Estera Grika F - Malagasy Bible Interconfessionelle

4[1] Ary hoy i Môrdôkay hoe: «Andriamanitra no nahatonga ireo zava-nitranga ireo.

5[2] Tsaroako manko ny nanofisako ny amin’izany, ka tanteraka tsy nisy nivaona mihitsy ny andinindininy.

6[3] Ilay loharano kely anankiray nanjary ony; dia nisy hazavana sy masoandro, ary nisy ranobe. Ny ony dia i Estera izay nampakarin’ny amperôra ho vady sy nasandrany ho mpanjakavavy.

7[4] Ny dragona anankiroa dia i Hamàna sy ny tenako.

8[5] Ny hafa firenena dia ireo izay nivory hanafoana ny anaran’ny Jiosy;

9[6] ary ny fireneko dia i Israely izay nitaraina tamin’Andriamanitra ka novonjeny. Ny Tompo no namonjy antsika vahoakany sy nanafaka antsika tamin’ireo loza rehetra nananontanona antsika rehetra ireo; ka famantarana sy zava-mahagaga goavana, izay tsy mba nitranga teo amin’ny hafa firenena, no nataon’Andriamanitra ho antsika.

10[7] Izany no nandaharany anjara roa, ny iray ho an’ny vahoakany ary ny iray ho an’ny hafa firenena rehetra.

11[8] Ireo anjara roa ireo dia tanteraka tamin’ny andro sy ora ary fotoana voatendrin’Andriamanitra hamaliana ny hafa firenena rehetra:

12[9] niahy ny vahoakany Andriamanitra ary nanome rariny an’ireo voatokany ho fananany.

13[10] Koa ireo andro anankiroa amin’ny volana Adara ireo, izany hoe ny andro faha-14 sy faha-15, dia hankalazain’ny Jiosy ka hanaovany fivoriana amin-kafaliana sy amin-karavoana eo anatrehan’Andriamanitra. Isaky ny taranaka ho avy dia hatao hatrany hatrany izany eo amin’ilay Israely vahoakan’Andriamanitra.»

Fanamarihana eto am-pamaranana

14[11] Tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Ptôlemeo sy i Kleôpatra, dia i Dôsity, izay nilaza ny tenany fa mpisorona sady taranak’i Levỳ, ary koa i Ptôlemeo zanany lahy no nitondra izany tantara momba ny fetin’ny «Porîma» izany. Nolazain’izy mianaka fa tena ilay rijan-tenin’ny tantara tokoa izany ary i Lisimàka zanakalahin’i Ptôlemeo, izay anisan’ny mponin’i Jerosalema, no nanao ny dikanteniny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help