Jôba 40 - Malagasy Bible Interconfessionelle

An’i Jôba indray no mamaly

1Dia nanontany an’i Jôba ny Tompo ka nanao hoe:

2Izaho Andriamanitra Tsitoha

no niadianao sy nifandiranao, ry Jôba.

Raha mbola hitsikera Ahy ianao,

dia valio izay rehetra voalazako izay?

3Fa namaly ny Tompo i Jôba ka nanao hoe:

4Tsinontsinona aho ka tsy manan-kavaly Anao.

Hitampim-bava no ataoko izao.

5Efa sahy niteny matetika aho,

ka tsy hamaly intsony, fa aoka izay.

Mihevitra ny tenany ho Andriamanitra ve i Jôba?

6Avy ao anaty tafio-drivotra ny Tompo no namaly an’i Jôba ka nanao hoe:

7Misikîna àry ho tena lehilahy,

fa hanontany anao Aho ka valio.

8Sahinao lavina tokoa ve ny fitsaràko

ka Izaho no diso fa ianao no marina?

9Manan-kery tahaka Ahy ve ianao

na mitalakotro-peo tahaka Ahy?

10Koa miravaha voninahitra sy fahalehibeazana

ary mitafia famirapiratana sy fiandrianana.

11Fijery mitsipalotra no amafazo

ny fahatezeranao misamboaravoara

dia ampietreo ny mpiavonavona rehetra.

12Eny, fijery mitsipalotra no anongany

an’ireo mpiavonavona rehetra;

ary eo amin’ny toerany eo ihany

no ataovy montsana ny olon-dratsy.

13Asitriho ao amin’ny tany miaraka izy rehetra

ary hidio ao amin’ny tranomaizim-pahafatesana.

14Fa Izaho mihitsy no hiarahaba anao

satria ny herinao no nampandresy anao.

Ny lalomena

15Jereo ange ny lalomena

fa samy noarîko na izy na ianao!

Mihinana ahitra tahaka ny omby izy;

16kanefa jereo ity hery ananany eo an-tehezany

ary koa ity tanjany eo amin’ny hoza-kibony.

17Henjaniny toa hazo sedera ny rambony;

mifaniditra eo amin’ny feny kosa ny hozabe.

18Ny taolany dia mafy toa fantsom-barahina

ary ny taolan-tehezany dia miendrika baravy.

19Anisan’ny sangan’asako izy

ka Izaho Andriamanitra nanao azy

no nanome sabatra azy.

20Mamoka-bilona ho an’ny lalomena ireo havoana

izay filalaovan’ny bibidia rehetra.

21Mandry anaty kirihitra feno tsilo izy

ary miafina anaty zozoro eny an-keniheny.

22Manalokaloka azy ny kirihitra

ary manarona azy ny hazomalahelo

eny amoron’ny ranon-driaka eny.

23Fa na dia misafoaka aza ny onjan-drano

dia tsy mba mihetsika akory ny lalomena;

tsy mampiraika azy akory i Jôrdàna

na dia mitroatra hatreny am-bavany aza.

24Fa iza moa no hahasambotra azy

ka hanapotsitra ny masony?

Iza moa no hahavoafandrika azy

ka hahaketoka ny orony?

Ny voay na ny dragona lehibe

25Mahajono ny voay amin’ny fintana va ianao

na mahafatotra ny lelany amin’ny tadim-pintana?

26Mahatsofoka harefo amin’ny orony va ianao

na mahagorobaka ny valanoranony amim-parango?

27Hifon-jato hifona arivo aminao va izy

na hanambitamby anao amin’ny teny mamy?

28Hanao fifanekena aminao ve izy

ka ho azonao andevozina mandra-pahafatiny?

29Hilalao azy toy ny filalao voronkely ve ianao

ka hamatotra azy ho fialambolin’ny zanakavavinao?

*

30Hikambana hivarotra ny voay ve ny mpanjono

ka hitsinjara azy amin’ny mpivarotra?

31Mahaloadoaka ny hodiny amin’ny tsilo ve ianao

na mahatrobaka ny lohany amin’ny firombaka?

32Fa kasiho tanana ange izy

dia hotsaroanao ny ady taminy

ary tsy hanindroa intsony ianao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help