1 Salamo nataon’i Davida.
TOMPO ô, firaiketam-po aminao
sy rariny ho an’ny vahoaka
no zavatra tiako hokaloina:
izany no hankalazako Anao an-kira.
2Hiezaka hiroso amin’ny fahitsiana aho,
ka rahoviana no hankatỳ amiko Ianao?
Amin-kitsim-po no hiainako
ao amin’ny lapam-panjakàko.
3Tsy hahatanty zava-dratsy aho;
halako ny mivadika finoana,
tsy mba hahazo ahy izany.
4Halaviriko ny haloto fo,
tsisy antony amiko ny olon-dratsy.
5Hofongorako ny mpanaratsy namana amin’ny takona
fa tsy zakako ny mpiandranandrana miavona am-po.
6Hojereko izay olo-mahatoky
eto amin’ny tany sy ny fanjakana
mba hametrahako azy eo anilako;
izay mizotra amin’ny fahitsiana
no ho tonga mpanampy ahy.
7Tsy hitoetra ao amin’ny lapam-panjakàko
ny olona mpametsifetsy;
ary tsy hijanona eo anilako
ny mpanao teny mandrobo.
8Hataoko fongotra isa-maraina ny olon-dratsy rehetra
eto amin’ny tany sy ny fanjakana
mba ho foana avokoa ny mpanao ratsy
ao amin’ny tanànan’ny TOMPO.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.