1 Samoela 4 - Malagasy Bible Interconfessionelle

1Ary i Samoela nampita izany teny izany tamin’ny vahoaka Israely tsivakivolo.

Eo an-tanan’ny fahavalo ny Vatamasina

Indray andro dia nandeha niady tamin’ny Filistinina ny Israelita ka nitoby teo akaikin’i Ebena-Hezera; ny Filistinina kosa nitoby tao Afeka.

2Dia nilahatra nanafika ny Israelita ny Filistinina ka nangotraka ny ady. Resy ny Israelita ary nahafatesana miaramila tokony ho efatra arivo tamin’izany ady izany.

3Rehefa tafaverina tany amin’ny toby ireo sisa velona, dia hoy ny loholon’i Israely hoe:

–Nahoana no navelan’ny TOMPO ho resin’ny Filistinina isika androany? Andeha halaina any Silao ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO; fa rahefa mby eto amintsika izany, dia hamonjy antsika amin’ny fahavalontsika.

4Dia naniraka olona nankany Silao ny vahoaka mba haka ny Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ilay TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao, dia ilay TOMPO mipetraka eo ambony kerobima

. Nanaraka io Vatamasina io ny zanak’i Helỳ roa lahy, dia i Hôfnỳ sy i Pinehasa.

5Raha vantany vao tonga tao an-toby ny Vatamasin’ny TOMPO, dia nanao horakoraka mafy ny miaramila israelita rehetra ka nampihozona ny tany.

6Rehefa nandre izany horakora-pifaliana izany ny Filistinina, dia nifanontany hoe:

–Fa inona no dikan’izao horakoraka be ao an-tobin’ny Hebreo izao?

Vao fantatry ny Filistinina fa tonga ao an-tobin’i Israely ny Vatamasin’ny TOMPO,

7dia natahotra ireo, satria nifampilaza hoe: «Andriamanitra no tonga ao an-tobiny. Tsy mbola tao Izy talohan’izao; koa ankehitriny, hahita loza isika.

8Eny, hahita loza isika! Iza no hamonjy antsika tsy ho azon’io Andriamanitra mahery io, Izay namely ny Ejiptianina tamin’ny loza maro samihafa tany an-taniefitra?

9Mahereza, ry Filistinina, mbà tena lehilahy raha tsy tiantsika ny hoziogain’ny Hebreo tahaka izay nataontsika taminy fahiny; koa misehoa ho tena lehilahy tokoa isika ary miadia.»

10Ary niady ny Filistinina, dia resy ny Israelita ka nandositra nody avokoa. Faharesena mavesatra tokoa izany satria miaramila israelita telo alina no maty,

11ny Vatamasina lasan’ny Filistinina, ary izy mirahalahy zanak’i Helỳ, dia i Hôfnỳ sy i Pinehasa, samy maty avokoa.

Ny nahafatesan’i Helỳ mpisorona sy ny an’ilay vinantovaviny

12Androtrio ihany dia nisy lehilahy iray avy tamin’ny fokon’i Benjamîna afa-nitsoaka ny toeram-piadiana ka nilomay hatrany Silao; ho marik’alahelo, dia notriariny ny fitafiany ary nohosorany vovoka ny lohany.

13Tamin’ny fahatongavany dia efa nipetraka tamin’ny sezany teo amoron-dalana i Helỳ niandry sady nanahy mafy ny amin’ilay Vatamasin’Andriamanitra. Dia tonga nanambara ny vaovao tao an-tanàna ralehilahy, ka nikiakiaka nitomany ny iray tanàna.

14Nony ren’i Helỳ ny kiakiakan’ny vahoaka, dia nanontany ny antonanton’izany izy; ary nanatona faingana an’i Helỳ ilay lehilahy sady nanambara taminy ny vaovao.

15Efa valo amby sivifolo taona i Helỳ tamin’izay ary jamba tanteraka.

16Hoy ilay lehilahy taminy:

–Avy tany am-bava ady aho ary nitsoaka an-daharana vao androany izao.

I Helỳ kosa nanontany azy hoe:

–Fa inona no nitranga tany, anaka?

Dia hoy ny navalin’ilay mpitondra hafatra:

17–Vaky nandositra teo anatrehan’ny Filistinina ny Israelita. Fahavoazana lehibe no nianjady tamin’ny tafitsika; ary manampy trotraka izany, ny zanakao mirahalahy, i Hôfnỳ sy i Pinehasa, dia maty koa; ary ny Vatamasin’Andriamanitra lasan’ny Filistinina.

18Vantany vao niteny ny momba ny Vatamasin’Andriamanitra ilay mpitondra hafatra, dia nianjera avy teo amin’ny sezany i Helỳ, ary nitrosina teo anilan’ny varavaran’ny Toeramasina; tapaka ny hatony ary dia maty izy, satria sady efa antitra no mavesatra. Efapolo taona no nitondrany ny vahoakan’i Israely.

19Ary bevohòka be efa ho teraka ny vinanton’i Helỳ, dia ny vadin’i Pinehasa izany. Rehefa reny fa lasan’ny Filistinina ny Vatamasin’ny Tompo, sady maty ny rafozany sy ny vadiny, dia nitambonkina ny anao vavy ka teraka tsy satry vokatry ny fanaintainana nahazo azy.

20Ary rehefa akaiky ho faty izy, dia hoy ireo vehivavy izay nanampy azy teo hoe:

–Aza matahotra fa zazalahy no naterakao.

Nefa tsy namaly izy na niraharaha akory izay notenenina taminy.

21Avy eo dia hoy izy hoe:

–Nesorina tamin’i Israely ny voninahitr’Andriamanitra, ka hataoko hoe Ikabôda no anaran’ny zaza!

Io anarana io dia midika hoe «tsy misy voninahitra intsony» ka hahatsiahivana fa lasan-ko babo ny Vatamasin’Andriamanitra sady maty koa ny rafozan-dravehivavy sy ny vadiny.

22Nambarany araka izany fa nesorina tamin’i Israely tokoa ny voninahitra satria efa lasan-ko babo ilay Vatamasin’Andriamanitra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help