1 Tantara 15 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny fanomanan’i Davida ny fitondrana ny Vatamasina mirakitra ny Fanekempihavanana

1I Davida dia nanao trano ho an’ny tenany tao «an-tanànan’i Davida», sady nanomana toerana sy nanorina tranolay teo ho an’ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’Andriamanitra.

2Tamin’izay i Davida dia nilaza hoe;

–Aza misy mitondra ilay Vatamasina afa-tsy ny levita ihany, satria ireo no efa nofidin’ny TOMPO hitondra ny Vatamasiny sy hanao ny fanompoana momba izany hatrany hatrany.

3Dia novorin’i Davida tao Jerosalema i Israely lafy valo mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO ho eo amin’ny toerana izay efa namboarina ho azy.

4Novorin’i Davida koa ny taranak’i Aharôna sy ny levita.

5Ireto avy ny levita: tamin’ny taranak’i Kehata dia i Oriela lehibeny mbamin’ny namany 120 lahy;

6tamin’ny taranak’i Merarỳ dia i Hasaià lehibeny mbamin’ny namany 220 lahy;

7tamin’ny taranak’i Gersôna dia i Jôela lehibeny mbamin’ny namany 130 lahy;

8tamin’ny taranak’i Elitsafàna dia i Semahià lehibeny mbamin’ny namany roanjato lahy;

9tamin’ny taranak’i Hebrôna dia i Eliela lehibeny mbamin’ny namany valopolo lahy;

10tamin’ny taranak’i Hoziela dia i Haminadaba lehibeny mbamin’ny namany 112 lahy.

11Nantsoin’i Davida ny mpisorona, dia ry i Tsadôka sy i Abiatara, nantsoiny koa ny levita, dia ry i Oriela sy i Hasaià ary i Jôela mbamin-dry i Semahià sy i Eliela ary i Haminadaba,

12ka nilazany hoe:

–Ianareo loham-pianakaviana levita, manaova ny fomba fidiovana ianareo sy ny namanareo, dia ampakaro ilay Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, ho eo amin’ny toerana izay efa namboariko ho azy.

13Fa tamin’ny nampiakarana azy voalohany, dia tsy teo ianareo; noho izany, dia nasian’ny TOMPO Andriamanitsika mafy izahay satria tsy nanontany Azy araka ny fitsipika.

14Dia nanao ny fomba fidiovana ny mpisorona sy ny levita mba hampakatra ny Vatamasin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.

15Ary nolanjain’ny levita teny an-tsorony tamin’ny hazo ny Vatamasina, araka izay didin’i Mosesy mifandraika amin’ny tenin’ny TOMPO.

16Ireo lehiben’ny levita kosa nasain’i Davida hanendry ny namany izay tokony hihira miaraka amin’ny zava-maneno, dia ny valiha sy ny lokanga ary ny kipantsona, ka hampanakoako ny feon-kira ho mariky ny firavoravoana.

17Dia notendren’ny levita i Hemàna zanakalahin’i Jôela, sy i Asafa zanakalahin’i Berekià sady naman’i Hemàna, ary i Etàna zanakalahin’i Kosaià avy amin’ny fokon’i Merarỳ sady naman-dry i Hemàna sy i Asafa.

18Miaraka amin’izy telo lahy, amin’ny laharana faharoa, ireto mpiandry vavahady namany ireto: dia i Zakarià zanakalahin’i..., i Jahaziela sy i Semiramôta, i Jehiela sy i Honỳ, i Eliaba sy i Benaià, i Mahaseià sy i Matitià, i Elifalà sy i Mikneià, i Hôbeda-Edôma sy i Jehiela ary i Hazazià.

19I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpiventy hira dia nively ny kipantsona varahina;

20i Zakarià sy i Jahaziela, i Semiramôta sy i Jehiela, i Honỳ sy i Eliaba ary i Mahaseià sy i Benaià no nitendry tamin’ny valiha ireo gadom-peo ambony;

21i Matitià sy i Elifalà, i Mikneià sy i Hôbeda-Edôma ary i Jehiela sy i Hazazià kosa no nitendry tamin’ny lokanga ireo gadom-peo ambany mba hanaingàn-kira.

22I Kenanià, lehiben’ny levita nisahana ny fitondrana ny Vatamasina, no nampianatra momba ny fitondrana azy satria nanavanana azy izany.

23I Berekià sy i Elkanà mpiandry vavahady no teo anilan’ny Vatamasina;

24toraka izany koa i Hôbeda-Edôma sy i Jehià mpiandry vavahady. Ary ireto mpisorona ireto kosa, dia i Sebanià sy i Jôsafata, i Natanaela sy i Hamasay mbamin’i Zakarià sy i Benaià ary i Elihezera, no nitsoka trompetra teo alohan’ny Vatamasin’Andriamanitra.

Ny fahatongavan’ny Vatamasina tao Jerosalema(Jereo 2 Sam 6.12-19)

25Feno fifaliana i Davida sy ny loholon’i Israely mbamin’ny komandin-tafika mifehy arivo no nandeha hampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, avy ao an-tranon’i Hôbeda-Edôma.

26Ary mba hanampian’Andriamanitra ny levita izay nitondra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, dia notolorana sorona ombilahy fito sy ondrilahy fito Izy.

27Akanjo rongony fotsy madinika no nanaovan’i Davida; niakanjo toy izany koa ny levita rehetra izay nitondra ny Vatamasina, sy ny mpiventy hira mbamin’i Kenanià lehiben’ny fitondrana ny Vatamasina. Ary ankoatra izany i Davida dia nisalotra ny lambahoany rongony fanaon’ny mpisorona.

28I Israely lafy valo no nampakatra ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO ho any Jerosalema; ka tamin’ny horakora-pifaliana, ombàn’ny feon’anjombona aman-trompetra sy kipantsona miaraka amin’ny tendry valiha sy lokanga, no nampakarany azy.

29Fa rehefa tonga tao an-tanànan’i Davida ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikala, zanakavavin’i Saoly; ka nony nahita an’i Davida mpanjaka nitotorebika nandihy izy, dia naneso azy anakampony.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help