàna azy, fa nihareraka kosa ny soavalin’ireo fahavalo.

82Tamin’izay no nampandrosoin’i Simôna ny tafiny hamely ny antoko miaramila sirianina, fa efa lany hery ny mpitaingin-tsoavaly; dia resin’i Simôna ny fahavalo ka vaky nandositra.

83Niparitaka teo amin’ny lemaka ny mpitaingin-tsoavaly; nihazo an’i Asdôda ireo mpandositra ka niditra ny tanàna ary nitsofoka tao amin’ny tempolin’i Dagôna andriamani-tsampin’ny Asdôdita, mba hialoka ao.

84Ary namabo an’i Asdôda sy ireo tanàna manodidina kosa i Jônatàna, dia nandoro azy; nodorany koa ny tempolin’i Dagôna mbamin’izay rehetra nialoka tao.

85Sahabo ho andiany valo ireo vatan-dehilahy matin-tsabatra na levon’ny afo tamin’izay.

86Avy eo i Jônatàna dia lasa nitoby teo akaikin’i Askelôna ka tonga nitsena sy nanome voninahitra azy ny mponina tao.

87Izay vao niverina ho any Jerosalema izy mbamin’ny miaramilany nitondra babo maro.

88Nony nandre izany zava-niseho izany i Aleksandra mpanjaka, dia nanome voninahitra vaovao indray an’i Jônatàna.

89Nandefasany jaigrafy volamena izy, fanomezana tahaka izay fanao amin’ny olona antsoina hoe «havan’ny mpanjaka»; ary nomeny azy ho fananany koa ny tanàna Hekrôna mbamin’ny faritra manontolo miankina aminy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help