Salamo 4 - Malagasy Bible Interconfessionelle

SALAMO Arovan’Andriamanitra amin’ny fiampangana tsy marina

1 Tao amin’ny tahirin-kiran’ny ilohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha. Salamo nataon’i Davida.

2Ry Andriamanitra mpanome rariny ahy ô,

raha miantso vonjy aho, mba valio.

Tao an-katerena aho no efa nafahanao;

iantrao àry aho ka henoy vavaka.

3Mandra-pahoviana, rey olona,

no handotoanareo ny voninahitro?

Ny hanendrikendrika ahy tsy amin’antony

sy ny hamoron-dainga hiampangana ahy:

izany no kendrenareo hatrany hatrany.

Fiatoana

4Fantaro kosa fa igagana ny fitiavan’ny TOMPO ahy;

henoiny aho rehefa miantso vonjy aminy.

5Tezera kanefa aza manota ianareo,

mieritrereta eo am-pandriana kanefa aza manahy.

Fiatoana

6Fa manaova kosa sorona araka ny lalàna

ary dia matokia ny TOMPO.

7Maro ny olona mitaraina hoe:

«Mba te hahita fahasambarana izahay,

ka jereo amin-kamorampo, TOMPO ô.»

8Nasianao fifaliana kosa ato am-poko

mihoatra noho ilay fifalian’ireo,

amin’ny itobahan’ny variny sy ny divainy.

9Vao mandry aho dia renoka am-piadanana,

satria Ianao irery ihany, TOMPO ô,

no mampitombina ahy tsy hanana ahiahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help