1Eo an-tanan’Andriamanitra ny fanahin’ny olo-marina
ka tsy misy fijaliana hahatratra azy intsony.
2Hoatra ny maty izy eo imason’ireo adala
ary tahaka ny loza ny fialàny amin’izao fiainana izao;
3toa fahalevonana ny fanalavirany antsika,
kanjo ao amin’ny fiadanan’Andriamanitra izy.
4Na dia niharam-pahoriana aza izy
eo imason’ny olombelona,
dia feno tsy fahafatesana kosa ny fanantenany.
5Maivana anefa ny fahoriany raha mitaha
amin’ny fahasambaram-be horaisiny.
Nozahan’Andriamanitra toetra izy
ka hitany fa mendrika Azy;
6notsapainy toy ny volamena
atao amin’ny memy izy
ka sitrany toy ny sorona dorana manontolo
natolotra teo amin’ny alitara.
7Amin’ny fotoam-pitsaran’Andriamanitra,
dia hamirapiratra fatratra izy,
ary ho tahaka ny pitik’afo
hivoivoy amin’ny bozaka sy handoro azy.
8Ireo olo-marina ireo
no hitsara ny firenena
sy hitondra ny vahoaka;
ary hanjaka aminy mandrakizay ny Tompo.
9Izay mitoky amin’ny Tompo
dia hahafantatra fa azo antoka ny fikasany,
izay tsy mivadika aminy
no hitoetra eo anilany amim-pitiavana
satria fahasoavana sy antra no an’ny voafidiny.
Ny anjaran’ny tsy mpivavaka10Fa ny tsy mpivavaka kosa handray
ny famaizana sahaza ny fisainany,
noho izy nanivaiva ny olo-marina
sy nanalavitra ny Tompo.
11Fa loza no miandry izay manao tsinontsinona
ny Fahendrena sy ny fampianarany:
foana ny fanantenany,
tsy mahasoa ny fisasarany,
ary tsy ilaina akory ny asany;
12adala ny vadiny,
maditra ratsy ny zanany,
ary voaozona ny taranany.
Aleo fahamombana toy izay manan-janaka ratsy fanahy13Fa sambatra ny vehivavy momba
izay tsisy pentina ny fitondrantenany
ary tsy mbola nanao firaisana voarara;
Fa hahazo ny valisoan’izany izy
amin’ny fitsaran’Andriamanitra ny olona.
14Sambatra koa ny lehilahy tsy miteraka
sady tsy mba nanao ratsy tamin’ny tanany
ary tsy nisain-dratsy hanohitra ny Tompo;
satria ny toetra mahatoky nasehony
dia hanomezana azy fanambinana manokana
ary hahazoany anjaram-pahafinaretana
ao amin’ny fonenan’ny Tompo.
15Fa ny ezaka ho amin’ny hatsaram-panahy
dia misy vokatra heni-boninahitra;
koa izay mifototra amin’ny Fahendrena
dia tsy mba hivaona toetra.
16Ireo zanaky ny fijangajangana kosa
dia tsy hivelatra araka ny tokony ho izy;
ary ho foana izay taranaka
avy amin’ny firaisana tsy ara-dalàna.
17Fa na dia ela velona aza izy ireny,
dia tsy horaharahain’ny olona;
ary ny fahanterany hatramin’ny farany
dia tsy mba hisy hajany akory.
18Ary raha malaky maty izy ireny,
dia tsy mba hanam-panantenana
na fiononana amin’ny andro fitsarana.
19Fa ny taranaka mpanao ratsy
dia mampalahelo ny fiafarany.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.