Fitomaniana 5 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Avereno aminao izahay, ry Tompo

1TOMPO ô, tsarovy izay nanjo anay,

diniho sy jereo ny fandatsana anay.

2Lasan’ny hafa ny tanindrazanay,

lasan’ny vahiny ny tranonay.

3Efa tsy eo intsony ny rainay

ka tonga kamboty izahay,

ary mpitondratena ny reninay.

4Na dia ny lavaka fantsakanay aza

dia tsy maintsy andoavanay vola

vao azonay isotroana rano;

ary vidînay koa ny kitainay

vao azonay ampidirina.

5Avy eo an-damosina ny mpanenjika anay

ka trotraka izahay fa tsy manam-pitsaharana.

6Nanolo-tanana tamin’i Ejipta sy i Asiria izahay

mba ho voky hanina.

7Nanota ny razanay kanefa tsy eo intsony izy;

fa izahay no mivesatra ny helony.

8Mpanompo no manapaka anay

nefa tsy misy manafaka anay amin’ny fahefàny.

9Manao vy very ny ainay izahay hahazoan-kanina

noho ireo dahalo mirongo fiadiana any an-taniefitra.

10Mahamay toy ny lafaoro ny hoditray

satria ampijalijalian’ny mosary izahay.

11Misy manolana ireo vehivavy ao Tsiôna

mbamin’ireo virijiny any an-tanànan’i Joda.

12Nahantona tamin’ny tanany ireo mpitondra;

ary tsy mba nohajaina ny zokiolona.

13Ny zatovo mitondra ny vato fikosoham-bary;

ary ny ankizy mivembena mivesatra ny hazo.

14Ny loholona nitsaha-nanao antenimiera;

ary ny zatovo nitsaha-nitendry valiha.

15Nitsahatra ny hafalian’ny fonay;

niova ho fisaonana ny dihin-karavoanay.

16Nianjera ny satroboninahitra teny an-dohanay;

idiran-doza izahay satria efa nanota!

17Matoa rera-po izahay

matoa jembin-dranomaso ny masonay,

18dia noho ny tendrombohitr’i Tsiôna efa lao

ka nanjary fonenan’ny amboadia.

19Ianao kosa, TOMPO ô, dia mipetraka mandrakizay

eo amin’ny sezafiandriananao;

ary ny fanjakanao no maharitra

amin’ny taonjato mifandimby.

20Koa ahoana no anadinoanao anay hatrany

sy andaozanao anay mandritra ny andro-piainanay?

21TOMPO ô, ampivereno aminao izahay

mba hiverenanay aminao tokoa;

havaozy ny fiainanay ho toy ny fahiny.

22Sa holavinao tanteraka ve izahay

na hiharan’ny hatezeranao mihoa-pampana?

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help