Bena-Siràka 10 - Malagasy Bible Interconfessionelle

Ny fitondram-panjakana

1Ny mpifehy hendry dia hananatra ny vahoakany,

ka hirindra ny fitondrany noho izy mahira-tsaina.

2Araka ny toetry ny mpifehy vahoaka

no ho toetry ny mpandraharahany;

araka ny toetry ny mpitondra tanàna ihany

no ho toetry ny mponina rehetra ao aminy.

3Ny mpanjaka tsy nanam-panabeazana

no hahavery ny vahoakany;

ny fahiratan-tsain’ireo andriana

no hampiorina mafy ny tanàna.

4Ny fahefana hitondra ny tany

dia eo am-pelatanan’ny Tompo,

ka amin’ny fotoanandro mety

no hananganany olona sahaza izany.

5Ny fahombiazan’ny olona

dia eo am-pelatanan’ny Tompo,

ka Izy no hametraka ny voninahiny

eo amin’ny tenan’ny mpahay lalàna.

Fiavonavonana sy herisetra

6Na inona na inona tsy rariny natao taminao,

dia aza mitahiry lolom-po amin’ny namanao;

ary aza manao na inona na inona ianao,

raha mbola entanin’ny fo mandroatra.

7Ny fiavonavonana dia zavatra ankahalaina

na amin’Andriamanitra na amin’olombelona;

ary eo anatrehan’izy roa tonta

dia fahadisoana ny tsy rariny.

8Ny ifindran’ny fiandrianam-panjakana

avy amin’ny firenena iray ho amin’ny firenen-kafa

dia noho ny tsy rariny sy ny herisetra

ary koa noho ny fitiavan-karena.

9Vovoka sy lavenona ihany ny olombelona;

koa nahoana no miavonavona izy,

kanefa dieny mbola fahavelony aza

no fahalovana sahady ny tsinainy?

10Aretina tsy maharitra ela akory

dia mampilofika ny dokotera;

na izay mpanjaka anio aza

mbola ho faty rahampitso.

11Rehefa maty ny olona, dia izao no anjarany:

ny trambo sy ny bibikely ary ny kankana.

12Ny iantombohan’ny fiavonavonan’ny olona

dia amin’izay isarahany amin’ny Tompo

sy ikomian’ny fony amin’Ilay nanao azy:

13ny fahotana manko no fiantombohan’ny fiavonavonana

ka izay mikiribiby no hitosahan’ny toetra maharikoriko;

izany no nahatonga ny Tompo hampiharihary ny fahorian’ireo

ary hamely azy amin’ny faharinganana tanteraka.

14Naongan’ny Tompo ireo mpanapaka,

mba tsy ho eo amin’ny sezafiandrianana

ka ny olona malemy fanahy

no napetrany handimby toerana azy.

15Nofongoran’ny Tompo ireo mpiavonavona

ka ny manetry tena no nasolony handimby azy.

16Noravan’ny Tompo ireo tanin’ny hafa firenena,

ka naringany hatramin’ny fototra iorenany.

17Nongotan’ny Tompo teo amin’ny olona sy naringany ireo;

ary nokosehiny ho foana eto an-tany ny fahatsiarovana azy.

18Tsy mba nataon’Andriamanitra hiavonavona ny olona;

tsy natao hisafoaky ny hatezerana ireo natera-behivavy.

Ireo mendrika hohajaina

19Taranak’iza no mendrika hohajaina?

Ny taranak’olombelona izay manaja ny Tompo.

Taranak’iza no mendrika hotsiratsiraina?

Ny taranak’olombelona izay mandika ny didy.

20Hajaina eo amin’ny olom-peheziny ny mpitondra azy;

fa hajaina eo imason’ny mpitondra kosa ireo manaja ny Tompo.

22Ny prôzelita sy ny vahiny ary ny mahantra

dia ny fanajana ny Tompo no reharehany.

23Tsy rariny ny maniratsira ny mahira-tsaina nefa mahantra,

ary diso toerana ny manome voninahitra ny mpanota.

24Ny lehibe sy mpitsara ary manampahefana

dia samy omen’ny olona voninahitra;

fa tsy misy kosa amin’ireo, na iray aza,

lehibe noho ny olona manaja ny Tompo.

25Ny mpanompo manam-pahendrena

dia hotompoin’olona afaka;

ary ny olona manam-pahalalana

dia tsy himonjomonjo ny amin’izany.

Ny haja sahaza ny tena

26Aza mihambo ho hendry eo am-panaovana ny asanao

ary aza be rehaka amin’ny androm-pahasahirananao.

27Tsaratsara kokoa ny olona izay miasa

ka manana amby ampy amin’ny zava-drehetra,

toy izay ny mirenireny be rehaka

nefa tsy manan-kohanina akory.

28Anaka, aoka ho amin-kalemem-panahy

no hanomezanao voninahitra ny tenanao

ary aoka izy hotoloranao

ny haja mendrika azy!

29Iza no hankatoa ho marina

izay olona manota manimba tena?

Ary iza no hanome voninahitra

izay olona manala baràka ny fiainany?

30Azo anomezam-boninahitra ny mahantra

ny fahaizana ananany;

fa ny anomezam-boninahitra mpanankarena

dia ny hareny fotsiny ihany.

31Izay omem-boninahitra ao anaty fahantrana,

dia vao mainka koa hatao izany ao anaty harena;

izay alaim-baràka ao anaty harena

dia vao mainka koa hatao izany ao anaty fahantrana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help