1Olona isan-karazany no milaza hoe:
«Izaho koa sakaizanao»,
kanefa misy ihany ny sakaiza
izay anarany fotsiny ihany.
2Alahelo mila hahafaty tokoa,
raha namana aman-tsakaiza
no mivadika ho fahavalo.
3Ry hevi-dratsy ô, voatefy avy aiza ianao
no manarona ny tany amin’ny fitaka?
4Misy ny namana finaritra raha faly ianao sakaizany,
fa hanohitra anao kosa amin’ny androm-pahoriana.
5Misy ny namana miara-sahirana aminao sakaizany,
raha vokisanao sakafo ny kibony;
kanjo ny ampingany no raisiny,
rehefa manoloana ny ady.
6Tsarovy ny sakaizanao, rehefa an’ady ianao;
ary aza hadinoina izy, raha mahazo babo ianao.
Ny amin’ny fakàna hevitra7Ny mpanolotsaina rehetra samy mandoka ny toroheviny,
kanefa misy manolotsaina ho tombontsoan’ny tenany.
8Tandremo ny amin’ny mpanolotsaina
ka fantaro aloha izay zavatra ilainy,
fa ny tombontsoan’ny tenany no anoroany hevitra;
tandremo sao voafandrika ho rembiny ianao,
9ka mody hilazany hoe: «Tsara ny fihetsikao!»,
nefa hihatakataka izy mba hizaha izay hanjo anao.
10Aza maka hevitra amin’izay mangarika anao,
ary afeno amin’izay mialona anao ny fikasanao.
11Aza ny vehivavy no akàna hevitra ny amin’ny rafivaviny
na ny kanosa no akàna hevitra ny amin’ny ady hatao;
aza ny mpivarotra no akàna hevitra ny amin’ny teti-bidy,
na ny mpividy no akàna hevitra ny amin’ny varotra;
aza ny mpitsiriritra no akàna hevitra ny amin’ny fankasitrahana,
na ny tsy mangoraka no akàna hevitra ny amin’ny fiantrana;
aza ny malaina no akàna hevitra ny amin’ny asa
isan-karazany,
na ny mpikarama isan-kerintaona no akàna
hevitra ny amin’ny famitàn-javatra,
na ny mpanompo kamo no akàna hevitra
ny amin’ny lahasa be;
aza ireo olona ireo no ianteheranao
na amin’ny torohevitra iray akory aza.
12Fa mahavara mifandray amin’olona tia vavaka,
izay fantatrao ho mpitandrina ny didin’Andriamanitra
sady manana toe-panahy mitovy amin’ny anao,
ka hiaraka ory aminao raha sendra lavo ianao.
13Aoka hifikiranao koa ny fikasan’ny fonao,
satria tsy misy mpanolotsaina mahatoky toa azy;
14fa mazàna ny fon’olombelona
no milaza zavatra betsaka aminy,
mihoatra noho ny mpitily fito
voapetraka hitily eo ambony havoana.
15Fa mihoatra noho izany rehetra izany,
dia mangataha amin’ny Avo Indrindra
mba hitarihany lalana anao
amin’ny fahamarinana.
Ny amin’ny fahendrena marina16Alohan’ny asa rehetra, aoka hiady hevitra;
alohan’ny atao rehetra, aoka hisaintsaina!
17Ao an-tsaina no ifotoran’ny hevitra;
18ary karazan-tahony efatra no apoitrany:
dia ny tsara sy ny ratsy,
ary ny fiainana sy ny fahafatesana;
kanefa ny lela hatrany hatrany
no tompon’ny fanapahan-kevitra farany.
19Misy olona kinga rehefa hananatra ny besinimaro,
kanefa tsy vanon-ko inona raha ho an’ny tenany.
20Misy izay mahay mandahateny nefa hàlan’olona,
ka tsy hanana hanin-kohanina akory izy;
21fa tsy nomen’ny Tompo azy
ny hoambinina eo anoloan’ny hafa,
satria tsy manana fahendrena akory izy.
22Misy izay hendry ho tombontsoany manokana ihany,
ary ny vokatry ny fahalalànany dia ho an’ny tenany.
23Misy kosa olon-kendry izay mampianatra
mba hanasoavana ny mpiray firenena aminy;
ary azo antoka ny vokatry ny fahalalàny.
24Ho henika fitahiana ny olon-kendry toy izany;
ary izay rehetra mahita azy hanao azy hoe sambatra.
25Azo isaina ihany ny androm-piainan’ny olona,
fa tsy tambo isaina kosa ny andron’i Israely.
26Ny olon-kendry dia tonga mahatoky
eo anivon’ny mpiray firenena aminy,
ary haharitra mandrakizay ny lazany.
Ny fahalalana onony27Anaka, tsapao toetra ny tenanao
raha mbola velona koa ianao;
hevero izay maharatsy io tenanao io
ka aza omena azy mihitsy izany.
28Tsy sahaza ny besinimaro ny zava-drehetra
sady tsy ary ho sitraky ny olon-drehetra.
29Aza fatra-pitady ny hanim-py isan-karazany
ary aza dia fandrombandrombaka sakafo,
30satria ny hanina be loatra miteraka faharisarisana
ary ny fisesehan-tsakafo dia mahatonga areti-mandalo.
31Nahafaty olona maro ny fisesehan-tsakafo,
fa izay mitandrina kosa ho lava andro iainana.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.